- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tontolo Arabo: momba ny Revolisiona sy ny Kapitalisma

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Fanoherana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Hehy, Mediam-bahoaka, Politika, Toekarena sy Fandraharahàna, Tontolo_iainana
Screen shot of @_Capitalism_ Twitter page

pikantsarin'ny takelaka Twitter an-i @_Capitalism_

Nandritra ny andro vitsivitsy, naparitako indray ny hevitra mamirapiratr'i @_Capitalism_ [1] mpisera ao amin'ny Twitter. Indreto misy eritreritra sendra nandalo resahiny momba ny revolisiona arabo.

Tamin'ny 6 Aprily 6, nikaonfesy [2] i Kapitalisma :

Izaho no  kapitalisma ary omena karama tsara sy mahazo valisoa lehibe sy voakolokolo tsara ny manampahiazanareo hany ka mankaloiloy azy ihany koa ny revolisiona.

Tamin'ny 9 Aprily , dia nanaiky izy [3]:

Izaho no kapitalisma ary mampididoza ny revolisiona Arabo satria manimba ny fomba hoe velon'ny kabary ny vahoaka noana.

Tamin'ny 13 Aprily, ni-tweet [4] i Kapitalisma :

Mampididoza ny revolisiona Arabo satria nahomby io tamin'ny fampiarahana ny sarambambe sy ny teknolojia ho vatana tsy-kapitalista.

Ny ampitso, nampiany [5]:

Izaho no kapitalisma ary mampididoza ny revolisiona Arabo satria noporofoiny fa mbola misy ny ambony kokoa noho ny fangoronan-drenivola (harena).

Ny 21 Aprily , nohazavainy [6]:

Mampididoza ny Revolisiona Arabo satria porofoiny fa tsy misy ny zavatra tahaka izao amin'ny firenena tratra aoriana rehea tonga ny revolisiona.

ka notohizany [7]:

Izaho ny kapitalisma ary nandany ny 40 taona farany aho manondro ny Arabo ho fanatika mba hahazoako solika mora avy amin'izy ireo.

ary niaiky [8]:

Izaho no kapitalisma ary ataoko fa tsy maintsy azonao ny mahatonga anay manao izay hahamora ny angovo ka ataonay izay mahatonga ny mpanao didi-jadona eto Afovoany Atsinanana ho eo amin'ny fitondrana!

Iny andro iny ihany, i Kapitalisma dia nahatsiaro nanenina ihany indraindray [9]:

Izaho no kapitalisma ary miala tsiny aho raha nanome miliara dolara vitsivitsy isan-taona amin'i Mubarak sy ny namany mahatoky mba hahafahany mampijaly ny vahoakany

ka nampiany [10]:

Izaho no kapitalisma ary ny revolisiona Arabo dia porofon'ny maha-lamaody antitra sy vendrana ny hevitra momba ny firenena misy sisintany sy tafika ary mpanapaka ao aminy.

ary nampahatsiaroviny antsika [11]:

Izaho no kapitalisma ary nataoko ny tavohangina baomba mandatsa-dranomaso hamely ny mpitokona, satria tiako ny mijery ny mpanao fihetsiketsehana hitomany! Miverena amin'izay miasa izao.

Ny 22 Aprily, niresaka momba ny fandraharahana indray izy amin'ny kaofesy vaovao [12]:

Nahavita fifanarahana tamin'ny mpanao didi-jadona eto Afovoany Atsinanana rehetra aho, miantoka izy ireo fa hataony mora ny solika ary miantoka azy ireo aho fa afa-mampijaly ny vahoakany fotoana maharitra dia maharitra

narahin'ny [13]:

Izaho no kapitalisma ary azonareo antoka fa ho anareo ny Ejipta-nareo saingy tsy maintsy avelanareo ho ahy samirery ireo dobon-tsolika mahafinaritra eny amin'ny heli-drano (sao hoe heliky ny rano tokoa fa tsy hoe helodrano?) ireo!

Androany, nanaiky ny zavamisy voamarina [14] i Kapitalisma raha nanoratra:

Mampididoza ny revolisiona Arabo fa manery ny kapitalista rehetra manerantany tsy hieritreritra vola be loatra fa mba atao maro kokoa ny olona miangana.

Raha te-hahita eritreritra mahatonga saina sy daozy mahery kokoa dia araho ny kaonty Twitter efa voasoratra etsy ambony.