- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Gresy: Fandrobana Nataon'ireo Mpankafy Baolina Fandàka Naneho Tsy Hafaliana Tao Thessaloniki

Sokajy: Gresy, Fanatanjahantena, Tanora

Tanatinà herisetra tsy nampoizina tamin'ny lalao baolina fandàka, nifandramatra tao afovoan-tanànan'i  Thessaloniki, Gresy ny mpankafy ireo tarika roa , Iraklis [1] sy PAOK [2], tamin'ny 26 Aprily 2011. Nanafika tranombarotra ry zareo, trano sy fiara mijanona eny amoron-dàlana, ary dia norarafan'ny polisy mpandrava korontana entona mandatsa-dranomaso ny faritra afovoan-tànana. Nitranga ny korontana rehefa nirotsaka hanohitra ny fisintonana ny fahazoan-dàlana milalao anatin'ny fiadiana izay ho tompon-daka atsy ho atsy ireo mpankafy ny Iraklis, tao amin'ny faritra iray izay matetika ihaonan'ireo mpankafy ny PAOK rehefa manao fihetsiketsehana ry zareo.

Naneho ny hasorenany tao amin'ny Twitter sy ny bilaogy ny mponina, ary nanontany tena raha toa izao fiakaran'ny tosdi-drà izao ka misy ifandraisany koa amin'ny fahadisoam-panantenana mitombo be noho ny olana ara-bola misy ao Gresy.

Ny lahatsary manaraka eto dia mampiseho ny fifandonana voalohany, tarafina avy any ambony, tao akaikin'ny toerana manan-tantara Galerius Arch [3], ahitàna fifanakalozana tifitra teo amin'ireo mpankafy nifanandrina:

Nampiasa ny twitter mba hampitandremana ny mpandalo ireo mponina,

@kontaxi [4]: αποφύγετε την πλ. αγ. σοφίας και περιξ..δακρυγόνα-σπασίματα-κάδοι πήραν φωτία…

@kontaxi [4]: sorohy ny mandalo Aghias Sofias Sq. & manodidina… entona mandatsa-dranomaso – fandrobana – fanariam-pako narehitra…

raha ny sasany indray tafiditra tampoka anaty faritra miady, miezaka miaro tena sy miaro ny fananany:

@Armenoui [5]: Πεδίο μάχης εμείς προσπαθούσαμε να προστατέψουμε τα σπίτια μας, αμαξια μηχανάκια..να σβήσουμε κάδους!

@Armenoui [5]: tanin'ady iray, miezaka miaro ny tranonay , fiaranay sy ny kodiarandroanay izahay.. mamono ny afo eny anaty fanariam-pako!

@Armenoui [6]: Ντροπή τους!! Δεν με νοιάζει αν ήταν ΗΡΑΚΛΉΣ ΠΑΟΚ ή ότι άλλο..εμπειρία απαίσια που θέλω να ξεχάσω! #fail http://t.co/Ga20HcC [7]

@Armenoui [6]: Henatra ho azy ireo! Tsy raharahako na mpankafy  IRAKLIS na PAOK ry zareo na inona koa.. zava-misy izay tiako hohadinoina  #fail

@Armenoui [8]: Αυτο τ σκαλακι αφού δεν τα κατάφερε κ ΔΕΝ ΠΈΤΥΧΕ τον μπαμπά νομίζω ότι δικαιωματικά μας ανήκει!Κάτι βγήκε απτο σημερινό. http://t.co/PRd86AS [9]

@Armenoui [8]:  Vantany vao nahavita nisoroka an'iny zana-tohatra kely iny ry bainina a, dia heveriko fa zontsika avy hatrany ny fanànana azy. Tara-panantenana iray no tsinjo ho avy io hariva io http://t.co/PRd86AS [9]

Entona mandatsa-dranomaso sy setroka avy amin'ireo fanariam-pako midedaka no mitelina ny ampahany amin'ny afovoan-tanàna:

@StellaKarag [10]: Όλη η Τσιμισκή μυρίζει δακρυγόνα. Αίσχος στους (ανεγκέφαλους) οπαδούς οποιασδήποτε ομάδας που κάψανε κάδους & όχι μόνο στο κέντρο.

