Ny Sabotsy 2 Aprily 2011, nanoratra ny tantara ireo “lehilahy mitafy manga” any India tao amin'ny toeram-pilalaovan'i Wankhede ao Mumbai rehefa resin-dry zareo tamina wickets enina i Sri Lanka ary nanandratra avo toy ny fomban'ny mpandresy ny Amboaran'ny Tompondaka Erantany amin'ny Cricket. Vao vitan'ny kapitenin'ny Indiana fotsiny ny andian-toraka enina nataony, dia nitosaka ny haravoan'ireo mpiray tanindrazana aminy, na tao an-tanindrazana izany na tany ivelany, sy nisitraka tamim-pifaliana ny singa rehetra tamin'ity fandresena efa nandrandraina ela ity, fandresena nentina am-bavaka mafy tokoa.
Ireto sombin-tsary tamin'ny Sabotsy. Aleo ny sary no hilaza aminareo ny tantaran'izy ireo.
Vahoaka be nanaraka ny lalao tao amin'ny toeram-pivarotana goavana iray tao Chennai.
Sary avy amin'ny Rakesh Ashok, mpampiasa Flickr ampiasàna ny CC BY-NC-ND 2.0
Ny Ekipa Indiana no Tompondaka vaovao!
Sary napetapetaka avy amin'i Eustaquio Santimano, mpampiasa Flickr, ampiasàna ny CC BY 2.0
![647388 [640x480]](https://globalvoicesonline.org/wp-content/uploads/2011/04/647388-640x480.jpg)
Mpankafy eny ambonin'ny kodiarandroa sy tany anatin'ny fiaran-dry zareo tao Rajkot mankalaza ny fandresena azon'i India. Sary avy amin'i Devarshi Pathak. Copyright Demotix.
![647440 [640x480]](https://globalvoicesonline.org/wp-content/uploads/2011/04/647440-640x480.jpg)
Indiana mpankafy, teny an-dalamben'ny Marine Drive tao Mumbai. Sary avy amin'i Arindam Dey. Copyright Demotix.
![648835 [640x480]](https://globalvoicesonline.org/wp-content/uploads/2011/04/648835-640x480.jpg)
Fankalazana teny an-dalamben'i Delhi satria nandresy tamin'ny fiadiana izay ho tompondaka erantany tamin'ny cricket i India 28 taona taty aoriana, raha nandavo an'i Sri Lanka tany amin'ny lalao famaranana Sary avy amin'i Sharbendu De. Copyright Demotix
…ary mpankafy nifety sy niravo tany amin'ny faritra hafa manerantany koa. Avy ao NYC (sary etsy ambony) hatrao amin'ny Kianjaben'ny Trafalgar (sary etsy ambany). Hita nanao fankalazana tamin-karavoana teny rehetra teny ireo Indiana mpankafy.
Sary avy amin'i coc, mpampiasa Flickr, ampiasàna ny CC BY-NC-ND 2.0