Kolombia: Vondrom-Piarahamonina Indizena Miaro Ny Fahavitan-tena Ara-Tsakafony

Vegetables

Vokatra novokarin'ny vondrom-piarahamonina indizena

Nanao dingana ho fiarovana ny fahavitan-tena ara-tsakafony ireo vondrom-piarahamonina Indizena any Kolombia. Tsy hoe fotsiny mampianatra ny mpiara-monina aminy hihinana izay novoleny teo an-jaridainany izy ireo, toy izay hividy sakafo lafo netina avy any ivelany, fa koa manohitra ny lalàna vaovao  sy ny fameperana ny fahazoan'izy ireo manjifa ronono.

Ity lahatsary voalohany (Esp) ity dia mampiseho ny fifamorian'ireo mpiaramonina tao amin'ny toerana natokana ho an-dry zareo indizena tao  Huellas Caloto, izay nanasàna ireo avy amin'ny tanàna hafa hitondra sakafo natao tamin'ny vokatra avy eo amin'ny tany novolen-dry zareo ihany.  Ranomboankazo, porridge, mofomamy sy vokatra hafa nampiasaina ho ohatra mampirara-kivy amin'ny hoe tsy voatery hiankina amin'izay vokatra nafàrana na novidiana  akory ny fikarakaran-dry zareo ny sakafony, fa ny fangaro avy eo an-toerana sy ny nentin-drazana.

Ao anatin'ireto lahatsary roa manaraka ireto (amin'ny teny Espaniola koa) no azontsika hijerena ireo vondrom-piarahamonina indizena  Misak ankoatry ny maro hafa mizotra ho any Bogota renivohitra mba hanao fanoherana ny lalàna iray vaovao mandràra ny fivarotana ronono manta. Ao anatin'ny vondrom-piarahamonin-dry zareo, izay ifampivarotan'ny mpifanolo-bodirindrina ny ronono sy mameno izay sakafony isanandro aminà vokatra avy eo an-toerana ihany, ny fametrahana lalàna iray mamepetra ny fivarotana ronono manta dia midika fa tsy maintsy mividy ronono efa voakarakara amin'ny vidiny lafo ry zareo, izay hisy fiantraikany na ho an'ny mpanjifa ronono na ho an'ny mpivarotra. Nomena ny lohateny hoe  “Tsy mahafaty ny Ronono am-bifotsy, Mahafaty kosa ny hanoanana”.

Part 1

Part 2

Olana goavana koa ny fahadiovan'ny rano: ao anatin'ity lahatsary manaraka ity, ny Sekoly Ambony Fianarana Momba ny Fifandraisana avy any Avaratr'i Cauca dia mampiseho antsika tranga roa samihafa mifamatotra amin'ny olan'ny rano ary ny fomba hamahàna azy ireny. Amin'ny tranga voalohany, vehivavy iray manasa lamba eny an-drenirano, ary mpifanolo-bodirindrina aminy no tonga miteny azy am-pahatsorana fa hoe ranon-tsavony no azon'izy ireo ery ambany ery noho izy manasa lamba eo. Miala tsiny izy ary miaiky fa tsy noheveriny hahatafintohina ny hafa ny fihetsiny ka hangataka ny ao an-tranony hanangana toerana fanasàna lamba ho azy izy mba tsy handoto intsony ny renirano. Setrin'izany, namaly azy ilay mpifanolo-bodirindrina aminy fa am-pifaliana tokoa no hanampiany azy ireo amin'ny fitadiavana vahaolana sy  hanangana izany. Ny sary faharoa dia mampiseho mpizahatany eo akaikin'ny moron-drano, toerana nanaovan'izy ireo fitsangatsanganana saingy navelan-dry zareo teo ny  fakony. Tonga avy any ny mpikambana iray avy ao amin'ilay vondrom-piarahamonina ary nitaraina noho ny loto tavela, no sady nandraoka  ny fako.

Izany  sy ireo asa hafa ataon'ireo vondrom-piarahamonina indizena ao Kolombia dia azonao arahana ao amin'ny  tranonkalan-dry zareo (amin'ny teny Espaniola).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.