Tsy nahitana na inona na inona intsony ny toe-draharaha ao Daraa, Syria, kanefa manohy manambara ny fisian'ny fihetsiketsehana vaovao ny fampahalalam-baovao, ary ny famaizana mahery vaika amin'ireo mpanao fihetsiketsehana.
Ao amin'ny Twitter, Daraa Now mitatritra hoe:
MAIKA: Fatin'olona Folo no mitsirara eran'ny tanànan'i #Daraa #Syria
ary nanampy hoe:
MAIKA: Fahamaizinana tanteraka ankehitriny ao #Daraa #Syria, tsy misy sakafo, rano, tsy misy fifandraisana, miangona ireo bala!
Raha nanamarika i SyriansHand :
Maherin'ny dimiambinifolo ny mpanao fihetsiketsehana voadaroky ny mpitandro ny filaminana sy ny tafika Syriana nanomboka ny Talata tao #Daraa #Syria
I As'ad Abu Khalil ao amin'ny Angry Arab News Service‘s ni-bilaogy hoe:
Loharano tao Syriana no nandefa ahy ity: “”Niezaka nankany Daraa ny rahalahiko androany mba hijery raha mbola velona ny anabaviny sy ny fianakaviany, saingy rehefa akaiky izy dia notifirin'ny tafika ny fiarany ary nolazaina fa efa olona maty izy raha nanantona akaikikaiky kokoa ary mety ho ratsy noho izany aza ka aleoko tsy lazaina. Izany no tafika izay tokony hiaro ny vahoakan'i Daraa, “ tafika andian-jiolahy”. Amin'ny famonoana olona marobe, miasa mafy ny fitondrana Syriana ho an'ireo Islamista ifotony.”””
Tao amin'ny lahatsoratra hafa, nanampy izy hoe:
Mino aho fa tokony samy haniry ny fiverenan'ny firenena latsaka an-katerena isika. Tsy mba fantatro fa zava-doza ho an'ny Syriana izany raha tsy manana izany izy. Raha tsy misy an'izany, dia mamono Syriana marobe ny fitondrana.
Raha tao amin'ny YouTube, manohy milazalaza ny ao Daraa ny horonantsary , mampiseho ireo mpanao fihetsiketsehana voadaroka, tahaka ny hita ao amin'ity horonantsary nataon'i horanson1 ity:
Miaraka amin’ ity fanamarihana manaraka ity ny horonantsary(Ar):
و من يطلب الحرية عند بشار الأسد فهو خائن و سلفي و مندس و موتور
ام الحرية فقط لبشار و ماهر
الثورة مستمرة و الحمد لله المعنويات عالية بالرغم من سقوط شهداء
نحن نطلب الحرية لا اكثر و الحرية بنظر بشار و ماهر الأسد تعني لهم سقوط نظامهم القائم على القمع و الأستبداد
فأين انتم يا أكراد اين انتم يا عرب أين انتم يار دروز اين انتم يا علوية اين انتم يا سوريين
كلنا نريد الحرية
الثورة في درعا مازالت مستمرة فهل انتم معنا؟
Syriana, ary valian'ireo tafika amin'ny alalan'ny fitifirana azy ireo izany. Manohy mitifitra foana an'ireo mpanao fihetsiketsehana tsy manana fitaovam-piadiana, vehivavy sy tanora ireo mpitandro ny filaminana. Maniry firenena Islamika ve sa émirat Islamika ireo vahoaka ireo, sa ny zavatra tena takiany dia ny fahalalahana?
Na iza na iza mitaky fahalalahana dia heverina ho toy ny mpamadika na salafista na mpiasan'i Bachar Al Assad avy any ivelany. Natokana ho an'i Bachar sy i Maher (Al Assad) ihany ve ny fahalalahana? Hitohy ny revolisiona ary ambony hatrany ny saintsika na dia eo aza ireo martiora nianjera.
Mangataka ny fahalalahana izahay dia izay ihany, saingy ny fahalalahana eo imason'ireo Bachar sy Maher Al Assad, dia midika ny fiafaran'ny fitondrany, izay nifototra amin'ny famaizana sy ny tsy fahamarinana. Nankaiza ireo Kurde? Aiza ireo Arabo ? Aiza ireo Druze? Nankaiza ireo Alaouite ? Aiza ireo Syriana? Isika rehetra mila fahalalahana. Mitohy ny revolisiona ao Deraa. Miaraka aminay va ianao ?
Tao amin'ny Facebook, ny Sham News Network nanohy nandefa ny toe-draharaha farany tao Daraa ho an'ireo mpamaky. Toy izao no novakiana farany:
Ny pejy Facebook an'ny Syrian Days of Rage manome ny atsimpirihany momba ny toe-draharaha ao Daraa:
Niantso mba hanajanonana ny Famonoan'olona ny vahoakan'i Daraa, mitoka-monina tanteraka i Daraa ankehitriny, napoakan'ny mpitandro ny filaminna ny toby fitahirizana rano, nodorany ireo fivarotan-kena, niditra ankeriny sy nangalatra tao amin'ny fivarotam-panafody. Tsy misy ronono ho an'ny zazakely intsony ka matin'ny hanoanana izy ireo ary tsy avelany hahazo fitsaboana ara-panafody koa ireo vahoaka naratra, ary mbola tonga ao Daraa ihany koa ny fitaovam-piadiana mahery vaika fanampiny, fiara mifono vy maherin'ny 30.
Miverina ao amin'ny YouTube, ShamNN nizara ity horonantsary ity amintsika, mampiseho ireo mpanao fihetsiketsehana ao Daraa mitoraka vato amin'ireo fiara mifono vy:
Ary ny farany fa tsy ny kely indrindra, ny UN Dispatch nandray lisitra ireo kaonty Twitter valo tokony arahina mandritra ny fihetsiketsehana ao Syria.
“Na dia tsy bado kokoa noho ireo fanaovan-gazety mahazatra, nanjary loharanom-baovao tena ilaina ny Twitter ho an'ireo olona liana amin'ny toe-draharaha mafapàna ao Syria,” izay nohamarinina tao.
Izy ireo dia: @MalathAumran, @ProfKahf, @SyrianJasmine, @AnasQtiesh, @Mohammad_Syria, @Wissamtarif, @RazanZ ary @BBCLinaSinjab.