- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Brezila: Ny Sandan'ny Famatsiana Ara-Bola ny Kolotsaina

Sokajy: Amerika Latina, Brezila, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Sarimihetsika, Teknolojia, Zavakanto & Kolontsaina

Vaovao vao haingana ny hoe navelan'ny Ministeran'ny Kolotsaina Breziliana ilay mpihira malaza Maria Bethânia [1] mba hanangona volaR$ 1.3 tapitrisa tsy tataovan-ketra (ny reais Breziliana iray dia tokony ho  US$ 777,000 eo  h eo) mba hananganana bilaogin-tononkalo, ary izany dia niteraka hatezeran'ireo mpitoraka bilaogy, ny mpampiasa Twitter sy ireo mafàna fo hafa amin'ny sehatry ny kolotsaina.

Ny famatsiana ilay tetikasa dia toa miainga avy amin'ilay antsoina hoe Lei Rouanet [2] (Lalàna Rouanet) [pt], izay natao indrindra indrindra handrisihana ny fampiroboroboana ny kolotsaina Breziliana. Ilay lalàna dia manome fahafahana ireo orinasa sy olontsotra hampiasa ampahany amin'ny hetrany anatinà tetikasa ara-kolotsaina.

Brazilian singer Maria Bethânia. Image by João Milet Meirelles, under Creative Commons 2.0 license. [3]

Ilay Breziliana mpihira, Maria Bethânia. Sary avy amin'i João Milet Meirelles, nampiasàna ny fahazoan-dàlana Creative Commons 2.0.

Araka ny ambaran'ny [4][pt] vohilaka Comunique-se, ilay mpihira Bethânia dia hanao fandraketana lahatsary 365 ho an'ny bilaogy O Mundo Precisa de Poesia (Mila Tononkalo Izao Tontolo Izao), ka ao anatin'izany no hiventesany ny tononkalo nosoratany. na avy aminà mpanoratra hafa:

Os 365 vídeos, um para cada dia do ano, serão dirigidos por Andrucha Waddington, famoso cineasta. O valor do blog e a escolha do cineasta para dirigir os vídeos causaram polêmica. Muitos internautas questionam se Maria Bethânia não conhece o WordPress, Blogspot e YouTube, ferramentas gratuitas.

Ireo lahatsary 365, iray isan'andro mandritry ny taona, dia ho eo ambany fandrindran'ilay mpamokatra sarimihetsika malaza Andrucha Waddington [5]. Na ny sandan'ny fanhgananan bilaohy na ny fisafidianana ny  mpamokatra sarimihetsika handrindra ny lahatsary dia samy niteraka resabe avokoa. Maro tamin'ny fanakianana no manontany tena raha mba efa nandre na tsia  ny fisian'ny fahafahana mitoraka bilaogy maimaimpoana sy sehatra malalaka eto anivon'ny aterineto i Bethânia, toy ny  Wordpress, Blogspot sy YouTube..

Avotr'aina ara-kolotsaina

Ny kiana fototra nentin'ireo mpitoraka bilaogy  sy mpampiasa dia nifantoka tamin'ny sandan'ilay tetikasa sy ny hoe mpanakanto manana ny lazany toa an'i Bethânia ve dia mila miditra amin'ny làlana toy izany vao hahita mpanohana, raha etsy andaniny ireo mpanakanto madinika vao misondrotra tsy mahita akory ny làlan-kombany mba hivoahan-ko velona.

Poster of the protest "We want to be Maria Bethania". By Leon Prado on Facebook. [6]

Afisy lehibe tamin'ilay hestika "Mba te ho Maria Bethania izahay". Avy amin'i Leon Prado tao amin'ny Facebook.

Tao amin'ny  Twitter, the reactions have been of outrage:

@M_Caleiro [7]: Bethãnia é uma grande artista, não se contesta. Mas não precisa de dinheiro público para montar blog, enquanto muitos, com talento, precisam

@M_Caleiro: mpanakanto goavana i Bethânia, tsy iadian-kevitra. Saingy tsy mila ny volam-bahoaka izy mba hananganana bilaogy, raha ny maro, manana talenta kosa, mila izany

@bete_davis [8]: @M_Caleiro [9] tb acho que ela e o andrucha não precisam disso, verba pra cultura devia ir pra quem ñ consegue captar

@bete_davis: @M_Caleiro Mihevitra koa aho fa tsy mila an'io ny  thar andrucha, ny vola natao ho an'ny kolotsaina dia tokony handeha any amnin'ireo izay tsy afaka mamory izany vola izany

Ao amin'ny Facebook, ilay mpisolovava Maria Carolina Campos [10] comments [11] [pt]:

depois dos outros 3 milhões que ela conseguiu pra turnê que aqui em BH custava quase R$ 200,00 o ingresso!

taorian'ny 3 tapitrisa azony tamin'ny fitetezana nataony taty Bosnia Herzegovina BH [Belo Horizonte] izay nisanda R$200 teo hatrany ny tapakila iray!

