Yemen: Iray Maty, Maro no Naratra Tamin'ireo Hetsika Tao Taiz

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny  Hetsi-panoherana Yemen  2011.

Anjatony maro ireo mpanao fihetsiketsehana nidina an-dalambe tao  Taiz, Yemen, androany, nangataka ny hialàn'ny fitondran'i  Ali Abdullah Saleh. Araka ny tatitry ny Yemen Post, mpanao fihetsiketsehana iray no maty ary efatra no naratra noho ny tifitra tamin'ny bala tena izy rehefa nanafika ireo mpanao fihetsiketsehana ny tafika repoblikana.

Na teo aza ny orana, vehivavy, ankizy ary lehilahy maro no hita nitondra elo ary nanofahofa ny sainam-pireneny sady mizotra eny an-dalamben'i  Taiz.

multisal999 nampakatra lahatsary iray eto anehoana teo-javatra iray  avy eny amin'ny hetsika:

Avy eo, nivoaka tao amin'ny YouTube ny sarin'ireo mpanao fihetsiketsehana maty voatifitra.

TANDREMO: LAHATSARY MAHERISETRA

Ramzi2011100 nampakatra sary miserana misy ireo mpanao fihetsiketsehana milanja ireo mpanao fihetsiketsehana naratra eo am-piandohan'ity lahatsary ity. Miaraka amin'ny fanazavana toy izao manaraka izao ilay lahatsary nampakarina androany:

سقوط جرحئ في تعز برصاص الامن الحي الي استخدم امام مدرسة الشعب
Fahavoazana tany Taiz noho ny bala tena izy nampiasain'ny mpitandro filaminana teo anoloan'ny Sekoly Shaab

Ity lahatsary ity dia avy amin'i mufeed2022, mampiseho olona naratra teo amin'ny lohany nolanjaina, taorian'ny tifitra nataon'ny mpitandro filaminana. Ilay lahatsary dia mitondra ny lohateny hoe (Ar):

قوات امن على صالح تقتل احد المتظاهرين وتجرح اخرين تعز
“Namono mpanao fihetsiketsehana iray sy nandratra maro hafa tao Taiz ny tafik'i Ali Saleh.”

Ny teny fanolorana miaraka amin'ilay lahatsary dia mivaky hoe:

اليوم في تعز بالقرب من مدرسة الشعب بدء الجيش باطلاق النار على المتظاهرين وقتل احد المتظاهرين وذلك بعد خروج المتظاهرين ورفضهم لموافقة المعارضه على المبادره الخليجية .
المتظاهرين دائما كانو يعتقدون بان الجيش في حمايتهم ضد التعسف الامني من قبل قوات الامن المركزي والحرس الجمهوري التي اتضح انها اكذوبه
Androany tao Taiz, teo akaikin'ny Sekoly Shaab, nanomboka nitifitra ireo mpanao fihetsiketsehana ny miaramila, namono iray tamin'izy ireo, taorian'ny fidinana an-dalamben'ireo mpanao hetsika mandà ny naneken'ny mpanohitra ny tolokevitry ny Filankevitry ny Fiaraha-miasan'ny Golfa. Nihevitra hatrany ireo mpanao fihetsiketsehana fa niaro azy ireo ny tafika manoloana ny herisetran'ny polisy, sy ny herisetran'ny mpitandro filaminana, saingy nivadika ho toa lainga izany.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny  Hetsi-panoherana Yemen  2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.