- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Chile: Toeram-Pandiovana (Refinery) Misokatra Indray Na Teo Aza Ny Fahampoizinana Tany An-Tsekoly

Sokajy: Amerika Latina, Shily, Fahasalamàna, Tanora, Tontolo_iainana, Zon'olombelona

Nanapa-kevitra nanakatona sekoly iray ny Ministeran'ny Fahasalamana tany Chile tamin'ny 23 Martsa 2011, taorian'ny fanamarinana fisianà tranga 40 [1] [es] olontsotra sy mpianatra voapoizin'ny solifara, varahina sy akora hafa miaty solifara tany  La Greda, any amin'ny faritr'i Valparaiso [2]. Ireny olona voa ireny dia niaina aretin'andoha sy fandoavana rehefa nahafoka  “entona manga iray” avy ao amin'ny toby fandrendehana an'ilay orinasam-panjakana Codelco [3] (Orinasam-Panjakana Mitrandraka Varahina any Chile). Ankoatra an'i La Greda, mponina sasany amin'ny faritra manodidina ihany koa, toy ny any  Horcón [4] [es] sy La Chocota [5] [es], no tratr'ity loza ity izay, araka ny nambaran'ny  Codelco, dia avy amin'ny tsy fetezana nitranga nandritra ny fanodinana ilay metaly.

Ventanas industrial area, Chile. Image by Flickr user Fernando Mandujano (CC BY-NC-SA 2.0). [6]

Ny faritra indostrialy ao Ventanas, Chile. Sary avy amin'i Fernando Mandujano, mpampiasa Flickr (CC BY-NC-SA 2.0).

Ankoatry ny fanakatonana vonjimaika ilay sekoly, tamin'ny 30 Martsa, Fitsarana iray tao Valparaiso no nanameloka ny Codelco hampiato ny fandrendrehana [7][es] any amin'ny toby fandrendrehany ao  “Ventanas” raha mbola mitohy kosa ny fitohizan'ny raharaham-pitsarana ny Filankevitra Ara-tontolo Iainana ao Quintero sy ireo mpiasa taloha tao amin'ny Enami [es] [8]- Codelco amin'izao fotoana- nitarika ny fanakatonana ny ornasa mandritra ny fanadihadiana.

Tamin'ny 30 Martsa, nampahafantatra i @CEFIRAX [9], mpitoraka bilaogy, mikasika ireo vaovao ireotayamin'ny Twitter:

Tribunales d Justicia paraliza funcionamiento de #Ventanas [10] por contaminación en #Puchuncaví [11] #Paiscontaminante [12] #huelladecarbono [13]

Naaton'ny fitsarana ny asa ao #Ventanas [10] noho ny fandotoana tany  #Puchuncaví [11] #Contaminatingcountry [12] #carbonfootprint [13]

Paola Arévalo (@Lolitalolein [14]) dia nanome ny heviny momba io andro io:

Menos mal que atinaron, la solucion no era cerrar el colegio de #LaGreda [15], si no cerrar la fundicion #ventanas [16]. Obvio!!

Isaorana Andramanitra fa fepetra mendrika no noraisin-dry zareo , tsy nila nanakatona ny sekoly tao  #LaGreda [15] mba hamahàna ity olana ity, fa ny fampiatoana ny fandrendrehana ao #ventanas [16]. Nivandravandra kosa e!

Raha nampahafantatra kosa ny “Antoko Ekolojista” (@ecologistachile [17]) :

Corte paraliza obras de la Fundición #Ventanas [10] de #Codelco [18] por contaminación en Escuela La Greda. Tras… http://fb.me/Uxe8fmWo [19]

Naaton'ny fitsarana ny fandrendrehana ao Ventanas an'ny Codelco noho ny fandotoana nahazo ny sekoly iray tao La Greda…http://fb.me/Uxe8fmWo [19]

Marta Barba, mpikaroka, (@martukabarba [20]) dia nanoratra koa:

Por suerte decidieron x la escuela y no x la fundicion #ventanas [16] … Momentaneamente. A ver q pasa.

Soa ihany, nirona tany amin'ny sekoly ny fanapahan-dry zareo fa tsy tany amin'ny orinasa fandrendrehana ao #ventanas [16] … hatreto. Aleo jerentsika izay hiseho.

Ricardo Díaz (@Aaeero [21]) nientanentana ery niteny he:

Excelenteee pararon #Ventanas [10] ojalá la cierren pobre gente de Puchuncaví hay que puro catetear para que la cierren es el colmo !!

Milay! Naato i #Ventanas [10], faniriako no nanakatonana azy io. Mampalahelo ny mponina ao Puchuncavi! Ankehitriny dia mila mandranitra azy ireo ianareo mba hanakatonany an'io orinasa io. Tafahoatra loatra izany!!

Ilay mpanao gazety, María Paz llanes (@MPazIS [22]), koa dia nankalaza ity vaovao ity:

Que bueno q cierren #ventanas [16]. Tenerlo abierto es como meter presa a la víctima y dejar libre al ladrón

Zava-dehibe ny hoe nakatona i #ventanas [16]. Ny fihazonana azy io hivoha dia sahala amin'ny fihazonana am-ponja ny tra-doza kanefa ny mpangalatra kosa miriaria.

