Namoha indray ny resaka mikasika ny fifindramonina eo amin'ny firenena roa tonta ny fampodiana ilay mpandeha fialan-tsasatra Breziliana Denise Severo 34 taona ary mpanao fikarohana eny amin'ny anjerimanontolo, tamin'ny voalohandohan'ity taona ity.
Nanoratra taratasy misokatra mikasika ny zavatra niainany izay tena nampizarazara ny mpitoraka bilaogy maro isan-karazany i Severo, ary nahitana fihetseham-po maro ny nanaovan'ny manam-pahefana Espanola misahana ny fifindramonina azy.

- "Ary inona no zavatra tadiavina raha hiditra ao amin-ny firenenao?" -"Andininy voalohany: Tsy mahazo raha Breziliana." Sary miaina nataon'i Amarildo, efa nahazoana alalana.
“Tena fatiantoka ranofotsiny”
Namerina naneho [pt] ny taratasy misokatr'i Severo i Rogério Tomaz Jr., avy ao amin'ny bilaogy Conexão Brasília-Maranhão , izay naseho tamin'ny 30 Janoary 2011, izay ahitana azy manazava ny zava-miseho:
Acho que muitos de vocês sabiam que eu estava saindo de férias junto com minha amiga Gracinha para a Espanha. Pois bem, planejamos tudo, compramos passagem, reservamos hotel e tudo mais. Porém, fomos em vôos separados. Depois de 15 horas de viagem EU fui INJUSTAMENTE DEPORTADA pela imigração da Espanha! Fiquei 15 horas PRESA numa sala da polícia federal sendo tratada como criminosa! Sem direito à telefonema, sem nenhuma informação sobre os motivos pelo qual estava detida e somente depois de 7 horas tive contato com um advogado e uma tradutora. Fui revistada fisicamente e revistaram e retiveram minha bolsa e minha bagagem de mão, tudo isso antes de ter um advogado. Eles arbitrariamente decidiram que eu não entraria naquele país e fizeram de tudo para arranjar algo para me deportar.
Nilaza i Denise fa nandritra ny nitanana azy tsy nahazo zo hahazo mpisolovava, dia nifampizara efitra tamina mpigadra hafa izy, mainty hoditra daholo na Latino, izay nahitany mazava tsara ny tsy rariny sy ny fatahorana diso tafahoatra ny avy any ivelany:
Havia cerca de 10 pessoas presas nesta situação e todas elas eram latinas e/ou negros da África!!! Ou seja, é XENOFOBIA PURA!!!! Mas XENOFOBIA CONTRA LATINOS E NEGROS!!!! PURO PRECONCEITO!!!
Mitsikera ny fomba andraisan'ny Breziliana ny mpizahataniny ny mpitoraka bilaogy Tomaz Jr. oharina amin'ny tranga niainan'i Severo tany Espana :
Daqui a três anos o Brasil receberá muitos espanhóis que irão acompanhar a “Fúria” na Copa do Mundo. Como fazemos com todos os povos que nos visitam, iremos tratá-los muito bem, com hospitalidade e cordialidade. Mas é bom que o mundo saiba como a Espanha trata os visitantes de outros países que chegam para conhecer a terra de Miguel de Cervantes
Tranga tokana ve iny ?

- "Ankehitriny, ho an-ny Espaniola mankany Brezila, eo anivon-ireo antontan-taratasy rehetra, tsy angatahintsika raha hainy ny mandihy ." Sary nataon'i Lute, efa nahazoana alalana.
Nilaza mikasika ny tranga ny masoivoho Espaniola any Brezila milaza fa [pt], “ny tranga tokana tsy afaka hanasokajiana an'i Espana ho mpanavakavaka mihitsy na koa hoe enjehinay ny Breziliana miditra ny seranam-piaramanidina any aminay.”
Nanampy izy nanome rariny ny fampodiana an'i Denise Severo:
O primeiro é que a sra. Severo, apesar da sua boa vontade, não dispunha de alguns dos documentos ou comprovantes necessários.
Segundo, porque não se usou adequadamente o mecanismo previsto para esses casos, mediante a intervenção do Consulado-Geral do Brasil em Madri.
Faharoa, ny mekanisma marin'ity tranga ity , dia tsy ilaina mihitsy ohatra ny firotsahan'ny Masoivohon'i Brezila.
Na dia nanana porofo aza i Severo – noho ny namany – noho ny famandrihana nataony tany amin'ny trano fandraisam-bahiny ary koa ny polisy Espanola nomena azy sy ny mpisolo vava notendrena ho azy niantso nanamafy ny famandrihana, ary koa ny entany nahitana karatra TravelMoney avy amin'ny Banco do Brasil [Bankin'ny i Brezila ], nilaza [pt] ny masoivoho Zaldivar fa tsy nanana ny taratasy ara-dalana tokony nidirana teo amin'ny firenena i Denise.
