- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Azia Afovoany: Hevitra sy zava-baovaon'ny BarCamp

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Kazakhstan, Kyrgyzstan, Ozbekistan, Hevitra, Media sy Fanoratan-gazety, Tanora, Teknolojia

BarCamp ao Azia Afovoany, valandresaka tsy miresa-barotra faha-efatra  ho an'ireo za-draharaha amin'ny valan-tserasera no natao [1] tao Almaty, Kazakhstan, ny 15-17 Aprily 2011, ka nahavory ireo mpanao gazety, bilaogera, manam-pahaizana manokana momba ny TIC ,  mpikirakira ny web sy ireo rehetra izay liana amin'ny Aterineto sy ny fomba vaovao fampitam-baovao.

Zava-baovao ny BarCamp. Tao Palo Alto no natao ny BarCamp voalohany [2] , ary tao California ny taona 2005 izay nahitana mpandray anjara 200. Nanomboka hatreo, nisy hatrany ny BarCamps notontosaina tany an-tanandehibe maherin'ny 350 manerana izao tontolo izao, tafiditra ao anatin'izany i Azia Afovoany.

Notontosaina tamin'ny taona 2008 tao Bishkek ny BarCamp voalohany tao Azia Afovoany, Kyrgyzstan ary nahavory manam-pahaizana manokana 250 avy ao Azia Afovoany sy firenen-kafa. Natao tao Almaty tamin'ny taona 2009 sy 2010 ny konferansa faha-roa sy fahatelo. Nitombo hatrany foana ny isan'ireo mpandray anjara.

BarCamp Central Asia logo [3]

BarCamp Azia Afovoany ( logo)

Tamin'ity taona ity, nokarakaraina tao Almaty ny BarCamp tao Azia Afovoany. Olona eo amin'ny 1500 no voaraikitra tao amin'ny tranokala [1], ary eo ho eo amin'ny 600 amin'ireo no nandray anjara tamin'ny hetsika fa ny hafa kosa nanaraka izany tao amin'ny Facebook [4] sy Twitter [5] (#barcampca11, #barcampca2011). Raha avy amin'ny firenena Azia Afovoany ny ankamaron'ny mpandray anjara (Kazakhstan, Kyrgyzstan sy i Uzbekistan), manam-pahaizana manokana momba ny TIC sy manam-pahaizana momba ny  valan-tserasera avy any Rosia, dia mba nandray anjara tamin'ny hetsika koa i Eoropa Andrefana sy Atsinanana.

Ireo adihevitra misokatra mikasika ny fampianarana nomerika ny lohahevitra nandritra ny fotoam-pivoriana sy ny fampahafantarana, ao ny fomba vaovao amin'ny fampiasana finday, ny fampandrosoana ny valan-tserasera, ny cyber-sécurité, ny tetikasa crowdsoursing (fifarimbonan'ny rehetra), ny startups, ary ny antontan'isa amin'ny Aterineto, sns.

Ohatra, nandritra ny  BarCamp TechTalk momba ny fampianarana nomerika , fanontaniana mikasika ny fahasamihafan'ny fampitam-baovaon'olo-tsotra sy ny asan-gazety mahazatra ary koa ny asa sahanin'ny valan-tserasera no navoitra. Iray tamin'ireo nandray anjara tamin'ny adihevitra i Frederick Emrich [6], mpampianatra mpanampy izay mampianatra ny asa fanaovan-gazety sy ny fifandraisana ao amin'ny Sekoly ambony momba ny fitantanana, toekarena ary fikarohana stratejika ao  Kazakhstan, nilaza izy fa mikasa ny hampiditra fitaovana ampiasaina amin'ny fampitam-baovao vaovao amin'ny fampianarany momba ny gazety mahazatra:

Mahatonga ny mpianatra haneho hevitra ivelan'ny fianarana ny fampidirana teknolojia amin'ny fanaovan-gazety vaovao. Manome azy ireo saina tia karokaroka izany.

Emrick namaly ny fanontaniana  mba hamantarana raha mila fahaizana manokana ireo mpianatra ahafahany miasa toy ny olon-tsotra manao gazety:

Marina tokoa. Fa tsy hoe ilaina ny misy fampianarana ambony eo amin'ny sehatry ny tontolo fanaovan-gazety, fa mila kosa fisokafana amin'izao tontolo izay mety azo eny anivon'ny oniversité. Fanampin'izany, tokony hanana fahalalana teknika ny olona sy fampiasana fitaovana amin'ny fanaovan-gazety an-tserasera.

