Taiwan: Fanadihadiana Manokan'Ireo Mpanao Fihetsiketsehana Manohitra ny Nokleary

Toby mpamokatra angovo nokleary faha-efatra no an-dalam-panorenana izao any Taiwan, ao amin'ny tanànan'i Gongliao, 40 km monja miala ny tanànan'i Taipei.

Tamin'ny 1988, valo taona taorian'ny nanapahan'ny Taiwan Power Company hevitra voalohany hanangana ny toby mpamokatra angovo nokleary faha-efatra, nanao fihaonana momba ny niafaran'ny fikambanan-dry zareo manohitra ny nokleary ireo mponina ao Gongliao. Tamin'ny 1994, ireo mponina ao Gongliao dia nanao ny fitsapan-kevibahoaka izay azy ireo manokana ka nahitàna fa  96% amin'ireo mponina ao an-toerana no manohitra ny fananganana ilay toby famokarana angovo nokleary.

Photo courtesy of <a href=Alvin Chua (CC BY 2.0).

Na izany aza, tsy niraharaha ireny fomba fijery ireny sy nanafoana tsotra izao ireny feo ireny ny governemanta.

Tamin'ny 1991 [zh], taorian'ny fanorenan-javatra nataon'ireo mpanohitra teo amin'ilay toerana nomanina hisy ilay toby mpamokatra angovo nokleary, dia nanandrana namotika ireo talantàlana natao ho fanoherana ny polisy.

10月3日,因警方違反協議拆除棚架並毆打自救會會長引爆激烈衝突,衝進圍籬的箱型車因撞到柱子翻倒而意外壓死一名保警,史稱1003事件。郝柏村內閣趁勢聯合媒體抹黑自救會和支持反核者,開車的反核義工林順源被判無期徒刑、自救會執行長高清南被判十年徒刑。

Tamin'ny 3 Oktobra [1991], nisy fifandonana henjana taorian'ny tsy fanajan'ny polisy ny fifanekena teo aloha sy namotehany ny talantalana, ary nidarohany ny filohan'ny fikambanana manohitra ny nokleary. Maty tsy nahy tamin'izany ny polisy iray raha nandona andry ny mpamily fiara iray ka nikipily ny fiarany. Io no nantsoina taty aoriana hoe loza faha 1003. Taorian'ilay loza, ireo mpitantana tao an-toerana dia nanentana ny mpampita vaovao mba hanao izay haharesy tondro-maso ny fikambanana manohitra ny nokleary sy ny  mpanohana azy ireo. Io mpamily io, Shun-Yuan Lin (林順源), izay mpirotsaka an-tsitrapo ao anivon'ny fikambanana manohitra ny nokleary dia voampanga sy voaheloka mandra-pahafaty. Fanampin'izany, ny Lehibe mpanatanteraky ny fikambanana, i Ching-Nan Gao (高清南) dia voaheloka hifonja folo taona an-tranomaizina.

Tamin'ny 1999, taorian'ny nankatoavan'ny Filankevitry ny Angovo Ataomika ny fahazoana alàlana hanangana ilay foibe famokarana angovo nokleary faha efatra, tsy nisy filazàna mialoha fa tonga dia nosintonin'ny governemanta daholo ny fahazoan-dàlana manjono ho an'ireo mponina tao Gongliao. Nolavin'ny mponina ny onitra natolotry ny [zh] governemanta sady nandeha nanao hetsi-panoherana io fanapahan-kevitra io tany amin'ny  Antenimiera mpanatanteraka tao Yuan ry zareo.

憤怒的漁民把經濟部逕自撥給漁會的兩億多元補償金支票立刻退回,集結到立法院門前高喊:「還我漁業權!」「我們要給子孫代代吃,不是要給我們吃而已!」

Taorian'ny nandefasan'ny Ministeran'ny Raharaha Ara-toekarena taratasim-bola ho an'ireo fikambanana mpanjono tao an-toerana, naverin'ireo mpanjono tezitra ireo ilay taratasim-bola mitentina  NT$ 200 tapitrisa (USD 6.78 tapitrisa). Nifamory teo anoloan'ny Sampan-draharaha mpanao Lalàna tao Yuan ry zareo ary nihiakiaka ny hoe, ‘Avereno izao dieny izao ny zonay hanjono!’ ‘Mangataka izahay, ho an'ny taranakay ho avy, fa tsy ny ho anay ihany,  mba hanana hanin-kohanina.’.