Na izany aza,  ilay fitsarana izay namoaka didy fanakatonana ilay orinasa ihany, no nanome alalana indray ny hanohana azy io 24 ora latsaka taorian'ny nampidiran'ny Codelco fampakarana didim-pitsarana, nampiseho taratasy avy amin'ny Lehiben'ny Departemantan'ny Sekreteram-Paritry ny Ministeran'ny Fahasalamana, Juan Luis Solari, ny orinasa, milaza fa tsy manihintohina ny fahasalaman'ny vahoaka ny asa fandrendrehana.

Fanampin'io, ny Alatsinainy manaraka, 4 Aprily, nahazo alalana hiverina an-tsekoly [23] [es] ny mpianatra tao La Greda taorian'ny fanamafisan'ny Ministeran'ny Fahasalamana fa hoe nanao fanekena an-tsoratra nampanantena ny Codelco fa tsy hisy intsony ny tranga mitovy amin'ny toy ny teo mandritra ny telo volana aorian'ny nivohan'ny sekoly, alohan'ny hamindrana azy io any aminà faritra hafa izay tsy hanohintohina intsony ny teo-pahasalaman'ny ankizy.

Ny Filankevitry ny tanàna ao Puchuncavi, ireo mpiasa fahiny tao amin'ny Enami sy ireo vondrona mpiaro ny tontolo iainana dia mitady ny fomba atao mba hanafoanana ilay fahazoan-dàlana nomen'ny Fitsarana Ambony tao Valparaiso izay namela indray an'ilay orinasa hisokatra.

Hatramin'ny 31  Martsa, hanigana be ny fipoitran'ireo fanehoan-kevitra tao amin'ny Twitter. Angélica Salcedo (@angelicasalcedo [24]), mpanao gazety, dia manohana ny hoe:

El desarrollo económico NO puede fundarse en destrucción del medio ambiente #Ventanas [10]

Tsy tokony hifototra amin'ny fanimbàna ny tontolo iainana ny firoboroboana ara-toekarena #Ventanas [10]

Willy Flores (@willyflores [25]) nanontany:

Lo de #Codelco [18] #Ventanas [10] a lo menos es extraño. ¿No?

Tena karazan-javatra hafahafa no mitranga ao  #Codelco [18] #Ventanas [10], sa tsy izany?

@cubicado [26] nanamarika hoe,

La sistemática destrucción de #Ventanas [10], #Puchuncaví [11] y #LaGreda [15] por parte de ENAMI/CODELCO es cuento viejo. Llevan 40 años matando gente

Ny fandravàna tanteraka sy tsotra izao ny  #Ventanas [10], #Puchuncaví [11] sy #LaGreda [15] ataon'ny ENAMI/CODELCO dia tantara efa ela. 40 taona no efa namono olona ry zareo ireo.

Daniel Fuentealba (@dfuentealba [27]) , mpitoraka bilaogy dia niteny hoe:

Codelco se ríe de la corte suprema… #ventanas [16] sigue funcionando. Con estas acciones los estudios de impacto ambiental no tienen sentido.

Ihomehezan'ny Codelco fotsiny ny fitsarana ambony… mbola mihodina foana ny #ventanas [16]. Amin-javatra toy izao, tsy misy ilàna azy mihitsy ny fanadihadiana momba ny fiantraikany ara-tontolo iainana

Melanie Weissohn (@meluweissohn [28]) nangataka ,

#Fiscalización [29] estricta y responsable para #Codelco [18] #Ventanas [10] y para todas las empresas cuyos desechos y emanaciones sean #tóxicos [30].

fampandraisana andraikitra sy #Fanarahamaso #Monitoring [29] henjana ny  #Codelco [18] #Ventanas [10] ary ho an'ireo orinasa rehetra mamoaka sy mandefa fako #misy poizina #toxic [30]

Mbola ho ela vao hifarana ny resabe.  Lahatsoratra iray [31] [es] manamafy fa tsy olana vaovao akory izay fandotoana izay any La Greda no navoaka tao amin'ny gazety anaty aterineto  El Mostrador tamin'ny 01 Aprily. Fanampin'io, misy ireo fiampangàna mikasika fandrahonana atao amin'ireo mponina manodidina tahaka izay nampahafantarin'ny  Radio Cooperativa sy nomarihan'ilay mpandrindra vaovao Canal_Chile [32] tao amin'ny Twitter :

Vecinos de #Ventanas [10] acusan “amedrentamiento” por parte de funcionarios de #Codelco [18] http://t.co/2eDnhG2 [33] vía @Cooperativa [34]

Ampangain'ireo mponina manodidina ho “mandrahona” azy ny #Ventanas [10] #Codelco [18] http://t.co/2eDnhG2 [33] via @Cooperativa [34]

Mbola fery vao ity tranga ity.

Ventanas Refinery, Chile. Image by Flickr user lukas_y2k (CC BY-NC 2.0). [35]

Ny toby fandiovana ao amin'ny Ventanas, Chile. Sary avy amin'i lukas_y2k, mpampiasa Flickr (CC BY-NC 2.0).