Nanampy koa izy hoe:

Fahafahan'ny olona tsirairay avy mandray anjara amin'ny resadresaka no hery lehibe amin'ny asa fanaovan-gazety vaovao. Inoako fa hitohy ny fitiavana izany. Tsy fantatro raha fampahalalam-baovao na tsia, saingy manana ny lanjany lehibe izany ary mendrika ny hotohanana.

Ny serasera marolafy (Multimedia) sy ny hevitra ho an'ny asa fanaovan-gazety vaovao no niadian-kevitra nandritra ny fampahafantarana ny N [7]ewreporter.org [8], izay tetikasa aterineto mikasika ny fampahalalam-baovao ho fitadiavam-bola sy fampahalalam-baovao an-tserasera. Afaka jerena eto [9] ny fandikan-teny an-tserasera momba ny fampahafantarana

Mety maharakotra ny lohahevi-dehibe rehetra ny valandresaka momba ny teknolojian'ny aterineto sy ny asa fanaovan-gazety vaovao raha tsy iadian-kevitra ny fiarovana ny serasera sy ny fitaovana ilaina. Araka izany, Alexey Bebinov, manam-pahaizana manokana momba ny cyber-sécurité (fiarovana an-tserasera) an'ny fikambanana manao asa soa (fondation) “ Andraikitra Raisin'ny Olom-pirenena momba ny Politikan'ny Aterineto” (CIIP)[Initiative citoyenne pour les politiques concerant Internet] no nampahafantatra ny fitaovana sy ny paikady amin'ny fiarovana ny serasera (aterineto). Etsy andaniny, niady hevitra momba ny tombotsoa amin'ny fampiasana ireo fitaovana toy ny Security In The Box [10]Hot Spot Shield [11](mpanjifa VPN), Tor Browser Bundle [12],Psiphon [13] ireo mpandray anjara tamin'ny atrikasa.

[14]

Global Voices tao amin'ny fandaharam-potoana BarCamp Asia Afovoany, sarin'i Alexey Sidorenko

Nampahafantarin'i Alexey Sidorenko [15] ny Global Voices, mpanoratra ny tetikasa RuNet Echo sy i Adil Nurmakov [16], mpanoratra GV Azia Afovoany.

Raha teo am-pandrenesana ny fampahafantarana tao amin'ny Global Voices @BioCyberGear [17] nanoratra [18] hoe:

Global voices переводят блоги на разные языки! У них виртуальное сообщество из 300 переводчиков!#barcampca11 [19]

Global voices mandika bilaogy amin'ny fiteny maro samihafa! Miisa 300 ireo mpandika teny ao amin'ny fikambanana!#barcampca11 [19]

Toa manintona mpamaky sy bilaogera marobe ao Azia Afovoany ny Global Voices . Ohatra, @iTengry [20] nanoratra [21] hoe:

Tahaka ny mahaliana ahy ny ataon'ny Global Voices Online, hojereko ataiky kokoa ny momba azy io.  #barcampca11 [19]

Global Voices Online — кажется интересный сервис, нужно на него обратить внимание. #barcampca11 [19]

Toa mahaliana ny Global Voices Online, andeha mba hamaky mandrakariva izany aho.  #barcampca11 [19]

Mpampiasa @lemime [22]nanoratra hoe:

Хорошая презентация про Глобал Воис! Интересный сервис. Надо бы его получше изучить. Интересная площадка для блогеров#barcampca11 [19]

Fampahafantarana mahafinaritra momba ny Global Voices! zava-mahaliana. Tokony hianatra hahafantatra bebe kokoa ny momba azy aho. Fikambanana bilaogy mahaliana #barcampca11
People taking photos during the presentation on Global Voices. Image by Ekaterina. [23]

Olona maka sary nandritra ny fampahafantarana ny Global Voices. Sarin'i Ekaterina.

Indreto fihetseham-po amin'ny ankapobeny avy amin'ireo mpandray anjara sasany tamin'ny BarCamp:

@mervlad [24]:

Спасибо #barcampca11 [19] за старых и новых знакомых. Организация на отлично, @mursya_ru [25] @Agnesa [26] и К молодчинки!

Misaotra #barcampca11 [19] noho ny fihaonana tamin'ny olona vaovao ary fahitana ireo namana taloha. Nandeha tsara ny zava-drehetra, @mursya_ru [25] @Agnesa [26] sy ny ekipany – asa tena tsara!

@chaals [27]:

Tontosa ny atrikasa Super-speedy Widget, tontosa ny fanitarana tao anatin'ny minitra fohy, ka fotoana ankehitriny hialana sasatra sy mankafy ny tohin'ny #barcampca11 [19]🙂 (ary miasa…)