Costa Rica: Lalao Video miankina Amin'ny Twitter Mitady Famatsiam-bola.

Mitady fandraisana anjaran'ny rehetra hamatsy vola ho amin'ny fananganana ny TweetLand , lalao an-tserasera misy fiantraikany eo noho eo avy amin'izay voasoratra ao amin'ny Twitter, ny tanora mpahaikanto enina avy any Costa Rica.

Ny ekipa TweetLand

Ireo lalao ireo dia antsoina hoe Route 140 sy LoveCity ary izy roa dia samy mampiasa izay teny voasoratra farany ao amin'ny twitter amin'izay fihetsika tokony atao [baiko tokony arahina?] mandritra ny fotoana ilalaovana. Ao amin'ny lalao Route 140 ohatra dia mifaninana ny fiara mba ho tonga any amin'ny tanjona farany, saingy raha misy olona ao amin'ny twitter manoratra momba ny matotoa, na vato latsaka avy eny an-danitra na lozam-piarakodia (ankoatra ny hafa) dia mitandrema! Hisy fiantraikany ao amin'ny lalao izany. Amin'ny lalao Love City indray, maka ny teny “fankahalana” rehetra mivoaka ilay biby tsy miraharaha na inona na inona hampitombo ny heriny sy hahazoany fitaovam-piadiana vaovao saingy izay teny mamy sy tenim-pitiavana rehetra misy manoratra farany ao amin'ny Twitter dia hanome hery ny fahavalony.

Nanao fanadihadiana tamin'ny mpamorona ny lalao, nanontany azy ireo momba ny fanapaha-kevitra amin'ny fitadiavam-pamatsiana avy amin'ny rehetra ny bilaogera Kostarikana Cristian Cambronero ao amin'ny Fusil de Chispas:

Para reunir el dinero decidieron recurrir al sitio de crowdfunding KickStarter.com. Pero ¿por qué no recurrir a inversionistas? “TweetLand es un proyecto que se alimenta de experiencias de la comunidad web de una forma colaborativa. Es decir, no es sino gracias al apoyo de todos, que la plataforma de juegos funciona. Nos pareció que lo más coherente, era que un proyecto de naturaleza colaborativa como este, fuera fundado de la misma forma, con la colaboración de todos”, dice Néstor Villalobos.

Mba hanangonana ny vola dia nanapa-kevitra hitodika amin'ny tranokala “Kickstarter.com” fitadiavam-pamatsiambola avy amin'ny rehetra izy ireo. Naninona anefa raha tany amin'ny mpampiasa vola? ” Tetikasa novelomin'ny traikefa avy amin'ny tranokalam-bondrom-piaraha-monina tanaty fombam-piaraha-miasa ny TweetLand. Midika izany fa avy amin'ny fanohanan'ny rehetra no nampahomby ny lalao. Nieritreritra izahay fa izany no mety indrindra hananganana tetikasa mila fiaraha-miasa matotra toy izao, noho ny fanampian'ny olona rehetra”, hoy i Néstor Villalobos.

Tsy vao voalohany akory no nisy fandraisana an-tanana Kostarikana ka nampiasana ny tranonkala Kickstarter.com hanangom-bola. Ny fampiasana ilay tranonkala nahitana fahombiazana farany izao dia tamin'ilay sarimihetsika The Return notontosain'i Hernán Jiménez, izay nahangona vola mihoatra noho ny tanjona nokendrena 40. 000 dolara amerikana nilaina teo ampiandohana hanaovana fanitsiana sy hahatonga azy ho vonona ho any an'efitrano filanonana sy hotsinjaraina.

Ao amin'ny tranokala Kickstarter.com ho an'ny TweetLand, no anazavan'izy ireo ny vina sy ny antony ampiasana ny vola 7000 dolara ezahin'izy ireo angonina. Vao avy nahazo loka sy fankasitrahana tamin'ny tetikasa teo aloha ireo mpahaikanto tanora enina ireo tamin'ny asany andavanandrony ary mitodika amin'ny tranokala indray izy ireo amin'izao fotoana izao mba ho azo tsapain-tanana ny tetikasany tsy miankina TweetLand. Maro ankoatra izany ny zavatra nolazain'izy ireo ao amin'ny lahatsary fanentanana :

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.