- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Yemen: Fihetsiketsehana Mahery Vaika Tamin'ny “Zoma Ala-nenina Farany”

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Yemen, Fanoherana, Politika, Vaovao Mafana

Mpanao fihetsiketsehana an-tapitrisany no nameno ny kianjan'ny  Sanaa sy i Taiz, mba hitaky ny fialan'ny fitondrana  Ali Abdulla Saleh. Izay nantsoina hoe  Zoma ala-nenina farany , vonona ny hanongana an'i  Saleh izy ireo, izay nitondra an'i Yemen nandritra ny  32 taona.

Nanamarika ny fanohanana feno ny fihetsiketsehana lehibe androany ny herinandro manontolo, izay tsy nandiso ny fanantenan'ireo mpijery akaiky. Fiheverana sasany no nilaza fa an-hetsiny ireo  nidina an-dalambe mba hanohitra ny fitondrana.

Tao Yemen, @al3ini nizara [1] ity sary ity izay mampiseho vahoaka an'arivony tao amin'ny renivohitra Sanaa:

Millions at 60th Street in the capital Sanaa

An-tapitrasany tao amin-ny Lalana faha-60 ao an-drenivohitra Sanaa

Ni- tweet izy hoe:

Jereo ity! Ity no Zoma Ala-nenina farany ao #Sanaa #YEMEN #YF http://t.co/d7KxNZA

Ao Dubai, Iyad El-Baghdadi nanampy [2] hoe:

Tsara izany – fihetsiketsehana tao Taiz #Yemen izay  efa mahatratra “eo ho eo amin'ny an-tapitrasany eo” ankehitriny ny isany!

Ary i Muna, avy any@ArabsUnite, nizara ity [3] sarina vehivavy mpanao fihetsiketsehana tao Yemen ity ary nanoratra izy hoe:

Vehivavin'i Sanaa — Tanora sy antitra. #Yemen mikasa #Saleh mba ho AFAKA http://twitpic.com/4o13ak

Mpanao gazety Iona Craig, izay nitatitra tao Yemen, ni-tweet [4] hoe:

Niala ny kianjan'ny fanovana ireo mpanao fihetsiketsehana ho amin'ny vavaka “Zoma Ala-nenina Farany” ary nandeha tamin'ny lalana 60m, miparitaka mihoatra noho ny  maily iray: http://bit.ly/e7DfFE #yemen

Ary ao amin'ny  bilaoginy [5], nandefa sary notsongaina nandritra ny andro izy ary nilaza hoe:

Voalohany ny mpanao fihetsiketsehana manohitra ny governemanta no nandao ny  sit-in ho amin'ny vavaka “Zoma Ala-nenina Farany” ary nandray ny làlan-dehibe misy làlana izay 60 metatra ny sakany, izay miely mihoatra ny maily iray.

Teny an-dalana dia nikabary tamin'ny mpanohana azy an'arivony ny Filoha Saleh nandritra ny fihetsiketsehana  izay efa mahazatra ao an-drenivohitra ankehitriny.

Avy eo tonga ny vaovao momba ireo niharam-boina, izay efa mahazatra isaky ny misy fihetsiketsehana. Yemen Revolution ni-tweet [6]:

#yemen حجه : سقوط أول شهيد وأسمه : عبدالحميد حزيت وعمرة 15 سنه رحمه الله عليه http://fb.me/LFVgYEVe
Hujja: Lavo ny martiora voalohany. Ny anarany dia i Abdulhameed Huzait ary 15 taona izy. Hamindra fo azy anie i  Allah.

Tao Sanaa, alymene1 nizarany horonantsariny [7], tamin'ny vavaka androany Zoma:

Ary ao amin'ny Twitter, Hamoud Saleh tao amin'io horonantsary io ihany  nitsikera [8] hoe (Ar):

قرابة 2 مليون في شارع الستين يرددون بصوت واحد: الشعب يريد إسقاط النظام – youtube.com/watch?v=fKWzWE… #Yemen #Egypt #Libya #Syria #Tunisia
Manodidina ny roa tapitrisa  ny vahoaka ao amin'ny Làlana faha-60, miantsoantso amin'ny feo iray: Te hanongana ny fitondrana ny vahoaka

Tao Al Baida, ao Yemen, Albaidanews nizara ity Lahatsary an-kira [9] tamin'ny vavaka Zoma ity, nampiseho ireo vahoaka tsy voatanisa androany:

Nandritra izany, nizara lahatsary [10] avy tao amin'ny Al Jazeera i Egyps, tao amin'ny Làlana faha-70 tao Sanaa, izay mampiseho an'i Saleh manao fanambarana tamin'ireo mpanohana tao, nandray ny tetikasa avy amin'ny Gulf Cooperation Council (GCC) na vaomieran'ny fiaraha-miasa ao amin'ny helodrano momba ny fitondrana tetezamita mandritra ny telo volana izy. Nanampy an'i Saleh , ny fianakaviany sy ny mpanolo-tsainany, momba ny tombotsoa amin'ny fanenjehanany tetikasa.

Ahitana ny Bahrain, Arabie Saoudite, Koweit, Qatar, Oman sy Arabe-Unis Emirates ny vaomieran'ny fiaraha-miasa ao amin'ny helodrano.