- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Syria: Mpi-tweet Ejipsiana-Amerikana voampanga ho manao asam-pitsikilovana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Israely, Syria, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Hafanàm-po nomerika, Politika, Teknolojia, Vaovao Mafana

Nosamborina tany Syria ary naseho tamin'ny televiziona Syriana ho mpitsikilo [1] ny mpisera Twitter Ejipsiana-Amerikana Muhammed Radwan (@battuta [2]), mpitsikilo [1] lazaina fa nitsidika an'i “Isiraely miafina sady efa nanaiky fa nandray vola avy any ivelany ho takalon'ny fandefasana sary sy lahatsary momba an'i Syria.”

Araka ny nolazain'ny masoivohom-baovao Syriana (SANA) dia nampangaina ho mandray “imailaka avy any ivelany izany manadihady ny fahafaha-mandefa sary sy lahatsary moma an'i Syria ” i Radwan.

Nampiany koa:

“He received an email asking if he was prepared to assist a Spanish-speaking person from Columbia who communicated with him via email in preparation for a meeting and sending photos and videos.

He said that he was selected because he lived in Syria and carries a camera-equipped mobile phone and can benefit from this opportunity.”

Naharay mailaka izy raha miomana hanampy ilay olona mpiteny espaniola avy any Kolombia izay mifandray aminy amin'ny alalan'ny mailaka ho amina fivoriana iray ary handefa sary sy lahatsary.

Nolazainy fa voafidy izy noho ny fonenany any Syria ary mitondra fakantsary misy finday izay ahafahany mahazo tombontsoa amin'ity tolotra ity.

Injerniera miasa amina orinasa tsy miankina i Radwan. Niteraka resabe sy adihevitra tamin'ny mpisera nanerana ny faritra ny fisamborana sy fiampangana azy ity, ka maro no naminany fa hahatonga ny mpisera Ejipsiana iray manontolo hanohitra ny fitondran'i Assad ity fisamboran'ny Syriana Ejipsiana iray ity.

Indreto misy resaka vitsivitsy momba ny fisamborana an'i Radwan ity hita tao amin'ny Twitter:

@deena_adel [3]: Mpisera Ejipsiana @battutta nosamborina tany #Syria lazaina fa mpitsikilo. TSY MARINA. Ilaina ny fitodihan'ny mpampita vaovao. aelezo ny teny azafady.

@3arabawy [4]: Nisambotra ny namako @battutta ny fitondrana Syriana ary miampanga azy ho mpitsikilo! http://bit.ly/gkNikY Fahadalana mihoampampana!

@weddady [5]: televiziona #Syria mampiseho Ejipsiana mizaka zom-pirenena Amerikana, milaza fa nitsidika an'i Isiraely mangingina ilehio ary niangaviana hitondra sary ny lahatsary

@weddady [6]: Oh mihatsara izy izany, lazaina fa Ejipsiana Amerikana iray niangaviana Kolombiana iray hanome sary sy lahatsary amin'ny alalan'ny aterineto. tahaka ny hevitr'i Hugho chavez izy izany

@cairowire [7]: Nisambotra Ejipsiana Amerikana ho manao asam-pitsikilovana i Syria (indrindra noho ny fananany finday fakantsary): http://is.gd/IAXtel #mar15 (via @SheriefFarouk)

@norashalaby [8]: Ny tweet farany nataon'ny rahalahiko @battutta's dia omaly maraina tao amin'ny moske Umayyed rehefa niresaka momba ny fifandonana izy!

@norashalaby [9]: Tsy nandeha hatry ny omaly ny findainy ka nisy namana nankany an-toerana saingy tsy nisy olona tany @battutta #syria

@weddady [10]: Fahadisoana ara-paikadin'ny fitondran'i #syria : tamin'ny nisamborana an'i @Battutta dia nahavory ny tontolon-tsera ejipsiana hanohitra azy ry zareo. #Egypt

@SultanAlQassemi [11]: Tsy ny Ejipsiana ihany. MT @weddady (Syria) tamin'ny nisamborana an'i @Battutta dia nahavory ny tontolon-tsera ejipsiana hanohitra azy ry zareo.

Mazava loatra raha nahazo vaovao momba ny fisamborana azy ny Masoivoho Ejipsiana any Damaskosy.

Ao amin'ny Twitter ihany, dia ny tenifototra #FreeRadwan [12] no famoriana ny fanohanana.