Tsy Maharesy Lahatra ny Antoka Nomen'i Taïwan Momba ny Fiarovana ara-nokleary

Vokatry ny loza nokleary tao Fukishina, Japana, nangatahana ankehitriny ny hijerena indray ny politikan'ny angovo nokleary ao Taïwan, ary izany dia amin'ny fomba manokana satria ny toby nokleary faha-efatra dia eo an-dalam-panamboarana ihany koa.

Lin Tsung-yao (林宗堯), mpikambana ao amin'ny Komity mpanara-maso ny Fiarovana ny toby nokleary fahaefatra, dia nangataka tamin'ny orinasa Taiwan Power mba hanao fanadihadina lalina momba ny fanamboarana ny toby nokleary fahaefatra :

核四廠卻是「拼裝產品」台電發包設計,國內採購制度最常採取低價標. 因產品採購時間及品質不一, 整個興建工序混亂目前進入試運轉,也面臨原始顧問公司及「奇異」解約問題,缺乏有經驗的顧問監督。

Fitambaran-toby maromaro ny toby nokleary faha-efatra… Ny orinasa Taiwan Power ihany no namorona ny toby ary niandraikitra izany. Raha nividy ireo kojakoja tao Taïwan izy, dia nisafidy ny hividy izany amin'ny vidiny mora kokoa amin'ny ankapobeny. Satria ireo kojakoja ireo dia efa novidiana tamin'ny vanim-potoana samihafa ary amin'ny endriny isan-karazany, nampidi-doza ny dingana nanamboarana ny toby … Ankehitriny, efa manomboka ny andrana fa saingy mbola miatrika olana izahay toy ny fanafoanana ny fifanekena tamin'ny orinasa mpanoro-hevitra tahaka ny orinasa General Electric. Araka izany, tsy manana mpanoro-hevitra matihanina intsony izahay, na mpanara-maso ny toby.

Evette, Bilaogera ao Roodo, miahiahy koa ireo olana izay mety mbola hiseho amin'ny fanakambanana ny toby:

我做工業設計的, 各個製造商像日立東芝三菱富士設計圖的小數點進位規格不同是確實的. 而那0.5mm的差別作機構的最清楚. 可以想像核電廠由那麼多上下游工廠出品的組件零件建構在一起, 其中的誤差所造成的後果可不是手機造壞了再造一台那麼簡單!

Mpahaikanto (designer) momba ny indostria aho. Marina tokoa fa ireo orinasa mpamokatra toy ny Hitachi, Toshiba, Mitsubishi et Fuji dia tsy mampiasa izany rafitra desimaly izany amin'ny fitsipiky ny asany. Fantatry ny olona tompon'andraikitra amin'ny fampandehanana ny rafitra ihany ny fahasamihafan'ny 0.5 mm amin'ny kojakoja amboarin'ireo orinasa isan-karazany. Afaka mieritreritra mora foana isika fa raha mampiasa kojakoja maromaro namboarin'ireo orinasa betsaka mba hanambarana ny toby nokleary, dia tsy mora mihitsy ny mitantana ny zava-doza izay mety ateraky ny fanamboarana diso. Tsy mora fehezina tahaka izay mitranga amin'ny fahadisoana amin'ny fanamboarana finday ny fiantraikan'ny fahadisoana tahaka izany, satria amin'ny iray dia mora ny mandrafitra finday hafa indray.

Na dia eo aza ireo olana ara-pilaminana, nanambara ny Filoha Taïwaney Ma Ying-jeou fa ny governemanta dia efa nitsipaka ny fangatahan'ireo solombavambahoaka mpanohitra mba hanajanona ny tetikasa izay tokony hatao amin'ny taona 2012.
Summerlake, bilaogeran'ny Roodo, nitaraina fa tsy novalian'ny governamanta ny ahiahin'ireo matihanina :

這樣的專業質疑,卻未曾得到重視,反而成為政府公關急著澄清、 掩蓋的"民眾疑慮"。”?

Tsy ataon'ny governemanta ho toy ny zava-dehibe ny hevitr'ireo matihanina. Mifanohitra amin'izany, heveriny fa toy ny “ahiahin'ny hafa” ka tsy tokony ho fantarina raha tsy efa mazava tsara.

nuke IV, Ny toerana anamboarana ny toby nokleary fahaefatra. Sary nahazo fanomezana alalana avy amin'ny Muhchyng sy ny licence Creative Commons Attribution 2.0 Generic.

Etsy andaniny , efa nangatahana tamin'ny Taiwan Power ,  orinasa tantanin'ny fanjakana izay mpamokatra herinaratra lehibe indrindra ao Taïwan sy ny mpandraharaha manao ampihimamba ny herinaratra, izay mety ho ataony raha toa ka mety hitranga ao Taïwan koa ny loza mitovy tao amin'ny toby nokleary ny Fukushima, nanambara i Taiwan araka izany fa handray fepetra hentitra mba hanakanana ny tranga toy izany tsy hiharatsy. Manontany tena ilay bilaogera Summerlake matetika raha mety ampiharina ao Taiwan izany “fepetra henjana” izany:

而台電和原能會所謂的斷然措施,又怎麼以人民為優先呢?說穿了,頂多就是規劃了一個半徑五公里(頂多十公里)的撤退圈,但是也從來沒有演習或明確實施過, 萬一要擴大到二十公里,那就進入大台北範圍,環保團體預估要撤退160萬人,台電和原能會更是從來沒有構想過。到底是怎麼以人民為優先?

Ahoana no ahazoan'ny olom-pirenena tombony amin'io fepetra hentitra voalazan'ny orinasa Taiwan Power sy ny Filankevitry ny Angovo atomika io ? mety hanao faritra amoahana ny taratra 5 km (na koa maherin'ny 10 km) izy ireo. Fanampin'izany, dia tsy hijery mihitsy ireo fomba tokony amoahana ireo olona ao izy ireo. Raha miseho izany toe-javatra izany, ary raha mila faritra fivoahan'ny taratra 20 km isika, dia mety hampiditra ny tanànan'i Taipei izy ireo. Raha sanatria ka tonga izany, mihevitra ireo mpiaro ny tontolo iainana fa mponina 1.6 tapitrisa no ho voakasika amin'izany fivoahana izany. Raha tsy mandinika izany zavatra izany ny orinasa Taiwan Power sy ny Filankevitry ny Angovo atomika, ahoana no ilazany fa hahazo tombony ny olom-pirenena?

台電和原能會言下之意更把核災撤退,當作是暫時傷害,像地震搖過就沒事一樣. 可是,核災一旦發生,當地輻射污染可能持續數年,更遑論輻射塵擴散.

Ny tian'ireo orinasa Taiwan Power sy ny Filankevitry ny Angovo Atomika lazaina dia mety hiteraka fahasimbana mitovy amin'ny horohorontany ny loza ateraky ny toby nokleary. Kanefa, raha misy loza ao anatin'ny toby nokleary, maharitra an-taona maro ny fifindran'ny taratra “radioactive”, sy ny fiparitahan'ny vovoka “radioactive”.

Raha mijery ny valin-tenin'ny orinasa Taiwan Power manoloana ireo fanontaniana mikasika ny olana momba ny Fiarovana ny toby nokleary fahaefatra napetrak'i Yoichi Kikuchi, nilaza i Chiong-Yue Li fa:

台電過度自滿, 核安最大危機.

Mipetraka amin'ny fitompoan-teny fatratra ny orinasa Taiwan Power ny mety hisian'ny krizy lehibe indrindra momba ny Fiarovana ara-nokleary .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.