02 Avrily 2011

Tantara tamin'ny 02 Avrily 2011

Syria: Fanoherana ny Kabarin'ny Filoha Assad

Nanao kabary tamin'ireo solombavambahoaka Syriana ihany ny Filoha Bashar Al Assad tamin'ny Alarobia 30 Martsa rehefa niandry ela sy nangataka andro maromaro. Niarahaba azy tamin'ny alalan'ny tehaka mirefodrefotra sy horakoraka ireo solombavahoaka tamin'ny fahatongavany tao, ary matetika ny kabary nataony no notapahan'ny solombavambahoaka iray manao tononkalo fiderana.

Taiwan: Antso mba hanopaza-maso ny politikan'ny angovo

  02 Avrily 2011

Nampitahotra ny vahoakan'i Taiwan ny tranga niseho tany amin'ny toby nokleary any Fukushima any Japana, momba ny fiarovana ny toby nokleary any amin'ny fireneny. Mba hamadihana ny olana misy amin'izao fotoana ho politika maharitra ho an'ny governemanta, mpampiasa aterineto maro no nangataka ny governemanta Taiwanais mba hamerina handinika tsara ny politikam-pirenena momba ny angovo sy ny orinasa.

Mampidi-doza ny fiainana manokan'ireo mpampiasa azy ny Microsoft: Tsy misy HTTPS any amin'ireo firenena Arabo, Iran

GV Mpisolovava  02 Avrily 2011

Amin'ny hetsi-panoherana mbola mitohy sy ny famoretana mafy ataon'ny governemanta any Afovoany Atsinanana, mampidi-doza ny tsy fahatoniana ao amin'ny aterineto izay mety hisy akony lehibe eo amin'ny fiadanan'ireo mpampiasa aterineto any amin'ny faritra. Laharam-pahamehana ny fiarovana ny mailaka ary tokony hipetraka ho azy ny fampiasàna ny HTTPS. Manao izany ny Gmail, raha mamela...