- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Côte d'Ivoire: Ara-Dalàna Ve Ny Fitsabahan'ny Avy Any Ivelany?

Sokajy: Afrika Mainty, Cote d'Ivoire, Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Lalàna, Vaovao Mafana

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay mikasika ny  Korontana Côte d'Ivoire 2011 [1]

Mety ho tonga amin'ny dingana farany ao Abidjan ato ho ato ny ady ho amin'ny fahefana ao Côte d'Ivoire, toerana nanombohan'ny Tafika Repoblikana (FRCI) manohana an'i Alassane Ouattar [2]a ny fanafihany an'ireo toerana nofehezin'ny tafik'i Laurent Gbagbo [3], tamin'ny Alatsinainy 4 Aprily. Samy mitaky ny toerana maha-filoha ny roa tonta, taorian'ny fifidianana nifaninanana tamin'ny Novambra 2010, saingy i Ouattara no neken'izao tontolo izao ho nandresy.

Satria nanomboka ny fanafihana hanerena an'i Gbagbo hiala, ny firotsahana an-tsehatry ny hery vahiny, ambara amin'ny fomba ofisialy ho toy ny hetsika atao hiarovana ny sivily, dia nakarina sy noresahana betsaka teo anivon'ny aterineto.

Screenshot from video showing bombardment in Abidjan

Dikasarin'ny fàfana avy aminà lahatsarin'olontsotra iray (etsy ambany) mampiseho ny zera baomba ao Abidjan tazanin-davitra (4 Aprily 2011)

Aloha be tamin'iny tolakandro iny, Choi Young-jin, solontena manokan'ny Sekretera jeneralin'ny Firenena Mikambana ao Cote d'Ivoire dia nilaza tao amin'ny BBC [4] fa ny Fandraisana Andraikitry ny Firenena Mikambana any Cote d'Ivoire (UNOCI) dia mety hirotsaka an-tsehatra ao Abidjan. Hoy izy:

Mikarakara hetsika izahay, tsy azonay leferina ny fanafihan-dry zareo [tafik'Ing Gbagbo] an-jambany sady tsy misy fieritreretana ny sivily sy ireo mpisatroka manga avy amin'ny Firenena Mikambana amin'ny alalan'ny fitaovam-piadiana mavesatra.

Ny kaonty Twitter an'ny Biraon'ny Fiadidiana ny Lapam-panjakana Frantsay dia nanamafy:

@Elysée [5]: Conformément à son mandat, l'#ONUCI vient d'engager des actions visant à neutraliser les armes lourdes contre les populations civiles.

Mifanaraka amin'ny iraka nampanaovina azy, ny UNOCI dia nandray andraikitra hampanginana ireo fitaovam-piadiana mavesatra amelezana ny sivily.

@Elysée [6]: Le Secrétaire général des Nations Unies a demandé le soutien des forces françaises à ces opérations.

Nangataka ny fanohanan'ny tafika Frantsay  ny Sekretera Jeneralin'ny Firenena Mikambana amin'ireny hetsika ireny.

@Elysée [7]: Le Président #Sarkozy a répondu positivement à la demande & autorisé les forces françaises à participer aux opérations conduites par l'ONUCI.

Valinteny fankatoavana no nomen'ny Filoha  Sarkozy tamin'io fangatahana io ary nanome alalana ny tafika Frantsay handray anjara amin'ny hetsika tarihan'ny  UNOCI.

Fanatreha-maso ny fidirana an-tsehatra

Araka ny ambaran'i @Lord225 [8] ao amin'ny Twitter, nanomboka tamin'ny 5:22 ora hariva GMT ny hetsika:

@Lord225: L'assaut est effectif, 17h22 bombardement de plusieurs positions du camp gbagbo, épaisse fumée dans l'air #civ2010 [9]

An-koditra izao ny fanafihana, 5.22 hariva zera baomba atao amin'ireo faritra stratejika maro ho an'ny ankolafy Gbagbo, setroka matevina no eny amin'ny rivotra

Fotoana fohy taorian'ny fanambaràna ny fiantombohan'ilay hetsika, niteny ireo Ivoariana mpiondana aterineto fa nahatsinjo fitaovam-piadiana karazan'ireny fampiasan'ny Hery Manokana Frantsay ireny ry zareo. Israël Yoroba [10], Ivoariana iray mpanao gazety, solontenan'ny TV5 amin'izao fotoana izao any Abidjan, dia nampakatra tao amin'ny kaonty Twitter-ny hoe:

Je confirme que les camps d'Akouédo sont en train d'être pillonés par deux hélico. 1 Puma et 1 Mi 24. Faites le savoir au monde entier

Amafisiko fa iharan'ny zera baomba ataonà angidimby roa Puma sy MI 24 ny tobin-tafik'i Akouédo amin'izao fotoana izao. Aoka ho fantatr'izao tontolo izao izany

Ny  puma dia iray amin'ireo angidimby fitondra manafika fampiasan'ny Hery Manokana Frantsay, araka izay asehon’ity [11] lahatsary nakarina tao amin'ny Dailymotion ity.

Niantso ireo mponina ao Abidjan i Yoroba mba hametraka ny fijoroana vavolombelona [12] avy amin'izy ireo ao amin'ny pejy Facebook-ny [13] mikasika ny zava-mitranga amin'izao fotoana:

Pendant que que la force française bombarde à Abidjan, des populations racontent en direct comment elles vivent ces tirs http://lnp.sn/Zwj

Mandritra  ny fandarohana baomba an'i Abidjan ataon'ny tafika Frantsay, milaza mivantana aminay ny fomba iainany an'ireny tifitra ireny ny mponina

Ireto fanehoan-kevitra vitsivitsy:

Sedrick Ngotta [14] izay ao Abidjan dia miteny hoe:

Je confirme c est pas les rebel mais les blancs qui nous pillone oh mon dieu!

