Azia Afovoany: Hevitra sy zava-baovaon'ny BarCamp
BarCamp ao Azia Afovoany, valandresaka tsy miresa-barotra faha-efatra ho an'ireo za-draharaha amin'ny valan-tserasera no natao tao Almaty, Kazakhstan, ny 15-17 Aprily 2011, ka nahavory ireo mpanao gazety, bilaogera, manam-pahaizana manokana momba ny TIC , mpikirakira ny web sy ireo rehetra izay liana amin'ny Aterineto sy ny fomba vaovao fampitam-baovao.
Zava-baovao ny BarCamp. Tao Palo Alto no natao ny BarCamp voalohany , ary tao California ny taona 2005 izay nahitana mpandray anjara 200. Nanomboka hatreo, nisy hatrany ny BarCamps notontosaina tany an-tanandehibe maherin'ny 350 manerana izao tontolo izao, tafiditra ao anatin'izany i Azia Afovoany.
Notontosaina tamin'ny taona 2008 tao Bishkek ny BarCamp voalohany tao Azia Afovoany, Kyrgyzstan ary nahavory manam-pahaizana manokana 250 avy ao Azia Afovoany sy firenen-kafa. Natao tao Almaty tamin'ny taona 2009 sy 2010 ny konferansa faha-roa sy fahatelo. Nitombo hatrany foana ny isan'ireo mpandray anjara.
Tamin'ity taona ity, nokarakaraina tao Almaty ny BarCamp tao Azia Afovoany. Olona eo amin'ny 1500 no voaraikitra tao amin'ny tranokala, ary eo ho eo amin'ny 600 amin'ireo no nandray anjara tamin'ny hetsika fa ny hafa kosa nanaraka izany tao amin'ny Facebook sy Twitter (#barcampca11, #barcampca2011). Raha avy amin'ny firenena Azia Afovoany ny ankamaron'ny mpandray anjara (Kazakhstan, Kyrgyzstan sy i Uzbekistan), manam-pahaizana manokana momba ny TIC sy manam-pahaizana momba ny valan-tserasera avy any Rosia, dia mba nandray anjara tamin'ny hetsika koa i Eoropa Andrefana sy Atsinanana.
Ireo adihevitra misokatra mikasika ny fampianarana nomerika ny lohahevitra nandritra ny fotoam-pivoriana sy ny fampahafantarana, ao ny fomba vaovao amin'ny fampiasana finday, ny fampandrosoana ny valan-tserasera, ny cyber-sécurité, ny tetikasa crowdsoursing (fifarimbonan'ny rehetra), ny startups, ary ny antontan'isa amin'ny Aterineto, sns.
Ohatra, nandritra ny BarCamp TechTalk momba ny fampianarana nomerika , fanontaniana mikasika ny fahasamihafan'ny fampitam-baovaon'olo-tsotra sy ny asan-gazety mahazatra ary koa ny asa sahanin'ny valan-tserasera no navoitra. Iray tamin'ireo nandray anjara tamin'ny adihevitra i Frederick Emrich, mpampianatra mpanampy izay mampianatra ny asa fanaovan-gazety sy ny fifandraisana ao amin'ny Sekoly ambony momba ny fitantanana, toekarena ary fikarohana stratejika ao Kazakhstan, nilaza izy fa mikasa ny hampiditra fitaovana ampiasaina amin'ny fampitam-baovao vaovao amin'ny fampianarany momba ny gazety mahazatra:
Mahatonga ny mpianatra haneho hevitra ivelan'ny fianarana ny fampidirana teknolojia amin'ny fanaovan-gazety vaovao. Manome azy ireo saina tia karokaroka izany.
Emrick namaly ny fanontaniana mba hamantarana raha mila fahaizana manokana ireo mpianatra ahafahany miasa toy ny olon-tsotra manao gazety:
Marina tokoa. Fa tsy hoe ilaina ny misy fampianarana ambony eo amin'ny sehatry ny tontolo fanaovan-gazety, fa mila kosa fisokafana amin'izao tontolo izay mety azo eny anivon'ny oniversité. Fanampin'izany, tokony hanana fahalalana teknika ny olona sy fampiasana fitaovana amin'ny fanaovan-gazety an-tserasera.
Nanampy koa izy hoe:
Fahafahan'ny olona tsirairay avy mandray anjara amin'ny resadresaka no hery lehibe amin'ny asa fanaovan-gazety vaovao. Inoako fa hitohy ny fitiavana izany. Tsy fantatro raha fampahalalam-baovao na tsia, saingy manana ny lanjany lehibe izany ary mendrika ny hotohanana.
Ny serasera marolafy (Multimedia) sy ny hevitra ho an'ny asa fanaovan-gazety vaovao no niadian-kevitra nandritra ny fampahafantarana ny Newreporter.org, izay tetikasa aterineto mikasika ny fampahalalam-baovao ho fitadiavam-bola sy fampahalalam-baovao an-tserasera. Afaka jerena eto ny fandikan-teny an-tserasera momba ny fampahafantarana
Mety maharakotra ny lohahevi-dehibe rehetra ny valandresaka momba ny teknolojian'ny aterineto sy ny asa fanaovan-gazety vaovao raha tsy iadian-kevitra ny fiarovana ny serasera sy ny fitaovana ilaina. Araka izany, Alexey Bebinov, manam-pahaizana manokana momba ny cyber-sécurité (fiarovana an-tserasera) an'ny fikambanana manao asa soa (fondation) “ Andraikitra Raisin'ny Olom-pirenena momba ny Politikan'ny Aterineto” (CIIP)[Initiative citoyenne pour les politiques concerant Internet] no nampahafantatra ny fitaovana sy ny paikady amin'ny fiarovana ny serasera (aterineto). Etsy andaniny, niady hevitra momba ny tombotsoa amin'ny fampiasana ireo fitaovana toy ny Security In The Box, Hot Spot Shield(mpanjifa VPN), Tor Browser Bundle,Psiphon ireo mpandray anjara tamin'ny atrikasa.
Nampahafantarin'i Alexey Sidorenko ny Global Voices, mpanoratra ny tetikasa RuNet Echo sy i Adil Nurmakov, mpanoratra GV Azia Afovoany.
Raha teo am-pandrenesana ny fampahafantarana tao amin'ny Global Voices @BioCyberGear nanoratra hoe:
Global voices переводят блоги на разные языки! У них виртуальное сообщество из 300 переводчиков!#barcampca11
Toa manintona mpamaky sy bilaogera marobe ao Azia Afovoany ny Global Voices . Ohatra, @iTengry nanoratra hoe:
Tahaka ny mahaliana ahy ny ataon'ny Global Voices Online, hojereko ataiky kokoa ny momba azy io. #barcampca11
Global Voices Online — кажется интересный сервис, нужно на него обратить внимание. #barcampca11
Mpampiasa @lemime nanoratra hoe:
Хорошая презентация про Глобал Воис! Интересный сервис. Надо бы его получше изучить. Интересная площадка для блогеров#barcampca11
Indreto fihetseham-po amin'ny ankapobeny avy amin'ireo mpandray anjara sasany tamin'ny BarCamp:
@mervlad:
Спасибо #barcampca11 за старых и новых знакомых. Организация на отлично, @mursya_ru @Agnesa и К молодчинки!
@chaals:
Tontosa ny atrikasa Super-speedy Widget, tontosa ny fanitarana tao anatin'ny minitra fohy, ka fotoana ankehitriny hialana sasatra sy mankafy ny tohin'ny #barcampca11🙂 (ary miasa…)
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...