Tamin'ny 2000, ireo mafàna fo mpanohitra ny nokleary ireo dia nanangana ireny korisarisa filalaovana ireny taorian'ny nandraisan'ny kandidà avy amin'ny Antoko Demaokratika Liam-pivoarana ny toerany. Nanapa-kevitra ny hampiato ny asa fanorenana ilay foibe faha efatra  famokarana hery nokleary ny antoko teo amin'ny fitondrana. Na izany aza, satria ny disadisa politika [zh] teo amin'ny antoko teo amin'ny fitondrana sy ny antoko mpanohitra mbola tsy nilamina velively, ilay  ‘fanafoanana’ koa dia nofoanana indray tamin'ny 2001.

亞洲金融風暴的後座力到2001年在台爆發,佔立法院多數席次的國民黨把經濟衰退的帳「理所當然」地推給核四停建,民進黨則反手把黑鍋推給貢寮鄉民。

Ny toekarena ao Taiwan dia manaraka ny onjan'ny olana ara-bola aziatika tamin'ny 2001. Ny Kuomingtang, ilay antoko maro an'isa ao amin'ny mpanao lalàna ao Yuan, dia nanambara fa ny fampiatoana ny fananganana ilay foibe faha efatra famokarana angovo nokleary dia tompon'antoka amin'ireo olana ara-toekarena. Amin'ny lafiny iray, ny Antoko Demaokratika Liam-pivoarana dia nanamafy fa ireo mponina ao dia tokony nandray andraikitra tamin'ny fampiatoana ilay asa fanorenana ilay foibe famokarana angovo.
Après plus de 20 ans de protestations contre la centrale nucléaire, la construction a repris, en laissant aux habitants de traiter avec leur propre peur, sans espoir [zh].

Taorian'ny 20 taona mahery nanaovana hetsika hanoherana ilay foibe famokarana angovo nokleary, nitohy indray ny asa fanorenana, namela ireo mponina ao an-toerana hiatrika samirery ny ahiahiny tsy misy fanantenana [zh].

「看核電廠距離我家那麼近,當然馬ㄟ驚啊!」坐在澳底仁和宮前看年輕人表演的貢寮老人嘆氣說,但都快要蓋好了,你能拿政府怎麼辦?

Ilay lahiantitra mitorevaka manoloana ny tempoly ao  Aodi sady mitazana ny firoson'ny tanora vitsivitsy (avy amin'i NONUKE). Nisento izy, ‘mazava loatra fa matahotra aho hoe ho tena akaiky dia akaikin'ny tranoko no hisy ilay foibe nokleary.’ Na izany aza, efa an-dalam-pahavitàna ilay foibe. Inona moa no azonao atao manoloana ny governemanta?

Ao Japana, misy ihany koa ireo fihetsiketsehana mandeha amin'ny anaran'ny tenany manokana manohitra ilay foibe famokarana angovo nokleary ao. Ireo mponina (latsaky ny 500) ao Iwaishima (祝島) [zh] dia nanohitra foana ny fametrahana foibe nokleary tao an-toerana nandritra ny 28 taona mahery.

儘管平均年齡已65歲,這群阿伯阿母、阿公阿嬤仍不放棄對抗蠻橫的國家機器,「我們不想千年流傳下來的海被污染」。

Na dia eo amin'ny 65 taona eo aza ny salan-taonan'ireo mpanao fihetsiketsehana ireo, ireo zokiolona ireo dia tsy nihemotra mihitsy tamin'ny fanoherana nataony ny governemanta mahametran-dry zareo. Hoy ny tenin-dry zareo, ‘Lova napetrak'ireo razambentsika efa an'arivon-taona maro ny ranomasina. Tsy sitrakay ny hahita azy io ho voaloto.’

