- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Cote d'Ivoire : Mandia ny Ora Farany ny Fitondrana Gbagbo ao Abidjan

Sokajy: Cote d'Ivoire, Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Politika

Nafana aoka izany ny roa andro farany teo amin'ny fivadihan'ny tantara ho an'i  Côte d'Ivoire.

Ireo tafika mahatoky an'i Alassane Dramane Ouattara, Filoha nahazo fankatoavana iraisam-pirenena ao Côte d'Ivoire, sy Guillaume Soro, praiminisitra, dia nanao fanafihana [1] tao Atsimo sy Andrefan'ny firenena, ary tonga tao an-tanàna Douékoué izy ireo tao anatin'ny telo andro latsaka ary nipaka tao  Yamoussoukro ny 30 martsa.

Niditra tao Abidjan ireo Tafika Repoblikana ao Cote d'Ivoire, renivohitra ara-toekaren'i Côte d'Ivoire misy ny Filoha ankehitriny Laurent Gbagbo, izay nandà ny tsy hiala tamin'ny 10 desembra 2010 taorian'ny fahareseny tamin'ny fifidianana Filoham-pirenena, ary mbola mety mipetraka ao izy.

Ireo mpiserasera amin'ny aterineto Ivoiriana nilazalaza ny toe-javatra, ary indreto vaovao fohifohy tamin'ny resadresaka natao.

Mampatahotra ireo gadra ao MACA

Cocoloposo [2] nanoratra tao amin'ny Twitter:
[3]

La MACA (Maison d'Arrêt et de Correction d'Abidjan na fonjaben'i Abdijan) no fonjan’ [4] i d'Abidjan. Taorian'izany fanambarana izany, dia nanomboka natahotra ireo mpiserasera amin'ny aterineto satria nahazo fitaovam-piadiana ireo gadra :

Abidjannais225 [5] namaly an'i  Cocoloposo:
[6]

Maika: vaky ny MACA ary nandositra ny gadra.Hamarino azafady! Tena matotra izany. Mikasa hanao fanankorontanana ny LMP [antokon'i Laurent Gbagbo]

Mpitolona mpiserasera iray “K.” (@Sanders225) no nanamafy [7] tamin'io andro fa gadran'ny MACA, sy avy amin'ny fonga roa hafa koa no nomena fahafahana. Fotoana fohy taty aoriana, fampahalalam-baovao Reuters no nilaza ihany koa fa mihoatra ny 5000 ireo gadra noafahana [8] tao Abidjan

Nanamafy i Sanders225 [7] fa nahazo fahafahana ireo gadra ao MACA, sy tao amin'ny fonja roa hafa:
[9]

MACA, BASSAM sy i  Tiassale voamarina ny amin'ireo gadra

Nanamarina ny fampahalalam-baovao koa  ny vaovao farany maika (dépêche d'agence) [10] avy eo.

Aiza i  Laurent Gbagbo ?

Guillaume Soro, praiminisitra, nanambara fa manana hatramin'ny 19 ora GMT [11] amin'ny 31 Martsa 2011 i Laurent Gbagbo mba hametra-pialana. Niha-nitombo ireo fihetsika miendrika esoeso tao amin'ny Twitter momba ny zava-nitranga tao Cote d'Ivoire, #civ2010 [12]:

Fahefakadiny sisa alohan'ny daty farany nomena, nanoratra i@Malko7 [13]:

Ora-15 minitra

Tonga ny ora farany, Attou_225 [14] nihoraka hoe :

Tonga ny oraaaaaaaaaaaaaaaaa!!!!

@Nnenna [15] nanampy hoe :

Amin'ny 7 ora katroka aty amiko izao. Inona no hitranga?

Nandritra izany fotoana izany, fifandonana [16] feno herisetra no niseho tao amin'ny Radio Televisiona Ivoiriana, hatramin'ny omaly teo ambanin'ny fifehezan'ny mpanohana an'i Gbagbo. Teo anelanelan'ny amin'ny 9 ora hariva sy amin'ny 10: 40 ora hariva, nalefa niverimberina ny horonan-tsary mitovy: Laurent Gbagbo sy ny vadiny Simone, miaraka amin'ireo akaiky azy no mitafatafa ao an-jaridainan'ny trano fonenan”ny Filoha ao Cocody. Toa sahiran-tsaina i Laurent Gbagbo, ary hita fa tsy mahazo ny tena zava-miseho marina ao Abidjan i Simone vadiny, araka ny hita ao amin'io lahatsary io, nalefan'i abidjannetTV [17] tamin'ny aterineto,  sy ny YouTube amin'ny tranokala misy ny fampahalalam-baovao ivoiriana:

Nijanona tamin'ny 22ora40 GMT ihany ny famantarana nataon'ny la RTI , araka ny hita amin'ity sary nozarain'i @batelier59 [18] ity:

[19]

Fara fandefasana ny famantarana nataon'ny RTI cc Batelier59 tamin'ny Twitpic

Araka ny hevitr'i SenamBeheton [20] tao amin'ny Twitter, naseho ireo sary ireo nandritra ny fifehezan'ny FRCI an'i Ouattara ny fahitalavim-panjakana:

Mety efa tonga angamba ireo tompony. Tapitra ny fakana aina?

Araka ny  vaovao vao haingana [21], mety mbola ao amin'ny trano fonenany foana i Laurent Gbagbo sy ny vadiny, nohodidin'ny FRCI an'i Ouattara.

Loha-laharana i Côte d'Ivoire

Narahina akaiky tamin'ny Twitter ireo zava-nitranga farany tao  Côte d'Ivoire , ka #civ2010 sy i Laurent Gbagbo no loha-laharana ao Frantsa :

[22]