- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Qatar: Rahona artifisialy mitatao ny Kianja

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Katara, Fanatanjahantena, Hehy, Hevitra, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana
Source: Qatar University [1]

"rahona artifisialy" ao @ kianjan-i Anjerimanontolon-i Qatar. Sary Qatar University

Nanosika ilay firenena kely saingy manankarena halaza indray ny fisian'ny tetikasa iray hamoronana fitaovana mamorona rahona vitan'olombelona azo baikoan-davitra, mandeha amin'ny herin'ny masoandro entina hampangatsiatsiaka ny eny an-kianja.

Efa herinandro izay ny gazety The Peninsula no nanoratra azy ity an-tselika misy tsanganana telo mitantara ny fikarohana ataon'ny ao amin'ny Anjerimanontolon'i Qatar hamorona  “rahona artifisialy” izay mety ampiasaina eny an-kianja filalaovana ho fampangatsiatsiahana izay milaza ny vaovao ho avy amina gazety Arabo.

Roa andro taty aoriana, Vaovao lehiben'ny BBC Sport page [2] izany ary miaraka amin'ny lahatsary fampihetsiketsehana ilay “rahona” voabaiko avy amin'ny Anjerimanontolon'i Qatar.

Andro manaraka dia nivoaka tao amin'ny CNN:

Ary nanomboka hatreo dia nitety ny Time [3], NBC Sports [4], Fast Company [5], Bldg Blog [6], ny Daily Mail [7], Engadget [8]ary io9 [8], raha tsy hanonona afa-tsy ireo.

Angamba ny nampihomehy indrindra – sy nisy namerimberina an-tsiokantsera indrindra – kosa dia hita tao amin'ny Yahoo! Sports: Qatar stole its artificial cloud idea from The Simpsons [9] [Nangalarin'i Qatar ny hevitry ry Simpson momba ny rahona artifisialy]:


Tao amin-ny tantara navoaka ny 1995 mitondra ny lohateny hoe “Iza no nitifitra an-Atoa Burns?” nanao tetika hanagana ampinga goavana hanakana ny tara-masoandro ny tompon-ilay tobim-pamokarana angovo izay ratsy fanahy C. Montgomery Burns mba hahatonga ny tanànan-i Springfield ho anaty aizina hatrany.

Hoy ny voasoratra hoe “raha nametraka ny dian-tanany ihany koa i Qatar, ny hevitra fototra kosa dia mazava fa nalaina avy amin'ny tantara an-tsary nivoaka 16 taona lasa izay”, na dia tsy ara-dalàna aza dia izao ny valinteny avy amin'ny mpanoratra teo aloha tao amin'ny Simpsons:

@thatbilloakley: [10] Tokony handoa vola hono ny hevitra i Qatar: http://yhoo.it/g1EcMo

Noho ny fiverimberenana sy ny fandefasana tsy ankiato dia nahazo siokantsera an'arivony ny tantaran'ny “rahona” Amboara Manerantany.

@sgmansfield: [11] Hamorona rahona nataon'olombelona i Qatar hiatrehana ny Amboara Erantany 2022,Efa nisy naheno ny fanakona-masoandro ve ô? http://bit.ly/ghd2Ur

@staffordmasie: [12] Masaka e! Hamorona rahona voabaiko ny Anjerimanontolon'i Qatar; Mba hampihena ny hafanana araka izay tratra eny amin'ny pelozin'ny Amboara Erantany http://t.co/RnleHP9

@mabdrabbo: [13] Rahona vaobaiko ho an'i Qatar 2022 WC [Amboara Erantany] ? Cool ! Ahoana indray ny tabataba mety aterany ? http://bit.ly/dLRoKK #qatar #worldcup #2022 #football

Mananihany ny hafa:

@digitalcastro: [14] Rahona ambonin'ny Kianjan'i Qatar 😉 Hevitra tsara http://twitpic.com/4dohml

@hmalsabah: [15] Io ve izany Rahona Qatar eo ambonin'i #kuwait? :p http://plixi.com/p/86752846

Ny hafa kosa moa dia milaza fa leon'ny resaka tsy mety tapitra amin'ity tantara ity.

@DavidQatar: [16] @james_Corbett Miely tahaka ny afo ny tantaran'ity rahona ity- tsy misy ifandraisany amin'ny Q2022 – mpampianatra iray ao qatar mieritreritra ny hikaroka momba azy ity fa tonga dia boom

@dohanews: [17] Fa hiberimberina mandrakizay ao amin'ny Twitter ve ity rahona artifisialin'ny Amboara Manerantany ao Qatar ity e??

Na izany na tsy izany dia ho hita eo na hisy na tsy hisy mandritra ny Amboara Erantany FIFA 2022 any Qatar ny fandaniambola mahatratra $500,000 mba hamoronana izany rahona izany.