- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tonizia: Voaraoka ny Minisitry ny Atitany, Tezitra ny Bilaogera

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Tonizia, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika

Tafintohina ireo bilaogera Toniziana tamin'ny fanesorana ny Minisitry ny Atitany vonjimaika Farhat Rajhi androany.Tamin'ny fihetsika tsy nampoizina, dia nosoloina an'i Hbib El-Seed izy.

Nandritra ny fihetsiketsehana izay namely ny firenena ny tapaky ny volana desambra tamin'ny taona lasa, niventsoventso ireo mpanao fihetsiketsehana hoe “Minisitera mpampihorohoro ny Minisiteran'ny Atitany.” Raha voatendry ho Minisitry ny Atitany anefa i Rajhi, dia nanomboka nihalefaka ny fahasosorana tamin'ny Minisitera. Araka izany, niasa toy ny Minisitry ny Atitany izy nandritra ny roa volana, nahazo indray ny fahatokisan'ny vahoaka noho ny fangaraharahany, sy noho ny fiezahany namaly ny hetahetan'ireo vahoaka ary noho ny toetranny tia vazivazy ihany koa.

Ny andro voalohany nandraisany ny asa, dia nanala mpiasa-panjakana ambony mpanao kolikoly miisa 45 i Rajhi. Nanome fahafaham-po tamin'ireo fitakiana roa lehibe notadiavin'ny olona izy – dia ny fandravana ny RCD, antokon'ny fitondrana teo aloha endriky ny famoretana sy ny kolikoly, ary ny Polisy miafina. Nandray anjara tamin'ny famerenana ny  filaminana sy nanao izay hampitombina ny fitondrana taorian'ny fanjakan'i Baroa tao Tonizia nanjaka tany Tonizia rehefa voaroaka ny Filoha Toniziana teo aloha Zeine Al Abedine Ben Ali. Na dia teo aza ireo zava-bita malaza nataon'i Rajhi’, dia mbola tsy fantatra mazava ny antony nanesorana azy.

Nidera an'i Farhat Rajhi ny bilaogera:

Nandray ny vaovao tamin-katezerana sy fahagagana noho ny antony tsiambaratelo mbola nanesorana an'i Farhat Rajhi indray ireo bilaogera .
Tezitra mafy tamin'ny Praiminisitra vonjimaika Beji Caed Sebsi i Nizar Toumi noho ny fanapaha-keviny nanaisotra an'i Rajhiwas . Nanoratra [1] izy hoe:

فرحات فرحات الرّاجحي قد أخذ على عاتقه تلبية مطالب الشّعب التّونسي تناغما مع ثورته المجيدة و اتّخذ خطوات عمليّة في وزارته متحمّلا مسؤوليته في إدارة هذه الوزارة فقام بالتنسيق مع رئاسة أركان الجيش بالقبض على بعض رموز الفساد و إقالة بعض قيادات الأجهزة الأمنية و أصدر تعليماته للأمن بعدم الاعتداء على المواطنين ، و حظر عمل التّجمّع نهائيّا و تقدّم بقضيّة في حلّه و مصادرة ممتلكاته ، و حلّ البوليس السّياس ه
Ny asa mavesatra niantsorohan'i Farhat Rajhi dia ny hamaly ny hetahetam-bahoaka, ho setrin'ny revolisiona mamirapiratra nataony. Nandray fepetra mivaingana izy tamin'ny fampandehanana ny minisiterany ary miara-miasa amin'ny lehiben'ny etamazaoron'ny tafika amin'ny fisamborana ireo olo-malazan'ny kolikoly, tamin'ny nandroahana mpiasampanjakana ambony maromaro misahana ny Fiarovana, ary nanome baiko ireo mpitandro ny filaminana tsy hanao herisetra amin'ny olom-pirenena. Nandrara ny RCD (antokom-panjakana teo aloha) tsy hanao na inona na inona intsony koa izy, ary nitondra ny raharaha teo anivon'ny fitsarana mba hanafoana ny antoko RCD ka hogiazana ny fananany rehetra, ary nanafoana ihany koa ny Polisy miafina izy.

