- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Syria: Lalàna Amin'ny Tany Misahotaka Naato,Mitohy Hatrany Kosa Ny Hetsi-Panoherana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Syria, Ady & Fifandirana, Fanoherana, Vaovao Mafana

Tany Syria, nifamahofaho be ihany ny fandraisana ny fanambaràna  nataon'ny  Filoha Bashar Al-Assad androany nilazany ny fiafaràn'ny fepetra fanao amin'ny tany misahotaka izay efa nihatra teo amin'ny firenena hatramin'ny 1963. Nandalo herinandro maro nisianà hetsi-panoherana ny firenena, ary maro tamin'ireny no nisedra herisetra mahafaty avy tamin'ny mpitandro filaminana ofisialy. Tamin'ny Alahady, taorian'ny  kabary iray [1] nampanantenàn'ny Filoha Assad ny hampitsaharana ilay lalàna, 14 no mpanao fihetsiketsehana voalazan'ny tatitra fa maty tany an-tanànan'i Homs [2].

Ny fiafaran'ilay lalàna amin'ny tany misahotaka [3] dia taorian'ny hafatra maro mifamahofaho, nangatahana ny hanajanonan'ireo mpanao fihetsiketsehana ny hetsiny, tahaka ny anamariha [4]n'i Cal Perry,  mpanao gazety avy amin'ny Al Jazeera azy:

Miteny aminay ny olona any #Deraa fa sahiran-tsaina ry zareo noho ireo hafatra mifamahofaho. Nesorina ny fepetra amin'ny tany misahotaka saingy ny Ministeran'ny Atitany dia mandràra ny olona tsy hanao hetsi-panoherana.

Ireo hafatra mifamahofaho ao amin'ny Twitter avy amin'ireo Siriana dia ampahany amin'ny fanehoan-kevitra noho ny hetsi-panoherana tamin'ity androany ity, ka tao anatin'izany dia voadaroka ireo mpianatra ho mpitsabo avy amin'ny Anjerimanontolon'i Damaskaosy,  taorian'ny nandraisan'izy ireo anjara taminà hetsika am-pilaminana iray. Ao anatin'ity lahatsary iray eto ambany ity, hita manofahofa voninkazo eny ambony loha ireo mpianatra:

http://www.youtube.com/watch?v=IdqHHKd3vDA [5]

Ao amin'ny  Twitter, Yazan Badran  (@yazanbadran) dia manamarika esoeso [6]:

Eh, andraso, andraso, andraso. Ny zavatra farany nataon-dry zareo androany talohan'ny nanafoanana ilay lalàna amin'ny tany misahotaka dia ny fidarohana mpianatra ho mpitsabo manofahofa voninkazo ve? #irony

@Basma_dia nizara fanehoan-kevitra tsy misy hafa amin'izay [7]:

Eh, amin'izao lalàna amin'ny tany misahotaka nofoanana izao: raha amin'izao ireo mpianatra avy ao #damascus no manao fihetsiketsehana fa tsy ora roa lasa izay, mety ho any amin'ny toeram-pitsaboana ve no hiafaran-dry zareo? #syria

Rime Allaf (@rallaf) mahita [8] fa bitika ihany ilay fihetsika nataon'ny Filoha, tara loatra:

Mahatsikaiky: 1 volana monja izay, raha tamin'izany no nofoanana ny lalàna miaramila dia mety ho nisy lanjany & naharavo ny olona. http://bit.ly/gCzlZt [9] #Syria

@Seleucid dia fanina [10] amin'ity toe-draharaha ity:

Mahatonga ahy hisalebolebo ilay fiovàna tampoka tamin'ny politika ofisialy Siriana.

Saingy tsy resy lahatra amin'ilay fiovàna i @Shantal7afana, ka dia manazava ilay lalàna [11] ho an'ireo mpanjohy :

للتوضيح فقط: حالة الطوارئ لم ترفع بعد كما فهم البعض.. بل تم توقيع “مسودة مشروع” لإلغاء حالة الطوارئ #Syria #Freedom
Ho fanazavàna fotsiny: Ny fepetra fanao amin'ny tany misahotaka dia tsy hoe nesorina araka izay andraisan'ny sasany aminareo azy…misy volavolan-dalàna iray nosoniavina mba hanesorana ny fepetra fanao amin'ny tany misahotaka v>

Mandritra izany, ary na teo aza ny fampanantenana fanovàna, mitohy ny hetsi-panoherana, hoy ny Sky News mitatitra.

Sarin'ny sainam-pirenena Siriana avy amin'i Samuele Ghilardi [12], nampiasàna ny Creative Commons CC BY-NC-ND 2.0 license [13].