- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Arzantina: 29 Aty Aoriana, Mahatsiaro Ireo Maherifony Lavo an'Ady Tao Falklands i Arzantina

Sokajy: Amerika Latina, Arzantina, Fifandraisana iraisam-pirenena, Tantara

Nankalazaina ny andron'ny 2 Aprily, indray mandeha indray, nahatsiarovana ny fiakarana an-tanetin'ireo andiana teratany avy any Arzantina tao amin'ny Nosy Falkland [1] 29 taona lasa izay, izay nanamarika ny fiantombohan'ilay ady [2] naharitra 74 andro teo amin'ny Arzantina sy ny Royaume-Uni.

Nandritra ny asa notarihan'ny Filoha Cristina Fernandez [3] [es] tany an-tanànan'i Rio Gallegos, bilaogy iray mitondra anarana hoe La verdadera intención [4] [es] (Ny Tena Kerehina) no nandika ny kabarin'ny Filoha, ka ilaina ny anasongadinana ao anatin'izany ny ampahany eto ambany:

Siempre, las Malvinas son argentinas y no cejaremos en nuestro reclamo y convocar a todos los argentinos a la buena memoria, a la memoria de los que dieron sus vidas, a la memoria de los que luego no pudieron superar los traumas de la posguerra y perdieron también la vida. Esta vez, tal vez, de manera más terrible y más trágica: de mano propia, no de manos del enemigo en combate.

Ireo vondro-nosy Falklands (Malouines) dia efa an'i Arzantina hatrizay ka tsy hamela ny fitakianay izahay ary ny antsonay ho an'ny Arzantina manontolo mba hahatsiaro tsara, ny fahatsiarovana an'ireo nanome ny ainy, ny fahatsiarovana an'ireo taty aoriana namoy ny ainy koa noho ny takaitra navelan'ny ady. Angamba amin'ity indray mitoraka ity, ho amin'ny fomba faran'izay henjana sy sarotra: amin'ny tanany ihany, fa tsy amin'ny tanan'ireo fahavalo any an'ady.
Las Malvinas son argentinas [5]

Sary avy amin'i29 Doug Letterman (CC BY-NC-SA 2.0)

29 taona aty aoriana, mbola tsy misokatra foana ny ratra, indrindra indrindra fa ho an'ireo bekotro maro holatra sy ny fianakavian'ireo lavo an'ady, izay notolorana ny voninahitra nandritra ireo andro ireo, toy izay anamarihan'i Carlos azy ao amin'ny bilaoginy Mirada Mágica [6] [es]:

No basta con poner un día de feriado nacional y festejarlo, llenarse la boca en discursos alusivos y todas esas tonterías inútiles que no sirven más que para figurar.

Lo que estos veteranos de guerra necesitan son respuestas tangibles a sus problemas y necesidades. Aunque cueste creerlo esos mismos que arriesgaron sus vidas en una lucha inútil y desigual no paran de mendigar una respuesta a sus justos reclamos y derechos.

Tsy ampy ny fanambaràna fotsiny andro iray atokan'ny firenena sy hankalazàna azy ity, manao kobaka am-bava amina kabary tsotsotra sy karazan-javatra tsy misy ilàna azy tsy mitondra inona ho an'ny hafa fa natao hisehosehoana fotsiny.

Ny tena ilain'ireto bekotro maro holatra ireto dia valinteny matotra amin'ny olana mahazo azy sy ny filàny fottra. Na dia ho mafy amintsika aza ny hino an'izany, tsy mitsahatra ny mitaky ny mitady valiny amin'ny fitakian-dry zareo sy ny zony ireo olona nanao sorona ny ainy noho ny foana sy tsy nifandanja ireo.

Ao amin'ny bilaogy Arte y Brujeria [7] [es], Laura, ho fanampin'izay voasoratra mikasika ny tantaran'ny nosy Falkland, dia mandalina ny endrika ara-politika sy ara-toekaren'ilay ady:

¿Por qué reclamar en aquél momento soberanía sobre unas islas que pertenecieron a nuestro territorio por 13 años solamente? Porque el modelo neoliberal implementado desde el golpe de Estado de 1976 (modelo que continuó hasta el 2001) había desgastado económica y políticamente al gobierno de la junta. Fue un “manotazo de ahogado” para salvarse y continuar en la presidencia.

Fa nahoan moa isika no mbola tokony hangataka ny maha masimandidy antsika amin'ireo nosy izay 13 taona monja no niraisany tamin'ny firenentsika? Satria ny rafitra neoliberal, napetraka tamin'ny fotoan'ny fanonganam-panjakana tamin'ny 1976 (lasitra iray mbola nipetraka hatramin'ny 2001), dia nikiky ara-toekarena sy ara-politika ny governemanta miaramila.  Nisy ny  “samy maka ho azy” mba hanavotan-tena sy hifikirana eo amin'ny fitondràna.

Ao amin'ny bilaoginy, Gianna [8] [es] koa dia mahatsiaro ireo voka-dratsin'ny ady sy ireo maherifon'i Arzantina ao anatin'ireto teny manaraka ireto:

La Guerra de Malvinas es una historia plagada de desventuras personales, errores políticos, ignorancia diplomática e improvisación militar.

Sin embargo, la sumatoria de errores y horrores no logran empañar la entrega, abnegación y valor de quienes entregaron con sacrificio sus vidas defendiendo la soberanía territorial argentina. Un reconocimiento al honor, que perdura por sobre las circunstancias y la temporalidad del hecho histórico.

Ny ady tao Falklands dia tantara ifamahofahoan'ny fahavoazana manokan'ny tena, hadisoana ara-politika, tsy firaharahiana ara-diplaomatika ary ny kianjoanjo ara-tafika.

Na izany aza anefa dia tsy hanamatroka velively ny filofosana, ny fandavan-tena, sy ny sitraka ho an'ireo namoy ny ainy niarovana ny fiandrianam-pirenen'i Arzantina ny voka-dratsy sy ny rikoriko nateraky ny ady. Fankasitrahana ny voninahitra nandia ireo tranga sy vanim-potoana samihafan'iny vaninandro manan-tantara iny.

[9]

Sombin-gazety voahetihety tamin'ny 1982 – sary: Laura Schneider

Ny fakàna indray na tsia ireo nosy ireo dia zavatra tao an-dohan'ireo teratany Arzantina mandrakariva. Ilay tambajotra sosialy Facebook [10] no hita ho tohana tsara ho an'ny fitakian'ny sasany, fa tsy nety ho an'ny hafa, toa an'i Mariano Sosa, ao amin'ny vondrona antsoina hoe, “England, give the Falklands back.  They're Argentina's / Angletera, avereno ny vondro-nosy Falklands. An'i Arzantina ireo” [11] [es], miteny hoe: :

no sean ilusos! se piensan q nos van a devolver las malvinas por un grupo q se hace en el face.. no sean ilusos, por favor..

Aza vendrana e! Dia heverinareo ve fa haveriny amintsika ny vondro-nosy Falklands (Malouines) noho ny aminà vondrona Facebook iray.. aza mba vendrana, azafady.