- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta: Graffiti – Mba ho Revolisiona Maroloko sy Ho Fahatsiarovana Tsy Maty Vonoina

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Fahalalahàna miteny, Zavakanto & Kolontsaina, Zon'olombelona

Hatrany amin'ny andro voalohan'ny rovolisiona ejiptiana, naka ny fomba fanaon'ny razambeny ireo mpanao hetsi-panoherana amin'ny fomba fandraketana ireo androm-pandresena sy firavoravoana, fandraketana ireo andron'ny revolisiona eny amin'ireo rindrin'ny Kianjan'i Tahrir ao afovoan'i Caire, ivon'ireo fihetsiketsehana. Tonga ny anjarany, maniry toa anana ny graffiti* eraky ny rindrina ao Caire [1].

Tao amin'ny bilaoginy El Aam Tonsy mitantara [2] ny sary mahazendana momba ireo Farao hita eny amin'ny rindrin'ireo tempoly:

كعادة المصري من قديم الأزل هي تسجيل الأحداث على الحائط

Toy ireo Farao fony tany aloha elabe tany, efa zatra mitahiry ny tantarany eny amin'ny rindrina ny Ejiptiana

Nitohy ny firongatry ny graffiti na dia efa taty aorian'ny nionganan'ny fitondrana aza. Nampakarin'ireo mpanakanto amin'ny sehatra iray hafa izy io, ary sahala amin'ny hoe azo atao ho làlana iray hahatsiarovana ireo maritioran'ny revolisiona ny rindrina.

Ganzeer mamoaka [3] ny asa mahaliana vita amin'ny rindrin'i Tarek Abdel Latif ao Zamalek:

[4]

Nitohy ilay fandraisan'andraikitra mendrika, mba ho fandraisana anjara amin'ny fanomezam-bohinahitra ireo maritiora samihafa nanerana ireo distrika rehetra tao Ejipta. Indrisy, indray maraina Ganzeer [5] nifoha maraina ary nahita fa ny iray tamin'ireo sary an-drindrin'ny Maritiora dia nofafana [6].

[7]
[8]

Nanoratra izy:

@ganzeer nofafàna ny #mural sary an-drindrin'ny #martyr islam raafat tao midan Falaky  #streetart #postjan25 #Cairo #egypt

Voalaza fa ireo manampahefana ao amin'ny  governemanta no namafa ilay sary an-drindrina. Na izany aza, tena tsy nisy nankasitraka ilay famafàna:

@PrinceofRazors: Manana endrika, anarana ary tantara ny maty. Ny famafàna ny fahatsiarovana azy ireo dia asa herisetra & faneriterena iray hafa indray.

Niantso ny hanaovana fanehoankevitra haingana aseho ao anatin'ny Mad Graffiti Weekend #madgraffitiweekend i Ganzeer (Faran'ny Herinandron'ny Graffiti Adala) . Ny hevitra dia ny hanokanana ny faran'ny herinandro (andro 2) hanamafisana ny Graffiti ny tanàna ao an-tananan'i Caire mba ho fampanajàna fa tena isan'ny fahalalahana maneho hevitra ny Zavakanto, izay tsy tokony mihitsy hofafàna na hofongorina.

Niantso fihaonana savaranonando izy ny Zoma 29 -aprily [9] ho fampitaovana ny  Mad Graffiti Weekend. Ny tanjon'ny fihaonana dia ireto:

1- Fametrahana fa ny lalamben'i Ejipta dia an'ny vahoakan'i Ejipta.
2- Fandaminana ny lohahevitra azo trandrahana ho an'ireo lalambe Ejiptiana mifanaraka amin'ny zava-misy iainana ankehitriny.
3- Fandaminana ny toerana.
4- Fananganana vaomieran'asa

Tsy natao ho an'ny mpanakanto fotsiny ihany ny fanasàna fa koa ho an'ireo mpitoraka bilaogy, mpaka sary ary na iza na iza koa afaka manampy hampahafantarana fa ireo miteny mitaky ny fahalalahan'ny fireneny dia tsy tokony hoverezin-jo tsy ho afaka maneho hevitra

* Avy amin'ny mpandika Graffiti : sarisary na soratsoratra atao eny amin'ny rindrin'ny lavabato na vatolampy fahiny