Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

10 Avrily 2011

Tantara tamin'ny 10 Avrily 2011

Singapore: Adihevitra Mikasika Ireo Miaramila ‘Diso Hanta’

Tena vonona hiady marina ve ny miaramila ao Singapore? Io dia iray amin'ireo fanontaniana maro apongatr'ireo mpiondana aterineto maneho hevitra noho ny fahitàna sarinà zazavao iray mampitondra olon-kafa ny kitapo fibabiny, olona heverina fa angamba mpanampy an-tranon-dry zareo. Tao amin'ny Facebook ilay sary no nakarina voalohany ary avy hatrany dia...

Okraina: Miteraka resabe ny dite “Stalin”

Fihetseham-po misavoritaka izay mitodika amin'ny rafitra kaominista fahiny no tsy ananan'ireo mpamokatra ny fitrandrahana azy. Tetyana Bohdanova mitatitra nby adihevitra mivaivay misy amin'izao fotoana eny anivon'ireo Okrainiana mpiondana aterineto, nateraky ny dokambarotra momba ny dite nomena anarana hoe Joseph Stalin.

Brezila: Fanalam-baraka nahazo ilay vehivavy Breziliana nampodiana avy any Espaina

Namoha indray ny resaka mikasika ny fifindramonina eo amin'ny firenena roa tonta ny fampodiana ilay mpandeha fialan-tsasatra Breziliana Denise Severo 34 taona ary mpanao fikarohana eny amin'ny anjerimanontolo, tamin'ny voalohandohan'ity taona ity. Nanoratra taratasy misokatra mikasika ny zavatra niainany izay tena nampizarazara ny mpitoraka bilaogy maro isan-karazany i Severo, ary...

Gabon : Fihetsiketsehana eo amin'ny sehatry ny solika

Raha samy mitady vahaolana hafa momba ny olana ara-tsolika ny firenena eran-tany, ny firenena Gabon kosa izay saika mifototra tanteraka amin'io harena io dia mbola manana tahiry. Tao anatin'ny volana vitsivitsy anefa, tratran'ny fikomiana ny firenena izay tsy dia nivoaka firy tamin'ny fampahalalam-baovao, ary ny faran'ny volana janoary teo koa no...

Costa Rica: Lalao Video miankina Amin'ny Twitter Mitady Famatsiam-bola.

Mitady fandraisana anjaran'ny rehetra hamatsy vola ho amin'ny fananganana ny TweetLand , lalao an-tserasera misy fiantraikany eo noho eo avy amin'izay voasoratra ao amin'ny Twitter, ny tanora mpahaikanto enina avy any Costa Rica. Ireo lalao ireo dia antsoina hoe Route 140 sy LoveCity ary izy roa dia samy mampiasa izay...