Amafisiko, tsy ny mpihoko no mandaroka baomba anay, fa ry zareo fotsy hoditra. Andriamanitra ô!

Peter Zéphirin Wahi [15] ao Abidjan dia manamafy:

Bombardements des helicos des forces licornes du camp d'akouédo, et l'onuci vient de tirer sur la residence du Chef de l'Etat à cocody et la Présidence au plateau à partir d'helico.

Fandarohana baomba ny tobin-tafika Akouédo ataon'ny angidimby an'ny Tafika Frantsay, ary ny UNOCI dia vao avy nitifitra indrindra ny toeram-ponenan'ny Filoha ao Cocody, sy ny Lapam-panjakana ao Plateau, avy eny ambony angidimby.

Tao amin'ny YouTube AfricaWeWish [16] dia nampakatra lahatsary iray maneho izay faritan-dry zareo fa  “fandarohana baomba ny tobin-tafika ao  Akouédo nataon'ny UNOCI sy ny tafika Frantsay”:

MLDoss1 [17] koa dia nizara lahatsary iray nalaina tany akaikin'ny tobin-tafika  Akouédo:

Fanehoan-kevitra momba ny fitsabahan'ny vahiny

Avy amin'ny faritra rehetra manerana an'i Afrika, nitondra fanamarihana mikasika io fitsabahan'ny iraisampirenena io daholo ireo mpiondana aterineto:

Tao amin'ny pejy Facebook an'ny  “La majorité Présidentielle [18]” (Antokon'i Gbagbo), izay misy ‘mpitia’  7.231, manome ny famaritany ny fahavononany hiady ho an'ny firenen-dry zareo.

Vakaba Diaby [19]:

j'ai pu me rendre près d'un camp et j'ai suivi et subi les bombardements, mais ma foi en la victoire de la Côte d'Ivoire ne fait que grandir

Afaka nanatona faran'izay akaiky ny tobin-tafika aho , nanaraka sy niharan'ny zera baomba, saingy tsy mitsahatra mitombo ny finoako ny ho fandresen'i  Côte d'Ivoire

Anicet Bidza [20] izay monina any Frantsa dia manampy hoe:

Nous devons nous mobiliser ici en France pour interpeller l'opinion publique Française!!! Ce qui se passe est extrêmement grave et le silence assourdissant des autres pays Africains est un crime contre la cote d'ivoire!!!

Mila mihetsika isika eto Frantsa mba hisarika ny sain'ny vahoaka Frantsay!!! Zava-doza ny zava-misy ankehitriny ary ny fahanginan'ireo firenena Afrikana hafa dia heloka bevava ataony amin'i Côte d'Ivoire!!!

Amin'ny tenifototra  #civ2010 [21] ao amin'ny Twitter, natokana ho an'ireo vaovao momba an'i  Côte d'Ivoire, misy mizara ny ahiahiny ny sasany mikasika ny mety ho tombontsoa na tsia entin'ity fidirana an-tsehatry ny avy any ivelany ity :

Kaya-Mangan Cissé miteny hoe:

@freerci [22]: Je suis pour le depart de Gbagbo mais contre l'intervention de la france et de l'ONU.

Mankasitraka ny fanalàna an'i  Gbagbo aho, saingy tsy ankasitrahako kosa ny fitsabahan'i Frantsa sy  ny  UNOCI.

Ara-dalàna ve io?

Bruno Ben Moubamba, Gabone mpanao politika , mpirotsaka hofidiana fahiny tamin'ny fifidianana izay ho filoham-pirenena taona 2009 tany Gabon, dia nanoratra tao amin'ny bilaoginy [23] [fr] tamin'ny 4 Aprily 2011 fa nanao heloka an'ady i  Nicolas Sarkozy tamin'ny fanitsakitsahany ny lalàna iraisam-pirenena. Ny Tafika Mitam-piadiana Frantsay dia napetraka tany Côte d'Ivoire ho toy ny mpiantoka fandriampahalemana, nantsoina hoe  Operation Unicorn [24] (Opération Licorne) hatramin'ny niantombohan'ny  Ady sivily Ivoriana [25] tamin'ny 2002-2007. Moubamba manoratra fa fanapahan-kevitra roa an'ny Firenena Mikambana no nampahatsiahy momba ny fampiasana fitaovam-piadiana mavesatra amin'ny sivily ataon'ireo tafika ireo, indrindra indrindra fa ny Fanapahan-Kevitra Faha 1726 Noraisin'ny Firenena Mikambana [26] tamin'ny 1  Novambra 2006 sy ny Fanapahan-kevitra faha-1975 (PDF [27]) tamin'ny 30 Martsa 2011.

Faranany amin'ny hoe nivoaka ny vàla famaritana ny Operation Unicorn ny governemanta Frantsay tamin'ny nandraisany anjara tamin'ireo daroka baomba tao Abidjan:

Il s’agit ni plus, ni moins, de la part de la Présidence de Nicolas Sarkozy, d’UN ACTE GRAVE d’Agression. Cet acte engage à son insu le peuple français

Resaka HERISETRA FARAN'IZAY TENA RATSY nataon'ny fitantanan'i  Nicolas Sarkozy tsy anampiana tsy analàna iny. Iny fihetsika iny dia mandrirotra ihany koa ny vahoaka Frantsay na tsy sitra-pony aza.


Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay mikasika ny  Korontana Côte d'Ivoire 2011 [1]