- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bahrain: Nosamborina i “Emoodz”, mpitoraka blaogy

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Bahrain, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Zon'olombelona

Ampahany amin'ny tatitray manokana mikasika ny hetsi-panoheran'i Bahrain taona 2011 [1] ity lahatsoratra ity.

Tamin'ny faha 30 Martsa 2011, dia nosamborina ilay mpitoraka blaogy teratany Bahraini  Mohamed El-Maskati, fantatry ny olona bebe kokoa amin'ny anarana hoe “Emoodz [2]” eo amin'ny tontolon'ny blaogy. Raha araka ny hevitry ny ‘Reporters sans frontières’ [3], ny fisamborana an'i El-Maskati dia niseho taorian'ny fandrahonana tao amin'ny Twitter izay nataon'ny olona iray ao amin'ny fianakavian'ny mpanjaka, ary fantatra tsara  amin'ny hoe @emoodz [4] i El-Maskati ao.

Ao amin'ny Twitter, dia mangataka ny famotsorana an'i El-Maskati ny mponina Bahraini sy ny namany rehetra maneran-tany.

Muhammed El-Maskati's public Facebook profile photo. [5]

Sarin'i Muhammed El-Maskati, mpikambana ao amin'ny Facebook.

Nandefa t [6]weet tamin'ny alalan'ny rohy iray [6]mankany amin'ny tatitry ny Reporters sans frontières amin'ny fiteny Arabo ny foibe miandraikitra ny zon'olombelona ao  Bahrain (@BahrainRights)  toy izao ny voalaza ao:

تدين مراسلون بلا حدود أيضاً حملة القمع الممارس ضد المدوّنين البحرينيين. http://ow.ly/4sSRt #freeemoodz @emoodz #bahrain
Manameloka ny famoretana ny mpitoraka blaogy Bahraini ny ‘Reporters sans Frontières’.

Hoy [7] i Afaf Al-Dawar (@Pearl14Feb):

Mpitoraka blaogy Bahraini iray nosamborina noho izy naneho ny heviny i Mohammed Almaskati @emoodz #FreeEmoodz #Bahrain #feb14

Nanoratra [8] tao amin'ny Twitter ihany koa i Muhammed Abdulla (@mabdulla88):

Izaho mahita mihitsy fa loharanom-baovao isan'ny tsara indrindra tao Bahrain i  @emoodz, any am-ponja izy izao ary tianay rehetra ny hamotsorana azy #FreeEmoodz

Nizara lahatsary [9] iray nalain'i El-Maskati tamin'ny taona 2007 i @Zanoob11:

Ao anatin'io lahatsary maharitra folo minitra io, dia niresaka mikasika ny fitorahana blaogy sy ny Silamo i El-Maskati, ary fiteny anglisy sy Arabo no nifandimbindimby tao.

Nandefa tweet tamin'ny 4 Aprily [10], ny anabavin'i  El-Maskati @Moooly85, mitantara ny andro fahadimy nijanonan'ny anadahiny tany am-ponja:

Andro faha 5:  5 andro izao no nisamboran-dry zareo ny anadahiko ! #FreeEmoodz

Naneho ny fanohanany [11] ihany koa ilay mpitoraka blaogy fanta-daza Mahmood Al-Yousif (@Mahmood), izay voasambotra tamin'ny herinandro lasa:

Malahelo ny fahalalahan-tsain'ny namako @emoodz aho ary tsy andriko mihitsy ny hahitàna azy sy handraisako ny tànany indray. Fantatro hoe ho afaka atsy ho atsy izy. #FreeEmoodz

Nanamarika ny Reporters sans frontières fa i  Mohd Al-Khalifa, iray ao anatin'ny fianakavian'ny mpanjaka izay voahendrikendrika ho nandrahona an'i El-Maskati tao amin'ny Twitter, dia nandefa tweet ahitàna teny fandrahonana an'ireo mpanohana an'i El-Maskati alohan'ny namafany tanteraka ny kaontiny:

Na teo aza izany dia mbola manohy mandrahona ny rehetra tao amin'ny Twitter izay mangataka ny famotsorana an'i Makati i Khalifa: “#FreeEmoodz, ireo rehetra mipetraka eto Bahrain ka manohana ilay mpampihorohoro emoodz, dia ho alaina ny adiresin'ny solosain'izy ireo ary hosamborina izy ireo!”

Tweeted threat from Mohd Al-Khalifa, a member of the Bahraini royal family to El-Maskati's supporters before his account was deleted. [12]

Tweet fandrahonana avy amin'i Mohd Al-Khalifa, iray amin'ny fianakavian'ny mpanjaka Bahraini ho an'ny mpanohana an'i El-Maskati alohan'ny namafany tanteraka ny kaontiny.

Ampahany amin'ny tatitray manokana mikasika ny hetsi-panoheran'i Bahrain taona 2011 [1] ity lahatsoratra ity.