- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Madagasikara: Dia Eto Indray Isika Amin'ny Fanaovana Gaboraraka Ny Tany, Tsy Misy Mandraharaha

Sokajy: Afrika Mainty, Madagasikara, Fampandrosoana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fitantanam-pitondrana, Toekarena sy Fandraharahàna, Tontolo_iainana, Vaovao Mafana

Mitatitra ny  Tananews fa ny governemanta ao Madagasikara dia mampanofa tany mandritra ny 50 taona na mihoatra amin'ny sanda tena ambany dia ambany  $15 ny metatra toradroa isan-taona [1](fr) aminà mpandraharaha ara-pambolena Indiana (loharano: IndiaTimes [2]). Manontany tena ilay bilaogy ny amin'ny antony nahatonga ny tantara toy izany tsy mahataitra intsony na eo amin'ny firenena na any ivelany tahaka ilay iray hafa nalaza be, fampanofana tany saika hataon'ny  Daewoo [3] tamin'ny 2008 izay isan'ny nahatonga ny filoha teo aloha Ravalomanana niongana .