Madagasikara: Endrika sy habe samihafan'ny sivana

Ny mpamaham-bolongana Achille52 no mamahavaha ny zavamisy iainan'ny fampahalalam-baovao sy ny fahalalaham-pitenenana eto Madagasikara (fr), izay amoahany amin'ny antsipiriany ny fomba anelingelenana isankarazany ny mpamaham-bolongana (izay efa nohazavain'ny tatitry ny  Amnesty International ihany koa). Nambarany ihany koa fa nakatony tsy ho hitan'ny olona ny bolongany rehefa nisy manamboninahitra polisy nilaza taminy fa misy olona mikaroka ny adiresiny taorian'ny namoahany an-dahatsoratra ireo olona vitsivitsy tafiditra anaty raharaha maizina maro isan-karazany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.