Ny hatsika natao tain'ny 2010 ho fanoherana ny foibe faha efatra famokarana angovo nokleary, avy amin'i Alvin Chua (CC BY 2.0)

Taorian'ilay horohorontany faran'izay goavana indrindra teo amin'ny tantaran'i Japana nitranga tamin'ity volana ity, nisy ny ahiahy momba ny solika nampiasaina tao amin'ny vondrom-pihary faha-3 tao amin'ny foibe famokarana angovo nokleary tao Fukushima I:

Saika tsy dia hita firy tany anatin'ireo tatitra isankarazany avy amin'ireo fampitam-baovao mahazatra ny momba ny zava-doza mahazo ny foibe nokleary ao Daiichi Fukushima, io dia noho ny fisian'ny taharo  ‘mixed-oxide’ (MOX) tena faran'izay mampidi-doza tokoa tany anatin'ny  enina isan-jaton'ireo taho mpiteraka angovo tao amin'ny vondrom-pihary Sampana faha-3.
Na izany aza, tsy dia maro ny olona mahalala fa enina volana lasa izay dia nisy vondron'olona tsy nandry saina natsangan'ireo zokiolona Japone  (福島老朽原発を考える会) ho an'ny foibe famokarana angovo nokleary tao Fukushima I [jp] ary namakivaky làlana ho any Tokya hanohitra ny  Tokyo Electricity Power Company  (orinasa mpamokatra herinaratra ao Tokyo) sy ny fampiasàna ny loharanon'angovo MOX.

運転開始34年の老朽炉に10年以上前の古い燃料を使うという無茶をするのに、県民への説明は一切なしというのはどういうことか。

Natosik'izy ireo lavitra mihitsy izy ity tamin'ny nampiasàna ny angovo antitra hatrany amin'ny folo taona lasa, taminà vondrom-pihary efa manana fahanterana efa ho 34 taona, ary tsy nisy fanazavàna mihitsy nomena ireo mponina tao amin'ilay prefektiora. Inona daholo no dikan'izany?

止まらぬ燃料漏えいへの対処、電源喪失事故の原因究明、格納容器の耐震強度問題等々、危険なプルサーマルの前に東電には対処すべきことが山積している。東電にプルサーマル炉の運転を任せることなどとてもできない。

Hitady ny làlana hanakanana ny fivoahan'ny solika vaky, fanaovana fanadihadiana ny antony mahatonga ny fijotsoan'ny heriny, famahana ireo olana mifandray amin'ny fahafahan'ireo sambo misedra ny  horohorontany , sns, ny Tokyo Electric Power Company dia manan-javatra aman-taoniny tsy maintsy atrehany alohan'ny fametrahana ny vondrom-pihary mihodina amin'ny plutonium. Tena zava-mahasorena ny famelàna ny  TEPCO hitrandraka ilay vondrom-pihary ahodina amin'ny plutonium

Roodo, mpitoraka bilaogy Summerlake, taorian'ny nahitàny ireo sary[zh] avy amin'ireo hetsika nataon-dry zareo tany Tokyo, dia niteny hoe:

孤單的幾個人站在熱鬧的街頭上,顯得突兀,沒有媒體願意傾聽,沒有社會大眾願意相信,他們微弱而真實的聲音。貢寮鄉親在台北城街頭的身影,突然那麼令人難過。大家在哪裡?

Ireo mpanao fihetsiketsehana amin'ny anarany manokana dia nijoro teny amin'ireo làlana be mpampiasa. Toa hafahafa ny fijery azy teo amin'ny tanàna. Tsy mba nisy mpampita vaovao nihaino azy ireny. Tsy nisy naniry hihaino ny feon'izy ireo iva, nefa tena niloatra avy ao am-po. Ny sarin'ireo mponina avy ao Gongliao mijoro eny an-dàlambe tao an-tanànan'i Taipei dia tena nahatonga ahy halahelo tampoka. Aiza ireo olon-kafa?
.
.
Fisaorana: Misaotra an'i Hanako Tokita nanao ny fandikàna Japone-Anglisy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.