Nampiany hoe:

لمّلمّا جاء “هيبة الدّولة” منعه من المبادرة و من الاتّصال بوسائل الإعلام بدعوى أنّ النّاطق باسم الحكومة هو الوحيد المخوّل له الإدلاء بالتّصريحات ، و منع من اتّخاذ أيّ قرار منفردا و وقع إلزامه فقط بتطبيق قرارات الحكومة “هيبة الدّولة” ، ثمّ طُلب منه القبض على ناشطي الفيس بوك … و لم يفعل … فوقعت إقالته ، فرحات الرّاجحي كان بمثابة الجلد بالنّسبة للجسد ، الحاجز الأوّل لحمايته من الجراثيم

Ary raha lasa Praiminisitra ny  “Laza tsaran'ny Firenena” (Tamin'ny fihaonany voalohany tamin'ny mpanao gazety, nilaza ny PM Beji Caed Sebsi fa vaindohan-draharahany ny hamerina ny firenena Toniziana amin'ny  “lazany”), nandrara an'i Farhat Rajhi tsy hifandray amin'ireo fahalalam-baovao izy ary mody nolazainy fa anjaran'ny mpitondra-tenin'ny fanjakana no miandrakitra ny filazana ara-panjakana . Voarara tsy handray fanapaha-kevitra manokana koa izy, fa tsy maintsy manatanteraka ny fanapaha-kevitry ny governemanta ny “Laza tsaran'ny Firenena”. Manaraka izany, nangatahana koa izy mba hisambotra ireo mpitolona ao amin'ny Facebook …saingy nolaviny izany… vokatr'izany dia noesorina izy. Toy ny hoditra amin'ny vatana i Rajhi; ka sakana voalohany miaro azy amin'ny otrikaretina.

Nilaza [2] i Merkhi Souhail:

Je croyais que le président provisoire n'avait pas le pouvoir de limoger un ministre ! En tout cas c'était ce que j'avais cru lire dans les articles de notre feu constitution.

Nihevitra aho fa tsy manana fahefana handroaka minisitra ny Filoha vonjimaika. Izany no novakiako tao amin'ny fehezan-dalàna ao amin'ny lalampanorenana taloha.

Nampiany hoe:

Le profane que je suis ne peut trouver de bonnes raisons pour démettre cet homme simple de discours et qui avait démontré une efficacité jamais vue dans notre gouvernance. Ces deux qualité lui ont valu un grand respect et une popularité qui ferait mourirde jalousie nos politiciens en paille .

Na dia olona tsy mahalala aza aho,  dia tsy mahita ny tena antony mazava nandroahana io olona feno fahatsorana rehefa miteny amin'ny vahoaka io, sy nampiseho fahombiazana izay mbola tsy fahita teo amin'ny governemantatsika. Ireo toetra roa mampiavaka azy ireo no nitondra azy ho olona mana-kaja sy olo-malaza, ka nahatonga ireo mpanao politika saribakoly hialona.

Fikambanan'ny Facebook miaraka amin'i Farhat Rajhi:
Ao amin'ny pejin'ny Facebook  “Isika rehetra miaraka amin'ny Minisitry ny Atitany Farhat Rajhi” “Tous Unis Avec le Ministre de l'Intérieur Farhat Rajhi” [3] ( All United with the Interior Minister Farhat Rajhi), i Sinda Boukhari nanoratra: [4]

tous unis bech nraj3ou Mr farhat rajhi ministre de l'interieur

Miray hina ny rehetra fa hiverina ho Minisitry ny Atitany Andriamatoa Farhat Rajhi.

Alohan'ny naha-Minisitry ny Atitany azy, dia mpitsara i Rajhi. Pejy Facebook hafa [5] indray no natao. Nahataona olona mpankafy maherin'ny 3000 tao anatin'ny 24 ora monja,ny lohateniny dia hoe:

لنا مع رجوع الراجحي كوزير عدل و يا السبسي يزي مالظلم نحن نقرر

Miray ny rehetra mba hamerina an'i Back Rajhi eo amin'ny  Governemanta ho Minisitry ny Fitsarana ary ampy izay tsy fahamarinana izay Sebsi (PM), Izahay no manapa-kevitra