25 Avrily 2011

Tantara tamin'ny 25 Avrily 2011

Thailandy: Hasorenana Noho Ireo Ankizivavy Tsy Nitafy Ny Tapany Ambony Nefa Nandihy

  25 Avrily 2011

Ny resabe tao Thailand tamin'ny herinandro lasa teo (talohan'ny ady sisintany indray nifanaovana tamin'ny tafika Kambaodziana) dia ny tantara be nateraky ny dihy nataon'ireo tovovay nampiseho nono nandritra ny Fetiben'ny Rano Songkran (Taom-baovao Thai). Ireo saripika sy lahatsarin' ireo tovovavy telo mandihy miboridana tapany ambony tao Silom, Bangkok dia niparitaka be avy hatrany sy niteraka adihevitra mavesatra be mikasika ny kolotsaina aman-toe-panahy Thai

Azia Afovoany: “Cyber Chaikhana,” Boky Nosoratan'Ireo Mpitoraka Bilaogy

  25 Avrily 2011

"Cyber Chaikhana" dia tetikasam-boky iray mikasika ireo mpitoraka bilaogy any Azia Afovoany sy ny fomba fahitàn'izy ireny ny any amin'ny faritra, ny kolotsaina sy ny fianana andavanandro. Natontan'i Christopher Schwartz sy navoakan'i HIVOS, ilay boky dia fantina an'ireo fitantarana nosoratan'ireo mpitoraka bilaogy ao amin'ny NewEurasia.net, ilay tambajotra fitorahana bilaogy ao Azia Afovoany. Ny tanjon'ilay tetikasa dia ny sady hahazo mpamaky betsaka na ao Azia Afovoany (miteny Rosiana), na manerantany