Ity lahatsoratra ity dia fitantarana manokana ataonay momba ny Fihetsiketsehana tao Syria taona 2011.
Nanao kabary tamin'ireo solombavambahoaka Syriana ihany ny Filoha Bashar Al Assad tamin'ny Alarobia 30 Martsa rehefa niandry ela sy nangataka andro maromaro. Niarahaba azy tamin'ny alalan'ny tehaka mirefodrefotra sy horakoraka ireo solombavahoaka tamin'ny fahatongavany tao, ary matetika ny kabary nataony no notapahan'ny solombavambahoaka iray manao tononkalo fiderana.
Tabilao mampiseho ny Filoha Syriana Bashar Al Assad, Jolay 2010. Sarin-i Flickr nampiasain'i sharnik (CC BY-NC 2.0).
Tsy tsara ny nandraisan'ireo mpampiasa Twitter izany. @syrianrebels ni-tweet:
الشعب يريد إسقاط مجلس الشعب
ary Muhammad Basheerao amin'ny Al Jazeera nanampy hoe:
الشعب يريد إسقاط النفاق
Wael Alwani, Syriana mpianatra ao Arabia Saodita dia nilaza hoe:
للأسف أشعر بالخزي من مجلس الشعب هذا … انا سوري و هذا المجلس لا يمثلني … مجلس نفاق
Ayman, Syriana mpila ravinahitra, dia nanambara ny fanantenany voalohany momba ny fanovàna nandrasana:
Manantena aho ny fanovàna dia hanomboka amin'ny fandroahana ireo solombavambahoaka manorisory ireo
Sasa(@syrianews), Sirana mpitoraka bilaogy sady mpampiasa twtter dia nanolotra ny sosokeviny ho fanatsarana ny toe-draharaha:
zavatra 4 no tokonyh atao: ajanony ny antsoantso, AJANONY. ajanony ny fiampangana ny al jazeera. ajanony ny fiampangàna ireo vahiny. atombohy ny filazàna zavatra, #basharspeech
Shadi Hamid ni-tweet ampahany fohifohy tamin'ny kabarin'i Assad ho an'ireo izay tsy naheno izany:
Famerenana fohifohy ny kabarin'i Bachar : fanovàna angamba. Teti-dratsin'ny vahiny . Ratsy ny fantsona avy amin'ny zana-bolana#Syria
@AnonymousSyria nitsikera:
Fitondrana iray manohitra ny fanovàna, andraikitsika no manapa-kevitra amin'izany, amin'ny Zoma, fa tsy anatin'ny 10 taona araka ny nolazainy! #Syria
Satria nifarana tsy dia nisy filazana fanovana azo tsapani-tanana ny kabary, dia nanomboka naneho ny hatezerany sy ny hadisoam-panantenana ireo mpampiasa Twitter. Syriancitizen nilaza hoe:
فعلاً يابشار كنت خارج التوقعات جميعها. كنا نتوقع أن ترمي بالفتات وإصلاحات شكلية. أما مجرد خطبة عصماء وكفى!!!!!! #syria
Nizara ny fihetsehampo ankapoben'ireo vahoaka izay nanaraka ny kabary i Dina Jaffary , nilaza izy fa:
mahagaga tokoa, ny kabary iray izay tokony ho lafatra indrindra amin'ireo kabariny tsara indrindra no tena ratsy indrindra …#basharspeech
Ary i Seleucid nanampy hoe:
Syriana aho. Rehareha ho ahy lalandava ny fireneko, raha tsy toy izany kosa ireo mpitondra azy.
Leo i RevolutionistSY, ni-tweet izy hoe:
شباب انا رايح اسمع سميح شقير .. يا حيف بس يا حيف .. اكتفيت من هالمهزلة .. تصبحو ع وطن #Syria #15March