Simone Severo, Denise's sister, also published [pt] an open letter attacking the Spanish government, here reproduced by Blog do Nassif:
O Brasil devia exigir que a Espanha peca desculpas a Denise Severo e a todos os outros cidadaos que foram inescrupulosamente acusados de mentirosos e foram desrespeitados em seus direitos humanos.Eh preciso discutir, sim, eh preciso questionar, e porque nao dizer EXIGIR que o governo nos defenda. Afinal, nao eh para isso que se vota? Para que todos tenhamos os mesmos direitos e para que o pais nos defenda e olhe por nos?
O Brasil levou 50 anos lutando por democracia, por seu espaco no mundo e para ter voz. Que esta voz nao se cale, que ninguem baixe a cabeca, porque ninguem tem direito de brincar de policia e ladrao com a vida alheia do cidadao de bem, muito menos para escolher quem eh bandido.
Espanha: desculpe-se!
Brasil: mostra tua cara!
Tokony hangataka an'i Espana hifona amin'i Denise Severo i Brezila ary koa amin'ireo mponina hafa rehetra izay noampangaina lainga mahatsiravina be izao ary koa nohosihosena ny zo mahaolona azy. Ilaina ny miaro ny hevitra, ny manontany, ary maninona koa moa aza, raha MITAKY ny governemanta [Breziliana] hiaro antsika. Fanampin'izany, tsy izany ve no nofidintsika? Mba hananan'ny rehetra zo mitovy ary koa ny firenentsika hiaro antsika sy hikarakara antsika?
Niady hoan'ny demokrasia i Brezila nandritra ny 50 taona, ho an'ny toerany eto amin'izao tontolo izao ary koa ny hanana feo; ka mba tsy hangina anie izany feo izany, ka tsy hisy na iza na iza hanondrika ny lohany, satria tsy misy olona manana zo hilalao sy hangalatra ny fiainan'ny hafa, na indrindra koa hanondro hoe iza no tena nahavita ny heloka be vava.
Ry Espana: mifonà!
Brezila: asehoy ny endrikao!
Namaly Ambasady Zaldivar[pt] i Denise Severo ao amin'ny lahatsoratra navoakan'ny bilaogy Vi o Mundo (Jereo ny tontolo) [pt], mitsikera ny zavatra natao azy, ny fanalam-baraka amin'ny nanarahana azy toy ny mpamono olona ao anatina fiara mifono vy hifindra fiaramanidina, ary notanana am-ponja nandritra ny 15 ora – ny adin'ny 7 amin'io tsy nahazo nifandray tamin'ny olona avy any ivelany. Farany izy nanontany raha manaja ny zon'olombelona i Espana:
Evidentemente que todas as nações são soberanas para decidir quem entra ou não entra em seus territórios, mas os direitos humanos precisam ser garantidos.
[…]
Excelentíssimo Sr. Embaixador, gostaria de saber se tais atos refletem a garantia dos direitos humanos pela Espanha? Gostaria de saber se a Espanha concorda e avaliza tais atos da Polícia?
[…]
Por fim, uma pergunta não cala: será coincidência do acaso o fato de somente estar detidos latino-american@s e/ou negr@s?
Mazava be, tompon-teny farany amin'ny olona izay tiany hiditra na tsy hiditra amin'ny taniny ny firenena rehetra, fa ny tokony hiantohana kosa ny fanajana ny zon'olombelona.
[…]
Andriamatoa Ambasadaoro, manontany tena aho raha azo itarafana ny fiantohan'ny zon'olombelona any Espana ireo fihetsika ireo? Manontany tena aho raha manaiky sy hiantsoroka ireo fihetsika ataon'ny polisy ireo i Espana?
[…]
Farany, fanontaniana tena manan-danla: tena fifandrifian-javatra fotsiny tokoa ve hoe olona Amerikana Latina na/sy Mainty hoditra ihany no notanana?
Niresaka momba ny olana samihafa nolazain'ny Masoivoho izy, naneho – isan-tendrony – ny fiarovan-kevitra fa tokony omena tsiny izy amin'ny fikarakarana natao azy .
Tsy mahazatra [pt] ny fomba fanao amin'ny nitondrana ny Breziliana avy any Espana. Tamin'ny 2009, iray amin'ny vahiny dimy avy amin'ny firenena dia Breziliana avokoa (21% amin'ny tontalibeny), ary tamin'ny taona 2008 dia 23% ny taha. Tamin'ny Febroary 2008, nanao politika amin'ny fitoviana eo amina isa na Beziliana nampodiana tsy misy taratasy fanamarinana nataon'ny governemanta Espanola i Brezila .
Tamin'ny fotoan'andro, nanao fanambarana [pt]ny filoha Breziliana teo aloha Luís Inácio Lula da Silva:
Domingo termina a eleição e no início da semana eu espero ter um a explicação do que houve. Isso pode ser coisa dos partidos conservadores que, se pudessem, não deixavam pobres de outros países entrarem na Espanha.
Nanambara [pt] i Marcos dos Santos, Breziliana nampodiana tamin'ny 2008 hoe:
Fomos tratados praticamente como animais, sem saber porque estava acontecendo aquilo com a gente
Tsy mazava foana hoe hiverina amin'ny fanao amin'ny fandroahana ny ankamaroan'ny Breziliana ve i Espana sa ahoana, na hamaly ve i Brezila, sahala amin'ny zava-nitranga tamin'ny farany.