- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Syria: Mofo dipaina sy Propagandy

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Syria, Ady & Fifandirana, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona

Raha niditra amin'nyherinandro fahatelo ny fanoherana any Syria, dia nisy fileferana nataon'ny governemanta Assad mba hampitonena ny mpanao fihetsiketsehana. Androany dia nanakatona toeran-doka vaovao misy ao an-toerana [1] ny fitondrana mba hahazoany sitraka amin'ny miozolomana mpitahiry nentin-drazana.

Mandritra izany fotoana izany, manamafy ny sezany amin'ny alalan'ny propagandy ny fitondrana, ny sasany amin'izany moa dia hita any amin'ny toerana tsy ampoizina indrindra. Ity takariva ity ary dia ni-tweet [2] sarina mofo dipaina syriana ahitana hafatra manokana ho an'ny vahoaka syriana ny mpanangom-baovao ao amin'ny CNN Hala Gorani :

Leaflets handed out w/ bread purchase in #Damascus: “#Syria is our sect (…) We are all Bashar…” http://yfrog.com/gzpk8glj

Singan-taratasy miaraka amin'ny mofo dipaina ao Damaskosy: “Syria no fiangonantsika()Miaraka amin'ny Bashar avokoa isika rehetra”
[3]

Mofo Syriana hampiroborobo ny fitiavana an-i Bashar al-Assad (saripika Hala Gorani)

Araka an'i Assia Boundaoui (@assuss), misy mivaky toy izao ihany koa [4] ao anatin'ny singan-taratasy “ao anaty fivoarana tanteraka ny firenena.” Amin'izany, nomarihan'i [5] Maisa Akbik fa na dia ny “Ejipsiana aza dia tsy mba nanao toy izao.”

@sapiensprod naka fomba fijery somary maivamaivana kokoa [6]:

Football league games cancelled in #Syria and propaganda on the bread. Give them bread, no games…meanwhile many people detained…#Bashar

Niato ny lalao fandaka baolina any Syria ary misy propagandy kosa amin'ny mofo dipaina. Omeo mofo ireo fa tsy lalao. Mandritra izany maro ny olona tazonina…#Bashar