Cote d'Ivoire : Mandia ny Ora Farany ny Fitondrana Gbagbo ao Abidjan

Nafana aoka izany ny roa andro farany teo amin'ny fivadihan'ny tantara ho an'i  Côte d'Ivoire.

Ireo tafika mahatoky an'i Alassane Dramane Ouattara, Filoha nahazo fankatoavana iraisam-pirenena ao Côte d'Ivoire, sy Guillaume Soro, praiminisitra, dia nanao fanafihana tao Atsimo sy Andrefan'ny firenena, ary tonga tao an-tanàna Douékoué izy ireo tao anatin'ny telo andro latsaka ary nipaka tao  Yamoussoukro ny 30 martsa.

Niditra tao Abidjan ireo Tafika Repoblikana ao Cote d'Ivoire, renivohitra ara-toekaren'i Côte d'Ivoire misy ny Filoha ankehitriny Laurent Gbagbo, izay nandà ny tsy hiala tamin'ny 10 desembra 2010 taorian'ny fahareseny tamin'ny fifidianana Filoham-pirenena, ary mbola mety mipetraka ao izy.

Ireo mpiserasera amin'ny aterineto Ivoiriana nilazalaza ny toe-javatra, ary indreto vaovao fohifohy tamin'ny resadresaka natao.

Mampatahotra ireo gadra ao MACA

Cocoloposo nanoratra tao amin'ny Twitter:

La MACA (Maison d'Arrêt et de Correction d'Abidjan na fonjaben'i Abdijan) no fonjan’ i d'Abidjan. Taorian'izany fanambarana izany, dia nanomboka natahotra ireo mpiserasera amin'ny aterineto satria nahazo fitaovam-piadiana ireo gadra :

Abidjannais225 namaly an'i  Cocoloposo:

Maika: vaky ny MACA ary nandositra ny gadra.Hamarino azafady! Tena matotra izany. Mikasa hanao fanankorontanana ny LMP [antokon'i Laurent Gbagbo]

Mpitolona mpiserasera iray “K.” (@Sanders225) no nanamafy tamin'io andro fa gadran'ny MACA, sy avy amin'ny fonga roa hafa koa no nomena fahafahana. Fotoana fohy taty aoriana, fampahalalam-baovao Reuters no nilaza ihany koa fa mihoatra ny 5000 ireo gadra noafahana tao Abidjan

Nanamafy i Sanders225 fa nahazo fahafahana ireo gadra ao MACA, sy tao amin'ny fonja roa hafa:

MACA, BASSAM sy i  Tiassale voamarina ny amin'ireo gadra

Nanamarina ny fampahalalam-baovao koa  ny vaovao farany maika (dépêche d'agence) avy eo.

Aiza i  Laurent Gbagbo ?

Guillaume Soro, praiminisitra, nanambara fa manana hatramin'ny 19 ora GMT amin'ny 31 Martsa 2011 i Laurent Gbagbo mba hametra-pialana. Niha-nitombo ireo fihetsika miendrika esoeso tao amin'ny Twitter momba ny zava-nitranga tao Cote d'Ivoire, #civ2010:

Fahefakadiny sisa alohan'ny daty farany nomena, nanoratra i@Malko7:

Ora-15 minitra

Tonga ny ora farany, Attou_225 nihoraka hoe :

Tonga ny oraaaaaaaaaaaaaaaaa!!!!

@Nnenna nanampy hoe :

Amin'ny 7 ora katroka aty amiko izao. Inona no hitranga?

Nandritra izany fotoana izany, fifandonana feno herisetra no niseho tao amin'ny Radio Televisiona Ivoiriana, hatramin'ny omaly teo ambanin'ny fifehezan'ny mpanohana an'i Gbagbo. Teo anelanelan'ny amin'ny 9 ora hariva sy amin'ny 10: 40 ora hariva, nalefa niverimberina ny horonan-tsary mitovy: Laurent Gbagbo sy ny vadiny Simone, miaraka amin'ireo akaiky azy no mitafatafa ao an-jaridainan'ny trano fonenan”ny Filoha ao Cocody. Toa sahiran-tsaina i Laurent Gbagbo, ary hita fa tsy mahazo ny tena zava-miseho marina ao Abidjan i Simone vadiny, araka ny hita ao amin'io lahatsary io, nalefan'i abidjannetTV tamin'ny aterineto,  sy ny YouTube amin'ny tranokala misy ny fampahalalam-baovao ivoiriana:

Nijanona tamin'ny 22ora40 GMT ihany ny famantarana nataon'ny la RTI , araka ny hita amin'ity sary nozarain'i @batelier59 ity:

Fara fandefasana ny famantarana nataon'ny RTI cc Batelier59 tamin'ny Twitpic

Araka ny hevitr'i SenamBeheton tao amin'ny Twitter, naseho ireo sary ireo nandritra ny fifehezan'ny FRCI an'i Ouattara ny fahitalavim-panjakana:

Mety efa tonga angamba ireo tompony. Tapitra ny fakana aina?

Araka ny  vaovao vao haingana, mety mbola ao amin'ny trano fonenany foana i Laurent Gbagbo sy ny vadiny, nohodidin'ny FRCI an'i Ouattara.

Loha-laharana i Côte d'Ivoire

Narahina akaiky tamin'ny Twitter ireo zava-nitranga farany tao  Côte d'Ivoire , ka #civ2010 sy i Laurent Gbagbo no loha-laharana ao Frantsa :


1 hevitra

Ajanony ihany

Hiresaka koa -> Jentilisa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.