Nandritra ny andro vitsivitsy, naparitako indray ny hevitra mamirapiratr'i @_Capitalism_ mpisera ao amin'ny Twitter. Indreto misy eritreritra sendra nandalo resahiny momba ny revolisiona arabo.
Tamin'ny 6 Aprily 6, nikaonfesy i Kapitalisma :
Izaho no kapitalisma ary omena karama tsara sy mahazo valisoa lehibe sy voakolokolo tsara ny manampahiazanareo hany ka mankaloiloy azy ihany koa ny revolisiona.
Tamin'ny 9 Aprily , dia nanaiky izy:
Izaho no kapitalisma ary mampididoza ny revolisiona Arabo satria manimba ny fomba hoe velon'ny kabary ny vahoaka noana.
Tamin'ny 13 Aprily, ni-tweet i Kapitalisma :
Mampididoza ny revolisiona Arabo satria nahomby io tamin'ny fampiarahana ny sarambambe sy ny teknolojia ho vatana tsy-kapitalista.
Ny ampitso, nampiany:
Izaho no kapitalisma ary mampididoza ny revolisiona Arabo satria noporofoiny fa mbola misy ny ambony kokoa noho ny fangoronan-drenivola (harena).
Ny 21 Aprily , nohazavainy:
Mampididoza ny Revolisiona Arabo satria porofoiny fa tsy misy ny zavatra tahaka izao amin'ny firenena tratra aoriana rehea tonga ny revolisiona.
ka notohizany:
Izaho ny kapitalisma ary nandany ny 40 taona farany aho manondro ny Arabo ho fanatika mba hahazoako solika mora avy amin'izy ireo.
ary niaiky:
Izaho no kapitalisma ary ataoko fa tsy maintsy azonao ny mahatonga anay manao izay hahamora ny angovo ka ataonay izay mahatonga ny mpanao didi-jadona eto Afovoany Atsinanana ho eo amin'ny fitondrana!
Iny andro iny ihany, i Kapitalisma dia nahatsiaro nanenina ihany indraindray:
Izaho no kapitalisma ary miala tsiny aho raha nanome miliara dolara vitsivitsy isan-taona amin'i Mubarak sy ny namany mahatoky mba hahafahany mampijaly ny vahoakany
ka nampiany:
Izaho no kapitalisma ary ny revolisiona Arabo dia porofon'ny maha-lamaody antitra sy vendrana ny hevitra momba ny firenena misy sisintany sy tafika ary mpanapaka ao aminy.
ary nampahatsiaroviny antsika:
Izaho no kapitalisma ary nataoko ny tavohangina baomba mandatsa-dranomaso hamely ny mpitokona, satria tiako ny mijery ny mpanao fihetsiketsehana hitomany! Miverena amin'izay miasa izao.
Ny 22 Aprily, niresaka momba ny fandraharahana indray izy amin'ny kaofesy vaovao:
Nahavita fifanarahana tamin'ny mpanao didi-jadona eto Afovoany Atsinanana rehetra aho, miantoka izy ireo fa hataony mora ny solika ary miantoka azy ireo aho fa afa-mampijaly ny vahoakany fotoana maharitra dia maharitra
Izaho no kapitalisma ary azonareo antoka fa ho anareo ny Ejipta-nareo saingy tsy maintsy avelanareo ho ahy samirery ireo dobon-tsolika mahafinaritra eny amin'ny heli-drano (sao hoe heliky ny rano tokoa fa tsy hoe helodrano?) ireo!
Androany, nanaiky ny zavamisy voamarina i Kapitalisma raha nanoratra:
Mampididoza ny revolisiona Arabo fa manery ny kapitalista rehetra manerantany tsy hieritreritra vola be loatra fa mba atao maro kokoa ny olona miangana.
Raha te-hahita eritreritra mahatonga saina sy daozy mahery kokoa dia araho ny kaonty Twitter efa voasoratra etsy ambony.