- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nanangana Fikambanana ( BAKE) ny Bilaogera Kenya.

Sokajy: Afrika Mainty, Kenyà, Fahalalahàna miteny, Lalàna, Mediam-bahoaka

Tamin'ny Zoma 25  Martsa, Bilaogera Kenyana maromaro no nanao fivoriana tao an-drenivohitr'i Kenya Nairobi, noho ny fananganana fikambanana vaovao BAKE ( Bloggers Association KEnya) (Fikambanana Bilaogera Kenya). Fivoriana fahaefatra notontosain'ny bilaogera maintimolaly Kenyana  sasany io fivoriana io. Efa maro ny fitarainana natao, fiampangana ary ohatra koa ny fifamaliana tsotra  amin'ny teny miafina ataon'ireo fikambanana bilaogera sy ny fampahalalam-baovao mahazatra momba ny fakan-tahaka [1], ny tsy fanajana ny zon'ny mpamorona sy ny tsy fisian'ny fankasitrahana ankapobeny [2] avy amin'ny fampahalalam-baovao mahazatra [3] manoloana ny fiantrakain'ny vaovao avoakan'ny bilaogy amin'ny famoahana vaovao sy ny  fampahalalam-baovao ao Kenyà. Izany kizo izany dia voarakotra ao amin'ny lahatsoratra bilaogy vao haingana nataon'i  Jacque Ndindan mitondra ny lohateny hoe, Eritreritra sendra nandalo: Ireo lehiben'ny fakan-tahaka mpanao dika-petaka. [4]

Bilaogera Kenyana taminny Barcamp teo aloha. Sary: Njeri Wangari

Ny fototry ny olana dia hoe Ahoana ny ataon'ny tompon'ny fampahalalam-baovao mahazatra hihevitra azy ity ho toy ny tsy misy lanjany loatra rehefa maro ny mailaka fitarainana mankany amin'ny tonian'ny fanoratana fa tsy misy fanasaziana. Matetika tokoa no soratra tsotra hoe “miala tsiny izahay”, no azon'ny bilaogera fa tsy misy resaka tambiny na fankasitrahana. Ao anatin'izany resaka izany, tafiditra ao amin'ny fandaharana sasany amin'ny fivoriana amin'ny Zoma ny fikasan'ireo bilaogera. Nahavariana ihany ny fahitana ny fandraisan'anjaran'ireo bilaogera maherin'ny 20. Vao sambany niatrika izany ny ankamaroany raha resaka zavatra hafa kosa no nanintona ny mpikambana taloha.

Lahatsoratra bilaogy nalefan'i Kachwanya, [5] iray amin'ireo bilaogera  Kenyana mazoto manoratra, ampahafantarina ny fandaharana rehetra sy ny fikasana ary ny tanjona kendren'ny fikambanana.

Ny tanjonay voalohany indrindra dia 1.Mamorona sy mampiroborobo votoatin-tserasera avo lenta avy eto an-toerana sy zava-baovao isan-karazany 2.Manangana dokambarotra an-tserasera azon'ny orinasa Kenyana iainana 3. Hahita fahafinaretana rehefa misera

Zavatra iray izay nahaliana ny maro ny fikasana hanangana fikambanana ifanohanan'ny bilaogera sy iarahany miasa akaiky mba hahatratra ny tanjona iombonana dia ny hanome votoaty an-tserasera mahaliana sy ilaina eto an-toerana.

Nandritra ny adihevitra momba ny fahazoambola izay tsy ahitan'ny ankamaroan'ny bilaogera karazana fandrisihana  amin'ny fangatahan'izy ireo, manaiky ny maro fa na dia teo aza ny fifanaovan-tsonia niarahana tamin'ny orinasa mpanao dokambarotra an-tserasera eran-tany , dia misy zavabitika mampiseho kokoa fa mety hisy ny fialan'[ny orinasa] amin'ny raharaha (fifanarahana). Izay no nanapahan'ny fikambanana, ankoatra ny zavatra hafa maro, tonga amin'ny mora tanterahina kokoa sy mazava kokoa amin'ny fananganana sehatra dokambarotra iray izay azon'ny mpanao dokambarotra ao an-toerana idirana.

Io no mety hahomby kokoa sy hahazoan'ny bilaogera ilay vola fanampiny izay tsy tena tadiavina loatra, [nefa] mba mety hisy [vola] horaisina ihany ny bilaogera.

Wanjiku, [6] iray amin'ireo bilaogera tranainy Kenyana, nilaza fa noraketiny an-tsary ny mahakasika ny www.bake.co.ke and www.bake.com mba hampiasain'ny fikambanana BAKE. Karazan'ireo asa ba fihetsiketsehana karakarain'ny BAKE:-

Asa: • Fampisehoan'ny Bilaogera isaky ny aorian'ny enim-bolana. • Fihaonan'ny Bilaogera sy fotoam-pifaliana isam-bolana. • Fifaninanan'ny Bilaogera momba ny vaovao misongadina amin'izao fotoana ka ahazoana loka govana amin'ny farany ho an'izay maharesy • Mari-pankasitrahana ho an'ny Bilaogy amin'ny faran'ny taona.

Nampahafantarina an'ireo Bilaogera tonga namonjy ny fivoriana fa i Collins Mbalo no mitantana ny bilaogy ‘ Ny vinavinan'i Nairobia’ [7] sy lehilahy mpanoratra ao amin'ny Global Voices [8], izay mikasa ny hanome ny soso-keviny amin'ny resaka lalàna momba ny fanaovana hosoka  sy ny hala-tahaka amin'ny zon'ny mpamorona ihany koa.

Maro ireo nanaiky fa fanapaha-kevitra lehibe izany ary fotoana izao hanombohan'ireo  Bilaogera Kenyana hanao fanambarana miaraka.

Miandry fatratra isika mba hahita vaovao mahafaly hivoaka amin'ny andro manaraka. Efa nisy sahady feo nandeha fa misy orinasa lehibe iray  efa miresadresaka amin'ny BAKE fa hanohana azy amin'ny Fampirantiana voalohany Ataon'ny Bilaogera. Manantena isika fa handrisika tsy ny fampiroboroboana ny bilaogy ihany fa ny votoatiny ihany koa.