@StellaKarag [10]: Mamofona entona mandatsa-dranomaso ny làlana Tsimiski. Henatra ho an'ireo mpankafy (tsy misy atidoha) na avy amin'ny tarika iza na iza ka nandoro ny fanariam-pako, ary tsy tao afovoan-tanàna irery ihany.

Na ny sasany tamin'ny mpankafy baolina fandàka aza dia tratry ny tampoka:

@quatzacoatl [11]: Το ότι θα'τρωγα δακρυγόνο εξαιτίας του Ηρακλή δεν το περίμενα.

@quatzacoatl [11]: Tsy nampoiziko mihitsy ny hoe izaho ho voan'ny entona mandatsa-dranomaso noho ny amin'ny Iraklis.

Craig Wherlock, mpanao gazety miasa tena, sady mpaka sary no mpandalina momba ny fihetsiketsehana, dia nanolotra tatitra amin'ny antsipirihany mikasika ireo fifandonana tao amin'ny Twitter ny andro nanaraka an'io, ary nampakatra lahatsary iray [12] avy eny amin'ny faritry ny fifandonana, nandraketana avy hatrany ny taorian'ilay gidraka:

@teacherdude [13]: Korontana sy fifandonana tamin'ny polisy tao Thessaloniki afovoany, Gresy rehefa nanao fihetsiketsehana ireo mpankafy ny Iraklis FC, nanohitra ny fisintonana ny fahazoan-dàlana hilalao
@teacherdude [14]: Nisy ihany koa fifandonana teo amin'ireo mpankafy ny PAOK sy  ny  Iraklis izay noravàn'ny polisy mpandrava korontana
@teacherdude [15]: Na izany aza dia nisy betsaka ireo herisetra an-jambany nataon'ireo mpankafy ny Iraklis  nanafika trano fisotroana kafe sy tranon'olona tsy amin'antony mazava akory
@teacherdude [16]: Ny fampiasàna tafahoatra ny entona mandatsa-dranomaso sy ny grenady “flsh” nataon'ny polisy Grika mpandrava korontana tao Thessaloniki nandritra ny fihetsiketsehana izay nivadika ho sakoroka. Lahatsary tsara harahana.
@teacherdude [17]: Starbucks, MacDonalds voatafika tao Thessaloniki, Gresy,  nandritra ny sakorok'ireo mpankafy baolina fandàka omaly alina.

Samy niharan'ny fandrobana niverimberina na McDonalds, na Starbucks  ary nodorana tamin'ny baomba natao tamin'ny solika (cocktail molotov) tato anatin'ny taona vitsy, nandritra ireo hetsika ara-politika namoriam-bahoaka.  Wherlock mitanisa izany sy tranga roa hafa mifandraika aminy tamin'ireo trano fisotroana kafe [18] tao anatin'ny adim-pamantaranora 12, ao amin'ny bilaoginy, ary mampifandray ny herisetra amin'ny fitomboan'ny olana ara-bola mamely an'i Gresy:

Ny zavatra hafahafa mikasika ireny korontana ireny dia ny karazan'olona mandrafitra azy ireny sy ny zavatra nataony, raha ampitahaina amin'ireo fifandonana hafa izay nahitàna ny sokajin-taona rehetra tao anatiny, miainga amin'ny zazakely tsy mbola misy folo taona akory ka hatramin'ny tanora efa nahazoazo taona, ary na ny lasibatry ny hatezeran-dry zareo koa aza tsy ireo efa nahazatra toy ny banky sy ny tranobem-panjakana fa nahitàna koa ireo trano izay sendra azy teny toy ny toeram-pivarotana vaventy, trano fisotroana kafe sy tranon'olon-tsotra. Ny zavatra tokana azo antoka aloha dia an'alina tamin'ireo nirotsaka an-dalambe no sorena ary ny hatezeran-dry zareo , vantany vao nipoaka, dia tsy voafehy intsony, angamba tandindon'ny fahasorenana lalina mahazo ny Grika maro momba ny fandehan'ny fiainan-dry zareo. Voadona mafy tamin'ireo fepetra henjana sy toe-karena nikororosy fàhana dia marobe ny olona  tsy faly amin'izay zava-mitranga eto amin'ny firenena ka dia mitady izay hanalàna vonkina.

