- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta: Mitolona Ho An'i Siria

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Libia, Syria, Fanoherana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Politika, Vaovao Mafana

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Tolona any Siria 2011 [1].

[2]

Mpitolona nanoloana ny masoivoho Siriana androany. Sary avy amin'i Hossam El Hamalawy

Maro ireo Ejiptiana nanatevin-daharana an'ireo mpianatra Siriana izay nitangorona nanoloana ny masoivoho Siriana ao Caire ho fanoherana ny famonoana mpitolona, ary niantso ho amin'ny fionganan'ny fitondràna Siriana entin'i Bashar Al Assad. Nihirahira ho firaisankina amin'ireo mpanao fihetsiketsehana Siriana ny mpitolona ary nivavaka ihany koa ho an'ireo namoy ny ainy nandritra ny tolona.

Lilian Wagdy, izay nanatrika ny tolona, dia mi-tweet [3]:

Vao tonga ato an-trano. Tiako ny fanahy nitondrana ny hetsika androany teo amin'ny masoivoho #Syrian. Tsy nisy tahotra izany, ary nanjaka ny rivotry ny firaisankina

Nanamarika [4] izy tao anatina tweet iray hafa:

olona 300 no aty amin'ny masoivoho #syrian ary heveriko fa mitovy isa ny Siriana sy ny Ejiptiana #egypt

Zeinobia, izay tao ivelan'ny masoivoho Siriana ihany koa, dia mizara ity horonantsary [5] ity mampiseho ny mpianatra Siriana any Caire mihirahira hoe (Ar): “Mialà! Mialà! Bashar!”

[6]

Mpitolona nanoloana ny masoivoho Siriana androany. Sary avy amin'i Hossam El Hamalawy

Ao amin'ny Twitter, manampy [7] i Zeinobia:

Nahafaly ahy tokoa ny tolon'i Siria androany tany Caire

Meena Mohy, izay tany koa, dia manampy [8] (Ar):

جماعة انا حاسة ان فى حالة من البجاحة و الغباء داوئتى ! السفير مشغل اغانى مؤيدة … انت حمار يا حمار ! #egypt #syria
Mahatsapa hadalana be aho izao. Mandefa hira amin'ny fanamafisam-peo ny Masoivoho ho fanohanana ny fitondràna. Tena ampondra ianao!

Ary i 3arabawy, fantatra koa hoe Hossam El Hamalawy dia mizara sary maromaro nalainy tany amin'ny tolona ato [9].

Ao amin'ny fandefasana lahatsary mivantana avy amin'ny finday, Bambuser, mizara lahatsary nataon'ny masoivoho Siriana avy amin'ilay tolona i Sherif Boraie [10]. Ny mpitolona dia mihirahira hoe (Ar): “Isan-tokantrano dia olon'afaka avokoa i Siria.”

Androany koa i Sarrah dia ni-tweet [11]:

Tolona teo amin'ny masoivohon'i #libya any Caire. Sainam-pirenena Libiana, Ejiptiana ary Siriana. Miaramila milahadahatra, làlana tapaka.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Tolona any Siria 2011 [1].