- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Syria: Tafaverina soa aman-tsara any an-tranony ny anankiroa, mbola tsy hita kosa i Khaled El Ghayesh

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Syria, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Tanora, Zon'olombelona

Anankiray amin'ireo lahatsoratra manokana momba ny fanoherana tany Syria 2011 [1] ity .

Tamin'ny herinandro lasa teo, ilay teratany amerikana ejipsiana Muhammad Radwan (fantatra amin'ny @battutta ao amin'ny Twitter) no nosamborina [2] tany Syria satria nampangaina ho mpitsikilo sy nahazo fangatahana avy any ivelany handefa sary sy lahatsary momba an'i Syria. Tamin'ny 01 aprily, nilaza [3] ny CNN  fa navotsotra tao amin'ny masoivohon'i Ejipta any Damaskosy i Radwan.

Omaly, Radwan nilaza tao amin'ny twitter [4] fa tafody soa aman-tsara any an-tranony izy:

tafaverina ato an-trano aho*, faly be fa tafody#egypt

Mpianatra amerikana hafa Tik Root, izay nianatra teny Arabo tany Syria, tafaverina tany an-tranony soa aman-tsara koa [5], rehefa notazonina tany am-ponja nandritra ny tapa-bolana. Nosamborina izy tamin'ny 18 martsa satria naka sary ireo mpanao fihetsiketsehana.

Avy any Ejipta @Tom_El_Rumi manao tweet:

Toy ny niverenan'i @battutta tany Ejipta, dia tafaverina omaly tany an-tranony koa ilay mpianatra amerikana hafa Tik Root avy any Syria http://j.mp/dYV5jz #FREEKHALED

[6]Ny teny fototra #FreeKhaled ao amin'ny tweet an'i Tom kosa no milaza an'ilay ejiptiana iray hafa izay tsy hita tany Syria, Khaled El Ghayesh (@kghayesh [7] ao amin'nyTwitter). Araka ny voalazan'i  Hassan El Ghayesh tao amin'ny twitter,dia azo antoka ny nisamborana an'i Khaled; noho izany nanome soso-kevitra izy hampiasana ny teny fototra #khaledmissing (#tsyhitaikhaled) ilazana ity tovolahy ity.

Hassan El Ghayesh miresaka:

Misaotra anao sady misaotra an'i @battutta .. ny tokony ifotoran'ny masoivohon'i Ejipta izao dia ny fitadiavana an'i #khaledelghayesh #khaledmissing

Misy koa ny pejy ao amin'ny Facebook [8] natao hanampiana amin'ny fitadiavana an'i Khaled.

Fotoana fohy taorian'ny nahatongavany tany an-tranony, Muhammad Radwan nizara ny maha voakasika azy koa amin'ny raharaha Khaled, niresaka [9]:

Fitiavana sy fanohanana lehibe. kanefa ny hanafahana an'izao no zava-dehibe amiko, miangavy aho manaova tweet indray

*”Om el donya” adika amin'ny ankapobeny hoe “Renin'izao tontolo izao” ary ilazana an'i Ejipta.