Nahafaty olona 12 hatramin'izao ny baomba nipoaka tao anatin'ny fiantsonana ktyabrskaya, métro any Minsk ny 11 aprily 2011 teo, ary an-jatony ireo naratra.
Vetivety kely taorian'ny loza niseho, nandray ny fampaherezana nalefa tamin'ny tweet ireo fianakaviana sy naman'ireo niharam-boina tamin'ny alalan'ny tenifototra #minsk [1] sy #minskblast [2] (fipoahan'ny minsk).
Nitanisa [3] vavolombelona maromaro tao an-toerana ny BBC izay nanambara fa nanomboka teo amin'ny “5ora58 hariva” ny alatsinainy 11 aprily, nisy “feo mafy be” ary ny toeram-piantsonan'ny metro ao Oktyabrskaya afovoan'i Minsk izay ahitana lalana roa mifanipika ao an-tanàna no voarakotry ny setroka.
Raha mbola tsy fantatra tany am-boalohany izay toerana mety misy ny baomba na tao anatin'ny fiaran-dalambin'ny metro na teo ivelany amin'ny sisin'ny fiantsonana, nitatitra ny Sampan'asa Rosiana BBC [3] [amin'ny teny rosia] fa fiaran-dalamby roa no nijanona teo amin'ny fiantsonana tamin'ny fotoana nitrangan'ny loza , ary nampiseho ny iray tamin'ireo horonan-tsary voalohany taorian'ny loza [5]. Nolazain'ny governemanta belarosiana fa toy ny “asa fampihorohoroana” ny fanapoahana baomba niseho.
Nitatitra ny mpanao gazety ao Minsk amin'ny Gazeta.ru [6] [amin'ny teny rosia] fa tsy navelan'ireo mpanao politika nanatona ny faritra mifanakaiky amin'ny metro ireo mpanao gazety :
На месте ЧП милиция отбирает фотокамеры и сотовые телефоны у людей, которые пытаются снимать происходящее. «Милиция действует очень жестко.»
Maro ireo horonantsary mbola niseho tamin'ny aterineto. Ity horonantsary natao tamin'ny YouTube abryko [7] ity ny 11 aprily dia mampiseho ny tohin'ny fampihorohoroana eo noho eo (FAMPITANDREMANA : horonan-tsary mampatahotra) :
Horonantsary nalefan'ny iar107 [8] tamin'ny aterineto ny andro nisehoan'ny loza, mampiseho ny fomba namonjena ireo olona taorian'ny fipoahana:
Nitatitra [9] i Ria Novosti [amin'ny teny rosia] fa ny marainan'ny 12 aprily, olona 157 no naiditra hopitaly ka 26 tamin'izany no naratra mafy.
Nanambara ny Filoha Belarosia Alexander Loukachenko fa ahiany [10] ho misy fifandraisana tamin'ny loza niseho nandritra ny fampisehoana an-kalamanjana tamin'ny taona 2008 ny fampihorohorona nitranga.
Bilaogera sasantsasany no niray hevitra tamin'izany. Yuri Shevtso nanoratra [11] :
Я понимаю, и все мы тут понимаем, что мы атакованы серьезной террористической сетью. И что это не внутренний терроризм. Это – внешняя атака.
Если это терракт, если это не нелепая случайность с перевозкой взрывчатки, то это, имхо, – исламисты.
Наши “родные кавказские” исламисты. Не вижу других вариантов.
Niady hevitra ny hafa [13] fa mety noketrehan'ny mpanohana an'i Loukachenko ny loza mba hamotehana ireo antoko mpanohitra.
Nilaza ny heviny ilay bilaogera Shusharin [14] :
КГБ взрывает Беларусь
Никаких других вариантов не видно. В белорусской оппозиции отродясь не было экстремистов.
Это выгодно только одному человеку – Лукашенко. Для того, чтобы начать террор против белорусского народа – уже не против оппозиции.
Tsy misy safidy hafa intsony. Mbola tsy nisy mihitsy ny fihetsika mahery tamin'ireo antoko mpanohitra Belarosiana. Olona iray ihany no mahazo tombony amin'izany: dia i Loukachenko. Mba hampitahorana ny vahoaka Belarosiana – fa tsy ny mpanohitra.
Raha mbola nameno ny Twitter ireo hafatra sy tweet mahakasika ny fampiononana, lahatsoratra [16] iray no nilaza fa tamin'ny 12 aprily, olona maro no nivorivory mba handrehitra labozia ho an'ireo namoy ny ainy :
всем не безразличным! завтра в 19.00 возле театра Я.Купалы.цветы и свечи, в знак памяти. Передайте другим. Спасибо.