- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fanadihadihana Mikasika ny Fampandrosoana an'i Afrika

Sokajy: Afrika Mainty, Amerika Avaratra, Kanadà, Nizeria, Rwanda, Fampandrosoana, Toekarena sy Fandraharahàna

Raha nanambara ny Banky Afrikana ho an'ny Fampandrosoana telo andro lasa izay fa nampidininy ny fikasana hampandroso an'i Afrika noho ny fikorontanana [1] misy ao amin'ny faritra maro ao amin'ny kaotinanta, avo kokoa ny tahan'ny fiverenan'ny famatsiam-bola vahiny dia ambony kokoa ao Afrika noho ny an'ny firenana an-dalam-pandrosoana hafa [2].

Ary mbola maro koa ny mpampiasa vola no mihevitra fa fahasahisahiam-poana ny  hanao fitadiavam-bola eto Afrika ary mila mahatratra ny satan'ny tany “fanararaotra” ny kaontinanta.

Zava-bita marobe no manaporofo fa diso izany fomba fijery izany.

Amin'ity lahatsarin'ny Fikambanana ho amin'ny Fiaraha-miasa sy Fampandrosoana ity (Organisation pour la Coopération et le Développement) (OCDE) : Donald Kaberuka sy manampahaizana hafa no niady hevitra momba an'i Afrika ho toy ny tsena misongadina vaovao.

Eric Kacou ao Kigali miray hevitra fa ny karazana mpandraharaha vaovao no tena ilaina mba hahita fahombiazana ao amin'ny kaontinanta; izay antsoiny hoe “Mpandraharaha Archimede” [3]. Nanazava ny dikan'izany i Kacou :

ankoatra ny mangirangirana tsy mahazatra hita eo amin'ny maso[ny], mampizoy fony ho amin'ny lalana marina hatrany na mitodika mankaiza na mitodika mankaiza ny fitambaran'ny finiavana hahomby sy ny fahaizana manararaotra amim-pahamendrehana.

Ankoatra ny fanekena ny fisian'ny ny tena zava-misy azo atao, Afrikana maromaro no tsy manao afatsy ny miady amin'ny fijery ankapobeny ny aloka sy ny faharavana ho  an'ny kaontinanta. Ohatra, i Donald Bobiash [4], Tale-Jeneraly ny Raharaham-bahiny sy ny varotra iraisam-pirenena an'i Kanadà ao Afrika, nanoratra  toy izao [5]momba ny valandresaka “ Miarina i Afrika” izay natao tao Toronto tamin'ny 14 sy 15 marsa lasa teo:

Raha nankafy niresaka momba izay tsy mandeha tsara ao Afrika ny fampahalalam-baovao, indreto izahay hanambara kosa ny zavatra mandeha tsara ao Afrika.

Araka ny nohamafisin'ilay [6] mpikaroka momba ny toekarena ao amin'ny The Economist vao haingana tamin'ity taona ity:

Folo taona lasa talohan'ny 2010, enina amin'ireo toekarena folo mandroso haingana maneran-tany no avy ao Afrika atsimon'i Sahara.

Tsy zavatra mandeha irery ny anton'izany fandrosoana haingana ao amin'ny faritra izany . Tamin'ny tatitra nataon'ny In a Mckinsey Global Institute , no namborahan'i Acha Leke et al. ny antony samihafa mahatonga ny fitomboan-karen'i Afrika [2]:

..Kanefa manazava fotsiny ihany ny tantaran'ny fandrosoana amin'ny ankapobeny ao Afrika ny fitobahan'ny akora. Ny harena voajanahary, sy ny fandaniana ataon”ny governemanta, no niteraka 32 % ihany tamin'ny fandrosoan'ny Harin-karena Anatiny [PIB Afrikana ny taona 2000 hatramin'ny taona 2008. Ny roa ampahatelony kosa dia avy amin'ny sehatra hafa, ao anatin'izany ny varotra ambongadiny sy ny antsinjarany, ny fitaterana, ny fifandraisan-davitra ary ny tao-zava-baventy.

Manatanteraka izany fitomboana lehibe izany ireo Mpandraharaha ka manararaotra ny irika itadiavam-bola ao amin'ny kaontinanta. Tal Dehtiar ao amin'ny Oliberté Shoes – mpanamboatra kiraro manana orinasa ao Etiopia sy ao Liberia-no iray amin'izany. Nanoratra tao amin'ny bilaogy mitondra ny lohateny hoe “Oliberté, This is Africa [7]“ ny antony hampiasana vola [8] ao amin'ny kaontinanta izy:

mbola tsy nahita an'i Afrika nosokajiana amin'ny ankapobeny amin'ny lafiny ratsy izahay. Mino ny Oliberté fa miaraka amin'ireo mpiara-miasa atokisana ireo, manana anjara fandrosoana sy hamelona ny vahoakany ny firenena Afrika tsirairay avy

Mpandraharaha maro no resy lahatra fa raha ireto vokatra telo ireto: -tetibola, sosialy, tontolo iainana- no teny iraisam-pirenena ifantohan'ireo orinasa mampiasa vola ao amin'ny firenena mandroso, izay tranga iray tokony dradradradraina mafy fa tsy afaka ny handroso amin'ny famatsiam-bola madinika [micro-finance] fotsiny ny firenena Afrikana, ary ny famatsiam-bola ho an'ny vehivavy tsy ho vitan'ny “50 US dollars”.

[9]

Ny fahasamihafana ankapobeny ny fifanakalozana eo amin'ny petrabola sy ny fanampiana fampandrosoana iraisam-pirenena. Fanehoan-tsary notontosain'ny mpanoratra ny lahatsoratra

African Entrepreneur nanazava [10]:

Tsy ratsy ny fampandrosoana, ny sosialy ary ny famatsiam-bola madinika. Manana ny anjara asany izy ireo ary manampy indrindra ireo an-tapitrisa mba hiala amin'ny fahantrana. Saingy tsy afaka handroso i Afrika raha miezaka fotsiny hampiseho fa tsy mahantra. Mila famatsiam-bola dolara an-tapitrisa maromaro isika mba ho fanavaozana an'i Afrika. Mety ho sarotra ve izany? Eny tokoa, mety, saingy kosa tsy amin'ny fampiasana vola amin'ny resaka tranombiby an-tserasera  ao Silicon Valley.

Nanohy nilazalaza ny  Mfonobong Nsehe ao amin'ny lahatsoratra Forbes [11]:

Manana an'i Mark Zuckerbergs , Andrew Masons, Mark Pincuses, Larry Pages sy i Sergey Brins azy manokana i Afrika. Saingy tsy manana an'i Yuri Milners,John Doerrs, Vinod Khoslas ary i Y Combinators. […] Afaka manamboatra vokatra teknolojia avo lenta ny Afrikana izay mety hahavariana izao tontolo izao. Maro ireo mpandraharaha ivelany eto izay miandry fotsiny te-hamaky lalana, saingy tsy hahita mangirana mihitsy ny hevitr'izy ireo noho ny tsy fahampian'ny vola ampiasaina.

Nifarana tamin'ity fanamarihana nataon'i Dr John Preece [12] ity ny konferansa momba ny Africa Rising [13]:

Tsara sy manana ny hoaviny no fihetseham-po amin'ny ankapobeny, amin'ny fijery an'i Afrika amin'ny ankapobeny izay tsy mifanaraka amin'ny zavamisy eo amin'ny fitomboan-karena matanjaka sy ny fahaiza-mamorona miavaka (mampatsiahy ahy matetika an'i Hans Rosling nandritra ny TEDtalk izany: Hanova ny hevitrareo anie ny fijeriko).