Ny Sabotsy 2 Aprily 2011, nanoratra ny tantara ireo “lehilahy mitafy manga” any India tao amin'ny toeram-pilalaovan'i Wankhede ao Mumbai rehefa resin-dry zareo tamina wickets enina i Sri Lanka [1] ary nanandratra avo toy ny fomban'ny mpandresy ny Amboaran'ny Tompondaka Erantany amin'ny Cricket. Vao vitan'ny kapitenin'ny Indiana fotsiny ny andian-toraka enina nataony, dia nitosaka ny haravoan'ireo mpiray tanindrazana aminy, na tao an-tanindrazana izany na tany ivelany, sy nisitraka tamim-pifaliana ny singa rehetra tamin'ity fandresena efa nandrandraina ela ity, fandresena nentina am-bavaka mafy tokoa.
Ireto sombin-tsary tamin'ny Sabotsy. Aleo ny sary no hilaza aminareo ny tantaran'izy ireo.
[2]Vahoaka be nanaraka ny lalao tao amin'ny toeram-pivarotana goavana iray tao Chennai.
Sary avy amin'ny Rakesh Ashok, mpampiasa Flickr [2] ampiasàna ny CC BY-NC-ND 2.0 [3]
[4]Ny Ekipa Indiana no Tompondaka vaovao!
Sary napetapetaka avy amin'i Eustaquio Santimano, mpampiasa Flickr [4], ampiasàna ny CC BY 2.0 [5]
[9]
…ary mpankafy nifety sy niravo tany amin'ny faritra hafa manerantany koa. Avy ao NYC (sary etsy ambony) hatrao amin'ny Kianjaben'ny Trafalgar (sary etsy ambany). Hita nanao fankalazana tamin-karavoana teny rehetra teny ireo Indiana mpankafy.
Sary avy amin'i coc, mpampiasa Flickr [10], ampiasàna ny CC BY-NC-ND 2.0 [3]