- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Roandà: Mametraha Fanontaniana Amin'ny Filoha Roande Ao Amin'ny YouTube

Sokajy: Afrika Mainty, Rwanda, Politika, Teknolojia

Ny 5 May 2011, ny Filoha Roande Paul Kagame [1] no mpitarika Afrikana voalohany indrindra hohadihadihana ao amin'ny YouTube World View [2]. Ny World View dia andianà fanadihadiana isam-bolana iarahana amin'ireo mpitarika manana toerana lehibe indrindra eran-tany, izay hametrahanao ireo fanontaniana. Ireo fanontaniana be mpifidy indrindra no hapetraka mandritra ireo fanadihadiana.

Miteny [3] ny bilaogy ofisialin'ny Youtube:

Nivezivezy tany Amerika Avaratra, Eoropa ary ny Afovoany Atsinanana mba hanomezana anao ny fahafahana hanadihady ireo mpitarika mahery indrindra eran-tany ny YouTube World View. Androany, hanolotra ny World View voalohany iarahana amin'ny mpitarika Afrikana izahay, Paul Kagame, Filohan'i Roandà .

Araka ny nambaran”i Ory [4] Okolloh [5] ny Mpiandraikitra ny Politika Afrika sy  ny fifandraisana amin'ny governemanta, ary ny Mpiandraikitra ny YouTube Vaovao sy Politika, Ramya Raghavan [5], hiresadresaka anatinà fanadihadiana manokana miaraka amin'i Khaya Dlanga [6], mpiara-miasa amin'ny YouTube sy iray amin'ireo mpitoraka bilaogy sangany any Afrika Atsimo, i Kagame. Mandritra ny fanadihadiana, hamaly sasantsasany amin'ireo fanontaniana malaza indrindra napetrakareo ny Filoha Kagame.

Afaka mametraka fanontaniana [2] ny tsirairay. Ny fe-potoana farany handefasana ny fanontanianao dia ny 3 May ary ny fanadihadiana farany dia ho hita ny 7 May:

Manomboka androany, afaka mametraka fanontaniana amin'ny Filoha Kagame na inona na inona foto-dresaka, tahaka ny toe-karenan'i Roanda, ny politikan'ny teknolojia, ny fivoaran'ny firenena ireo 17 taona lasa hatramin'ny famonoan'olona marobe na ny fandraisan'andraikitra isam-paritra. Afaka mametraka fanontaniana midadasika tahaka ireo resaka mikasika ny ho avin'i Afrika sy ny tanorany. Makanesa ao amin'ny www.youtube.com/worldview mba hametrahanao ny fanontanianao avy amin'ny alàlan'ny lahatsary na ny lahatsoratra, tahaka ny fifidiananao izay tena tianao indrindra.

Ny tenifototry ny Twitter amin'ity fanadihadiana ity dia #askkagame [7].

Nampitolagaga ireo mpitoraka tweet i Paul Kagame tamin'ny Martsa teo rehefa nanaiky fanasana [8] nalefan'ilay mpitoraka bilaogy Keniana ho azy avy amin'ny Twitter.