Araka ny fanadihadiana [1] [uk] iray vao haingana, mihoatra ny 46 isan-jaton'ny Okrainiana no manembonembona ny URSS fahiny, be amin'izy ireny no ireo efa misotro ronono, na ny monina any amin'ny faritra Atsinanana izany na ny any Atsimon'ny firenena. Mandritra izany fotana izany ihany, 18% amin'ireo Okrainiana Tandrefana aryt 19 isan-jato amin'ireo tanora no manana toy izany fahatsapana izany koa.
Fihetseham-po misavoritaka toy izany izay mitodika amin'ny rafitra kaominista fahiny no tsy ananan'ireo mpamokatra ny fitrandrahana azy, dia ireo izay nampiasa nandritra ny taona maro ny marika famantarana ny Sovieta mba handafosana ny entany. Niteraka adihevitra mivaivay teo amin'ireo Okrainiana mpiondana aterineto ny dokambarotra tsy ela akory izay natao tamin'ny vokatra iray avy eo an-toerana nomena ny anaran'ilay Sovietika mpitondra jadona fanta-poko fanta-pirenena Joseph Stalin [2], maro tamin'izy ireny no nahatsapa fa nihoatra ny fefy ireo mpanao dokambarotra.
Tamin'ny Febroary, Vtoroy izay mpampiasa ny Isehatra fifanakalozan-dresaka anaty aterineton’ [3]ny tananan'i Dnipropetrovsk dia nizara sary [4] marobe momba ireo sary vaventy fampahafantarana ny dite “Stalin”. Nanoratra ity [4] izy[ru]:
Впервые вживую вижу наружную полиграфию с изображением Сталина.
Ny mpitoraka bilaogy sasany, na izany aza, nanasongadina fa io anaram-bokatra io dia nivoaka niditra teo amin'ny tsena tato anatin'ny telo taona farany. Raha nahita azy io voalohany indrindra tany amin'ny 2008, i sparrow_hawk mpampiasa LJ dia nanoratra ity [5] [uk]:
спосіб заварювання: на крові. і поміцніше
bulavec mpampiasa LJ dia nampakatra sarinà dite ‘Stalin’ iray eo ambony talantalam-pivarotanatao amin'ny Donetsk LJ community [6] sady nanamarika [7] [uk] fa efa namidy tao Donetsk sy Dnipropetrovsk io ary niverina indray tamin'ny 2009. Nanodidina io fotoana io, Tamila Tasheva mpampiasa LJ (tamila_tasheva) avy ao Crimea dia nanoratra [8] [uk] fa efa nahita ilay dite tany amin'ny faritra misy azy koa izy.
Raha ny fahitàna azy, ny dite ‘Stalin’ tamin'ity taona ity dia nanao fiverenana niditra ny tsena tao Okraina indray. Andro vitsy lasa izao, Father Nikanor Skipin mpampiasa Facebook dia nizara [9] saribe iray hafa misy dokambarotr'ilay dite nalaina tsy ela akory koa izay tany an-tananan'i Dnipropetrovsk:
Teo ambanin'ilay sary , nandefa [9] [uk] izao fanontaniana manaraka izao izy :
ЯК ВАМ ПОДОБАЄТЬСЯ ТАКА ОСЬ ДУРНЯ ???
Nanaiky i Tykholaz Igor [uk]:
дурня…
Nanoratra i Vlad Pupych [uk]:
боюсь, отруюсь.
Nanoratra i Alina Lukashevich [ru]:
хорошее чувство юмора у производителя))))))))))
Sergey Bacha koa nanamarika hoe [ru]:
Этот чай судя по всему рассчитан на пожилых и очень пожилых людей, вот поэтому портрет Сталина взяли а основу. […]
Valeriy Kolosyuk namaly hoe [uk]:
Моїй бабці 89-ий рік. Не помічав у неї прихильності до Сталіна.
Mpampiasa Facebook iray avy any Belarosia, Ales Reznikov, nanoratra hoe [be]:
беларусау гэтым ня здзiвiш
Amin'ny fizaràna ohatra iray amin'ny fampiasàna an'i Stalin amin'ny resaka ara-barotra anatin'ny firenena iray hafa isan'ny Firaisana Sovietika teo aloha, mpakasary iray sady mpampiasa LJ avy any Kyiv i boga4, nampakatra [11] sarin-tavoahangin-divay iray tany amin'ny taona 2010 nalaina tao amin'ny tranom-bakoka iray tao Georgia [firenena nahaterahan'i Joseph Stalin].

Tavoahangin-divay Stalin iray ao amin'ny tranom-bakoka ao Georgia. Sary an'ilay mpampiasa LJ, boga4
Na dia namoaka didy aza ny filoha Okrainiana teo aloha Victor Yushchenko tamin'ny 2007 nandràra ny marika rehetra sy sary mampahatsiahy ireo tompon'andraikitra tamin'ny Holodomor [12] (tokony ho tafiditra anatin'izany ireo mpitondra Sovietika), tsy dia voahaja loatra izany. Mivandravandra izao ny fomba fihevitr'ireo mpitondra ankehitriny tamin'ny nanamelohana ilay tanora mafàna fo namotika sarivongana iray mampahatsiahy an'i Stalin tao Zaporizhzhya tamin'i 2010 ho nanao asa fampihorohoroana [13]. [13]