28 Avrily 2011

Tantara tamin'ny 28 Avrily 2011

Mpanoratra Sy Mpandika Teny Asongadina: Asteris Masouras

  28 Avrily 2011

Anatin'ity tafatafa niarahana tamin'ny mpandray anjara amin'ny Global Voices ity, miresaka ny amin'ny fomba nanombohany nanoratra ho an'ny vohikala i lay mpanoratra sady mpandika teny, Asteris Masouras. Monina any Thessaloniki, Gresy, Asteris dia nanoratra ho an'ny Global Voices hatramin'ny 2008, mikasika an'i Gresy fireneny sy lohahevitra maro hafa eran'izao tontolo izao. Fanampin'izay, izy dia isan'ireo mpandika teny fototra ho an'ny vohikalantsika niforona tsy ela akory izay, Global Voices amin'ny fiteny Grika.

“Spambots” Twitter: Fomba Fiady Vaovao Mba Hampanginana Resaka

GV Mpisolovava  28 Avrily 2011

Ny 18 Aprily, nanoratra momba ireo “spambots” nikendry ny teny fototra #Syria mba hampanginana ny feo miantso, na mitatitra ireo fanoherana, i Anas Qtiesh. Raha nahasarika ny sain'ny maro ity tranga manokana ity, tao amin'ny Al Jazeera, Fast Company, sy tany an-toeran-kafa, dia tandindon'ny olana midadasika amin'ireo tambajotra sosialy izany:...

Okraina: Fitorahana Bilaogy Momba Ny Nofy

Rising Voices  28 Avrily 2011

Taorian'ny fampianarana momba ny fampiasàna ny mediam-bahoaka, mino ireo mafana fo avy ao anatin'ny Fikambanan'ireo Mpisolovavan'ny Fitsaboana Fanolo any Okraina [ru] ary mino fa mety ho fitaovana lehibe amin'ny fampahafantarana ny fitsaboana fanolo ny fitorahana bilaogy ary hiarovana ny zon'ny marary ny fitorahana bilaogy, sady fitaovana hanoratan'izy ireo momba ny fanantenany manokana sy ny nofinofiny.

Fanadihadihana Mikasika ny Fampandrosoana an'i Afrika

  28 Avrily 2011

Raha nanambara ny Banky Afrikana ho an'ny Fampandrosoana telo andro lasa izay fa nampidininy ny fikasana hampandroso an'i Afrika noho ny fikorontanana misy ao amin'ny faritra maro ao amin'ny kaotinanta, avo kokoa ny tahan'ny fiverenan'ny famatsiam-bola vahiny dia ambony kokoa ao Afrika noho ny an'ny firenana an-dalam-pandrosoana hafa. Ary mbola maro koa ny...

Pôrtô Rikô: Mitohy ny Adihevitra Momba ny Herisetra ao An-tokantrano

  28 Avrily 2011

Ao Portô Rikô, nangotraka ny adihevitra mikasika ny herisetra ao an-tokantrano. Bilaogy roa no nanaraka ny didy navoakan'ny Fitsarana an-tampony fa ireo iharan'ny herisetra ao anatin'ny fiarahana tsy ara-dalàna dia tsy voaaron'ny Lalàna 54 manohitra ny herisetra ao an-tokantrano. Ary vao haingana, ny fitsarana ambony ao San Juan (renivohitry ny firenena) no nanapa-kevitra fa tsy voaaron'ny Lalàna 54 ny vehivavy hafa niharan'ny herisetra tao an-tokantrano satria tsy ara-dalàna ny fiarahany tamin'ny olona nanao herisetra azy fa filàna ara-nofo fotsiny.