Iran: Fanoherana Syriana “Sady tsy Iran No tsy Hezbollah!”

Niresaka momba ny hiakiaky ny mpanao fihetsiketsehana Syriana nandritra ny diabe alarobia lasa teo ny mpamaham-bolongana Iraniana sasantsasany fa tamin'io diabe io no nandrenesana hiaka hoe “Sady tsy Iran no tsy Hezbollah!”.  Naman'i Iran i Syria sady samy mpiakama rahateo amin'ny vondrona  mpikatroka  Hezbollah any Libanona.

Raha nanohy ny fanginany manoloana an'i Syria hatrany ny gazetin'ny fitondrana Iraniana, manandratra ny feony momba ny fahatezan'ny hetsika misy any kosa ny mpamaham-bolongana Iraniana.

Ao amin'ny vohikalam-pifampizarana malaza Balatarin, dia maro ny olona no namoaka rohy tamina lahatsarina mpamao fihetsiketsehana Syriana manao hiakam-panoherana ny fitondrana Iraniana regime.

Tamin'ny fanovozan-kevitra namoahan'i Iran fanambarana nandritra ny vaovao ho “manohana ny vahoaka Bahrainita” ka miantso ny tafika Saodiana hiala amin'io firenena io, sy ny tsaho an-tserasera [tsy manana ny porofon'izany izahay] fa mitady hanefa ny tafiny hanohana ny fitondrana Syriana ihany koa i Iran, no nanoratra ny mpamaham-bolongana Iraniana Iranesabz [fa]:

I was surprised. Iran complains about Saudi forces of repression in Bahrain but it sends its own forces to repress people in Syria.

Gaga aho. Mitaraina momba ny hery famoretana Saodiana any Bahrain i Iran nefa mandefa ny tafiny hamoritra ny vahoaka any Syria.

Nefa dia efa naneho ny fanohanany ireo fihetsiketsehana any Libya sy any an-toeran-kafa ihany koa ny fitondrana Islamika. Irancnn niteny [fa]:

The Islamic Republic considers it good when people around the world go to the streets and protest, except when it comes to Iranians, Lebanese, Syrians and Venezuelans. Yesterday Iranian protesters were considered rioters, today it is the turn of Syrians.

Heverin'ny Repoblika Islamika ho tsara rehefa ny olona manerana izao tontolo izao no midina an-dalambe ka manohitra, ankoatra ny Iraniana, ny Libaney, ny Syriana ary ny Venezoelana. Omaly nolazaina ho mpirotaka ny mpanao fihetsiketzeham-panoherana Iraniana, androany dia anjaran'ny Syriana indray.

Ny bolongana Siah o Sefid (midika hoa fotsy sy mainty) moa dia nanontany [fa] nahoana ny televizionam-panjakan'ny Repoblika Islamika no tsy milaza na inona na inona amin'ny vaovaon'ny fanoherana Syriana sy ny olona vonoina any.

Manoratra i Dolatemeli [fa] fa raha miongana ny mpanao didijadona any Syria dia hisy olana goavana ny politika raharaham-bahinin'ny Repoblika Islamika. Hanao izay fomba rehetra azony atao noho izany ny fitondrana Iraniana mba hahafahan'ny fitondrana Syriana mitazona ny fahefana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.