Ianjadian'ny fahasahiranana ara-toekarena matetika, ankehitriny i Thessaloniki dia miatrika ny fiakaran'ny tahan'ny tsy fananana asa,  25% [19] [el], ny fihisaran'ny tsena anatiny, tonga hatramin'ny 40% [20] [el], ary ny fitotonganan'ny vola miditra avy amin'ny fizahantany tato anatin'ny taona roa nifandimby [21] [el]. Ireo firongatry ny fandrobàna dia mety ho azo ahilika any amin'ny olana ara-bola, fa koa miteraka fiharatsian'ny fahavoazana be eo amin'ny toe-karena anatiny.

[22]

Sakoroky ny baolina fandaka tao afovoan-tananan'i Thessaloniki, April 26, 2011 – Sary avy amin'i George Gatos ©

Sorena, ny mpivahiny iray taminà tranga Opencoffee tao an-toerana [23], George Gatos, nampitaha lahatsary avy aminà mpizahatany iray momba ny tanàna tamin'ireo sary nalaina ny alina nisian'ny fifandonana [24]:

Στο βίντεο [25] έχουμε περιγραφές για το πως βλέπουν τη Θεσσαλονίκη οι ξένοι επισκέπτες αυτής, αν φυσικά είναι τυχεροί και δεν δουν αυτά που βλέπει ένας κάτοικος κέντρου στις 22:00 το βράδυ της Τρίτης μετά το Πάσχα [..] πέσαν μερικά δακρυγόνα, κάτι μπουκάλια, μερικές πέτρες και το πάρτυ έφυγε παραπάνω… Πέτυχα δυο ακόμα γνωστούς, ανταλλάξαμε τις εμπειρίες μας. Τον έναν τον κυνήγησαν γιατί φορούσε κάτι πράσινο, η άλλη ήταν μέσα στα αυτοκίνητο της πολύ κοντά στο σημείο που έγινε το ντου. Είπα να πάω σπίτι. Εκεί δίπλα κόσμος μαζεμένος και ένας σωριασμένος στην είσοδο πολυκατοικίας. Ήρθε το ασθενοφόρο, ζούσε αλλά δεν είχε επαφή. Αυτοί είναι μόνιμοι επισκέπτες της περιοχής, κι αυτοί άρρωστοι. Όχι με την ομάδα, με τη ντόπα.

Ilay lahatsary [25] dia misy fanoritsoritana ny fahitàn'ireo vahiny an'i Thessaloniki, raha toa izy ireny nanam-bintana tsy nahita izay hitan'ny mponina ny alin'ny Talata taorian'ny Paska, tamin'ny 10 ora alina. [..] Toraka entona mandatsa-dranomaso vitsivitsy, tavoahangy sy vato manidina. Taoriana kely dia nikisaka niakatra ny tanàna ny lanonana… Nifanena tamina mpivady fantatro aho ary dia nifanakalo tantara teo izahay. Olona iray nohazaina fa nitafy maitso toy ny tafika, ilay iray hafa tao anatin'ny fiarany teny akaikin'ny gidraka. Ny hody no noheveriko hatao. Teo amin'ny manodidina, nisy andian'olona nitangorona nanodidina lehilahy iray nivalampatra teo an-tokonan'ny tranobe iray. Tonga ny fiara mpamonjy voina, mbola velona izy fa tsy mahatsiaro tena. Mpitsidika efa sary monina eo amin'ny faritra ry zareo no sady mpiankin-doha amin'ny zava-mahadomelina. Tsy tarika mpilalao baolina fandàka akory, fa ny rongony.