- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Voasambotra i Mahmood Al-Yousif, “rain'ny bilaogy” Bahraini

Sokajy: Bahrain, GV Mpisolovava

Fotoana fohy taorian'ny 3 ora maraina tany an-toerana, nosamborina tany an-tranony ny mpitoraka bilaogy fanta-daza Mahmood al-Yousif [1] . Talohan'ny nialany niaraka tamin'ireo manam-pahefana, nitoraka tweet [2] ilay mpitoraka bilaogy:

Eto amiko ny mpitandro filaminana

[3]

Mahmood Al-Yousif, nandray fitenena tamin-ny hetsika tao an-toerana

Al-Yousif dia mpitoraka bilaogy manan-danja [4]ary ny asa(sorany farany dia momba ny fampihavanana ny Bahraini. Ny 15 Martsa, nanoratra [5] izy:

[Izao] nifidy ny hiverina [any Bahrain] mba hanohana ny fahasalamana sy ny fandeferana. Mba hanohy ny ezaka hampisehoana ny vahoaka fa raha tsy jerena ny finoana, ny fari-piainana ary ny fahasalamana, lahatra ho antsika Bahrainita ny miasa miaraka ary isika no tokony hikaroka ireo fomba mifandanja mba hiaraha-miaina sy hampivoarana ny fahasamihafantsika.

Tsy te-hanorotoroka aho na te-hanameloka olona hafa koa. Mangataka ny fahatongavan-tsaina amin'ny antony fototry ny ady aho mba handrosoana, na inona na inona mety hamparary amin'ny fampiharana izany.

Mpikirakira ny vohikala iray antsoina hoe JustBahraini [6] i Al-Yousif, fanentanan'ny fikambanana hanohitra ny tsy fahaiza-mandefitra. Vao haingana izy dia nanoratra [7] mikasika ny mpanohana ny fanentanana iray norahonan'ny mpitandro filaminana.

Voamarin'ny rahalahiny [8] ny fisamborana azy, tahaka izany koa ny zanany lahy, izay nitoraka tweet [9]:

Vao tonga taty an-tranoko ny mpitandro filaminana ary nisambotra ny raiko, Mahmood Al-Yousif. @BahrainRights @OnlineBahrain

Sary [10] avy amin'ny Rotary Club-n'i Adliya [11] azo ampiasaina miaraka amin'ny  fahazoan-dàlana Creative Commons (CC BY-NC-ND 2.0) [12].