- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta: Basboussa ho filoha!

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Politika, Vehivavy sy Miralenta

“Mpanolotra fandaharana tamina fahitalavitra Ejipsiana sady mpikatroka i Bothaina Kamel izay nanambara tamin'ny kaonty Twitter-ny indray Zoma hariva [1] [ar] ora any Le Caire fa mikasa ny hirotsaka hofidiana ho filoha ravehivavy amin'ny fifidianana ho avy io, ary mametraka azy ho vehivavy voalohany indrindra nanambara ny firotsahany hofidiana ho amin'ny andraikitra ambony indrindra any Ejipta”, Manar Ammar [2]

Toy izany no nanambaran'i Manar Ammar ny vaovaon'ny firotsahan'i Bothaina Kamel hofidiana ho filoham-pirenena ejipsiana. Nifamahofaho ihany ny hevitra azon'i Kamel  (@basboussa1 [3]) avy amin'io vaovao io.

Tsy nampino an'i @FaresADL [4] izany ka nanoratra tamin'i Kamel izy hanamarina ny fisian'izany na resaka tsahotsaho fotsiny izany:

@FaresADL [5]: @basboussa1 [3] Hirotsaka ho filoha tokoa ve ianao?

Milaza ny momba ny vaovao ihany koa i Fatma Emam izay feminista:

@fatmaemam [6]: Bothina Kamel no vehivavy voalohany sady tokana hirotsaka ho filoha any #Egypt [7] , araho ao amin'ny @basboussa1 [3] izy, ho fiaraha-mientana #womenrights [8] #jan25 [9]
Photo taken from the Facebook account of Bothaina Kamel; participating in a demonstration during the World Day Against Corruption. [10]

Saripika nalaina tamin-ny kaonty Facebook an'i Bothaina Kamel; nandritra ny fandraisana anjara andro manerantany iadiana amin-ny kolikoly.

Hitan'i Lara (@FarawlaLawra [11])  ho vaovao tsara izy ity, na mbola tsy nilaza ny hifidy na tsia azy aza:

@FarawlaLawra [12]: @basboussa1 [3] Faly sy mirehareha tokoa aho amin'ny firotsahanao izay manokatra ny fitovian-jo eo amin'ny fiaraha-monina.(na dia mety tsy hifidy anao aza aho)

Mahmoud Salem, na i @Sandmonkey [13], kosa manoratra ho fanohanana:

@Sandmonkey [14]: @basboussa1 [3] ana ma3aky ya rayessah 3ala fekra [miara-dalana aminao aho sefo]. Hatramin'izao aloha dia azonao ny vatoko.

Ao amin'ity lahatsary navoakan'ny mpisera YouTube moushebl1 [15] tamin'ny 3 Aprily 2011 ity, no ahitana an'i Kamel manambara ny firotsahany hofidiana ho filoham-pirenena [16] [ar].

Ny sasany dia manohitra ny firotsahany ho filoham-pirenena ao amin'io lahatsary eo ambony io.

MyHamosa: انا ارفض ان تحكمنا امراة
MyHamosa: Toheriko ny itondran'ny vehivavy antsika
Algeriangirls123: اعتقد انها لن تحصل حى على التأييد لمن اجل دخول الأنتخابات
Algeriangirls123: Mieritreritra aho fa tsy hahazo ny isam-bato ilaina mba hirotsahana akory aza izy!

Manontany Radwa El-Shami [17] ny anton'izao fahamaroan'olona hirotsaka hofidiana hofiloha any Ejipta izao:

Mitombo hatrany ny isa ka lasa manontany lalina aho ny amin'izay kasaina na hery manetsika ny tsirairay hiakatra eo amin'ny seza fiandrianan'i Ejipta. tahaka ny hoe tsy afa-manompo ny fireneko aho raha tsy eo amin'ny faratampon'ny an-tanan-tohatra no fijeriko azy, raha tsy hoe izaho no filoha. Ekeko tokoa fa te-hahalala izay mitady hery sy voninahitra aho
Manontany tena aho nahoanaAtoa Shafiq nomirotsaka ho filoha (raha kely indrindra dia 10 tapitrisa amin'ny Ejipsiana 45 tapitrisa manan-jo hifidy no mitsipaka azy ho praiminisitra!); Nahoana noheverina ho mirotsaka ho filoha ny Dr. Amr Khaled (mbola tsy voamarina); inona ny tsara eritreretin'i Sheikh Hassan hataony ho an'i Ejipta (malaza ny tsaho fa hirotsaka ho filoha izy); Nahoana Atoa Mortada Mansour no mihevitra fa mety ho izy no filoha (fa angaha hitondra antsika amin'ny fampitahorana sy ny feo besony izy); nahoana Rtoa Bothaina Kamel no te-ho filoha (feminisma?); nahoana ny sasany no mandambolambo an'Atoa Naguib Sawiris mbahandray anjara koa (vaovao avy etsy sy eroa saingy heveriko manokana fa Baradei no ho be mpifidy indrindra); ary mieritreritra aho hoe ahoana ny hataon'ny Dr. AlBaradei raha manaiky ity fanitsiana lalampanorenana mandringa izay laviny tsy hanaovany filoha ity ny besinimaro.

Nanohy avy eo Radwa:

Tsy fantatro aloha raha izaho irery no manana fomba fijery matroka amin'ity raharaha ity ho mampihomehy, ka izay no nahatonga ahy hanoratra. Nolazaiko ny ahiahiko satria mila antoka aho. Mitady izay manankevitra tsara sy mahara-baovao tanteraka aho; mitady olona hiteny am-piheverana tsara aho.