- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Cote d'Ivoire : Mbola mitohy ny herisetra na dia efa voasambotra aza i Gbagbo

Sokajy: Afrika Mainty, Cote d'Ivoire, Ady & Fifandirana, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Vonjy Voina, Zon'olombelona

Taorian'ny fisamborana [1] azy ny 11 aprily 2011 lasa teo, niparitaka tamin'ny aterineto sy ny gazety iraisam-pirenena ny sarin'ny Filohan'i Cote d'Ivoire teo aloha Laurent Gbagbo [2] sy ny vadiny ary ny manodidina [3] azy.

Sary iray manokana no niteraka fihetseham-po mahery vaika: ilay mpanao gazety Israël Yoroba, izay miasa ao amin'ny TV5 any Abidjan, no namoaka [4] tamin'ny  Facebook ity sarin'i Simone Gbagbo ity, ny andro nisamborana an'i  Laurent Gbagbo niaraka tamin'ny vadiny:

Simone Gbagbo surrounded by Republican Forces at Hotel du Golf in Abidjan, Côte d'Ivoire. Posted by Israël Yoroba on Facebook. [5]

Simone Gbagbo nohodidinin'ireo Tafika Repoblikana tao amin'ny Hotely Golf ao Abidjan, Cote d'Ivoire. Sary navoakan'i Israël Yoroba tao amin'ny Facebook.

Efa maherin'ny 360 ireo olona tao amin'ny Facebook nitsikera sahady ny sary mahavariana, izay mampiseho ny vadin'ny Filoha taloha manao fitafiana mahamenatra.

Ny fomba famaizana manokana atao amin'ny Filoha teo aloha

Sob Edry Brice Agbo [6] nampitaha io famaizana io tamin'ny fomba namaizana manokana an'i Saddam Hussein Filoha Irakiana teo aloha:

[…] Jereo, ahoana ity fomba famaizana tsy mendrika atao amin'ny Filoha sy ny vadiny ity (na koa hoe Filoha taloha hoy ny hafa), tsy midika izao fa ho tsaratsara kokoa ny rahampitso. Mitovy tamin'izay zava-niseho tao Iraka tamin'i  Saddam Hussein ny toe-javatra misy ankehitriny, tsy mampitaha an'i Laurent Gbagbo amin'i Saddam. Fantatsika ny tohiny.

Arsène Pro-Dally [7] nilazalaza ny kabary voalohany nataon'i Alassane Ouattara taorian'ny fisamboarana an'i Gbagbo, toy izao :

Mivavaha mba tsy hihosina ambany noho ny vovoka isika.

Tongasoa ny fihavanam-pirenena!

Zon Guiriekpe Michel [8] nanoratra :

NAMELA IREO TSY MPINO REHETRA NANALA BARAKA AZY I MAMA SIMONE. MALAHELO AZY NY VAHOAKA NOHO NY FAHAFAHAM-BARAKA ATAON IREO TSY MPINO IREO IZAY TSY MBA MAHALALA NY LANJAN NY VEHIVAVY ARY INDRINDRA KOA FA VADINA FILOHA IZY

Mpiserasera hafa no mieritreritra fa mendrika azy ny fomba namaizana an'i Gbagbo noho ireo habibiana nataony nandritra ny fotoana nitondrany.

Namaly ny lahatsoratra navoakan'ilay bilaogera Guy Kouassi [9] mitondra ny lohateny hoe ‘nitomany Aho’, nitsikera i Roma:

[…] Efa nahazo ny sahaza azy izy…ajanony ny fampilalaovana fihetsehampo. Tsy hiverina intsony ireo an'arivony namoy ny ainy. Kanefa, izy dia mbola manana fanantenana hiaina. Tiako ny mahita azy afa-baraka nefa mbola velona noho ny famonoana feno habibiana an'i Guéi Robert [10] raha nandray ny fahefana i Koudou tamin'ny taona 2000.

Fanitsakitsahana ny zon'olombelona ao Abidjan

Tsy nampiato ny ady ao Cote d'Ivoire ny fisamborana an'i Laurent Gbagbo. Namoaka lahatsoratra an'ny Associated Press ny tranokala aterineto fampitambaovao Abidjan.net [11] mikasika ny habibiana nataon'ireo mpanohana an'i Alassane Ouattara tamin'ireo mpanohana an'i Gbagbo.

Ny vondrona ao amin'ny Facebook Ny maroanisa prezidansialy (La Majorité présidentielle) [12], izay nahavory olona 10.496  mpomba an'i Gbagbo, dia namoaka andiantsary [13] vao haingana tao Abidjan, renivohitra ara-toekarena sy tanana lehibe indrindra ao Côte d'Ivoire. Nalaina tao amin'ny faritr'i Riviera ireo sary ireo, izay mampiseho mpianatra sy tanora voarohirohy ho nandray anjara tamin'ny fihetsiketsehan'ny Tanora Tia Tanindrazana manohana an'i Gbagbo:

An atmosphere of terror in Riviera, Abidjan. Image from La Majorité Présidentielle on Facebook. [14]

Herisetra tao Riviera, Abidjan. Sary La Majorité Présidentielle ao amin'ny Facebook.

Students and young men are mistaken for Gbagbo's Young Patriots. Image from La Majorité Présidentielle on Facebook. [15]

Mpianatra sy tanora noheverina fa anisan'ireo Tanora Tia Tanindrazana manohana an'i Gbagbo. Sary La Majorité Présidentielle tao amin'ny Facebook.

Amin'ity sary manaraka ity, ny olona izay nandefa ny sary dia nahita an'i Koné Zakaria, commandant teo aloha tao amin'ny regimanta fikomianan'i Guillaume Soro [praiminisitr'i Alassane Ouattara  ankehitriny], ho iray amin'ireo mpandray anjara tamin'ny fihetsika feno herisetra :

Koné Zakaria in a scene of violence. Image from La Majorité Présidentielle on Facebook. [16]

Koné Zakaria tamin'ny fihetsika feno herisetra. Sary La Majorité Présidentielle tao amin'ny Facebook.

Niampanga [17] [en] ny famaizana tamin'ny 12 aprily 2011 nataon'ireo tafika manohana an'i Alassane Ouattara izay Filoha ankehitriny ny Amnesty International .