- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta: Mahatsiaro Ny Zava-nitranga Tao Bahr El-Baqar

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Israely, Palestina, Ady & Fifandirana, Fanabeazana, Politika, Tanora, Tantara

Iraikambiefapolo tana lasa izao, ny 8 Aprily 1970, ary nandritra ny Ady Mitarazoka Attrition [1], nodarohan'ny tafika Israeliana ny sekoly ambaratonga voalohany iray tao amin'ny tanàna Ejiptiana Bahr el-Baqar, atsimon'i Port Said [2], any amin'ny faritany atsinanan'i Sharqia [3]. ny Sekolin'i Bahr El-Baqar – sekoly iray misy efitrano telo sy mampiantrano mpianatra 150 – no simba, 30 amin'ny mpianatra tao no maty, 50 mahery no naratra mafy, ary marobe no nitondra takaitra. Ary taorian'ireo taona maro ireo, mbola mahatsiaro ilay vonomoka ny Ejiptiana.

Zeinobia dia nandefa [4] lahatsoratra iray nosoratany herintaona lasa izay [5] mikasika ilay vonomoka.

Hatrany amin'ny 40 taona lasa, tsy nahalala mihitsy ireo mpianatra tao amin'ilay sekoly kely tsy misy afa-tsy efitra telo tao an-tanana kely avaratr'i Delta fa hoe tsy hanao fakàn-drivotra tamin'io andro io na hamàrana ny kilasy faharoany, 150 ireo mpianatra nandeha namonjy sekoly tamin'io andro io 40 taona lasa izay ary tsy nahafantatra fa 30 amin'izy ireo no ho faty ary haratra ny ambiny. 150 ireo mpianatra nandeha namonjy ny trano sekoly kelin-dry zareo iny marainan'ny 8 Aprily 1970 iny izay tsy nihevitra velively ny ho voarakitra miaraka amin'ny sekolin-dry zareo ao anatin'ny tantaram-pirenena ho tahaka ny ratra lalina antsoina hoe : Vonomoka tao Bahr El-Baqar.
@waelragheb [6]: لن انسى و لم انسى ما حدث في بحر البقر
@waelragheb [6]: Tsy ho adinoko velively, ary tsy nanadino velively izay nitranga tao Bahr El-Baqar aho.
@Wild_atHeart [7]: 41 taona lasa izay, ary tsy ho adinonay velively ny vonomoka #massacre nataon'i #Israely ny 80 tamin'ireo mpianatray. #Egypt #BahrElBaqar

Ireo mpampiasa Twitter dia nizara lahatsary avy aminà fanadihadiana tao amin'ny fahitalavitra [8] sy hira noforonina mikasika ilay vonomoka [9] iray tanisain'i Ahmed Shalaby ary itondràn'i Monica Ibrahim fanamarihana.

@AhmedShalaby [10]: الدرس انتهى لموا الكراريس..بالدم اللى على ورقهم سال! -بحر البقر
@AhmedShalaby [10]: Mirava ny lakilasy, ahorony ny kahienareo … miaraka aminà rà mipitika eny ambony pejin'izy ireo! Bahr El-Baqar.
@MoniicaNag [11]: tsy mahatàna ranomaso isaky ny  mijery an'io aho #Ba7rElbaqar videos 🙁

Ny maro hafa nanapa-kevitra ny hampitaha ny zava-nitranga tao Bahr El-Baqar amin'ny fanafihana an'habakabaka mitranga amin'izao fotoana any Gaza [12]. Radwa El-Shami dia nanoratra ity fanamarihana manaraka ity tany amin'ny faran'ny lahatsoratra nosoratany tsy ela akory izay tany anaty bilaogy [13].

Androany, 7 Aprily, mamely an'i Gaza ny herisetra Israeliana amin'ny alalan'ilay  Operation “Lohataona mangotraka / Scorching Summer”, niteraka famoizana aina sy ratra. Rahampitso, 8 Aprily, no faha-41 taonan'ny vonomoka tao Bahr El-Baqar.
Ary farany, Sharif manampy hoe:

@Sheryos [14]: Tena mitapy ve i #Israel , ka manapa-kevitra ny hampahatsiahy antsika ny vonomoka tao #Ba7rElbaqar amin'ny famerenana azy iny any #Gaza? Mpamono olona!

@Sheryos [15]: #Israel, raha tsy hainao ny manadino na dia singa iray monja amin'ny heloka bevava nataon'ny Nazi taminareo, izahay koa tsy hanadino mandrakizay ny heloka bevava vitanareo tamin'ny Arabo. #Ba7rElbaqar #Ghaza