Ny fanomezan-dàlana avy amin'ny Ministeran'ny Kolotsaina ho an'ilay tetikasa dia midika fa hamotsotra hetra analinaliny ny fanjakana:

@viniciusduarte [12]: Autorizar a Bethânia a captar R$ 1,3 mi corresponde ao governo ABRIR MÃO de R$ 520 mil em impostos, no mínimo.

@viniciusduarte: Ny fanomezan-dàlana an'i Bethânia hamory R$ 1.3 tapitrisa dia FAMOTSORAN'ny governemanta hetra manodidina ny  R$ 520,000 raha kely indrindra.

@viniciusduarte [13]: No mínimo, porque ela pode captar 100% do valor com pessoas físicas (há mercado pra isso) e o valor sobe pra R$ 1,04 mi.

@viniciusduarte: Raha kely indrindra [R$ 520,000], satria afaka mamory 100% izany sandaizany avy amin'ny tsirairay izy (misy tsena natao ho an'izany) sady ny kajikajy dia tafakatra hatramin'ny R$ 1.04 tapitrisa.

Pablo Villaça, avy amin'ny bilaogy Cinema em Cena maminavina fa, ny fakàna ilay bolongam-bola dia mandeha mankany amin'ireo manangona, fa manodidina ny R$ 1.17 tapitrisa eo ho eo no mankany amin'ny famoronana ilay bilaogy. Ny lahatsary tsirairay dia hitentina manodidina ny  R$ 3,200. Hoy izy [14] [pt]:

A pergunta, então, deveria ser: três mil reais por vídeo é um valor tão absurdo assim? Impulso inicial de quem sabe como é caro produzir audiovisual: não, não é.

Ny fanontaniana izany dia tokony hoe: tena sanda mampivanaka ve ny R$ 3,000 isaky ny lahatsary? Ny fanehoan-kevitra voalohany ho an'ny olona mahafanatra ny tetibidin'ny  famokarana haino amanjery dia: tsia tsy izy kosa izany.

Nefa mbola manampy koa izy fa raha izany sanda izany dia tsy tokony ho anà lahatsary manana faharetana 3-5 minitra miresaka olona tokana monja mitanisa tononkalo, ary ampiany hoe:

Claro que, para ser completamente justo, eu (na verdade, qualquer um) só poderia bater o martelo nesta acusação depois de estudar a planilha de custos apresentada pelos proponentes ao Ministério da Cultura. Mas ainda assim, considerando a logística da produção e uma experiência básica em audiovisual, a conta ainda soa exageradamente salgada e fora de propósito.

Mazava loatra, mba tsy hitongilanana, izaho (raha ny marina, tsy dia hoe iza akory) dia manao fotsiny ihany izay handetehana lalina ity fitarainana ity taorian'ny fanadihadiana ny antontan-taratasy misy ny tetibidy napetrak'ireo mpifaninana tao amin'ny Ministeran'ny Kolotsaina. Saingy hatrany, rehefa jerena ny foto-drafitrasam-pamokarana sy ny fahaiza-manao fototra amin'ny resaka haino amanjery, sahala amin'ny mampisalasala be ihany sy tsy ilaina ilay kajikajy.

Tiago Agostino namoaka [15] [pt] tamin'ny alàlan'ny Twitter ny tetikasa niaingana nalefan'i Maria Bethânia tamin'ny Ministeran'ny Kolotsaina. Ny bilaogy Implicante dia tonga dia namotipotika [16] [pt] haingana ilay vinavinan-tetibidy sy nanamarika tamin-pahasorenana hoe:

A própria Maria Bethânia é a DIRETORA ARTÍSTICA (R$ 600 mil) e também ocupa os cargos destinado à “pesquisa” (R$ 36 mil).

Maria Bethania izy tenany rahateo dia TALE ARA-KOLOTSAINA (R$ 600,000) ary mitana toerana “mpikaroka” koa (R$ 36,000).

Na izany aza, ny Ministeran'ny Kolotsaina dia namoaka fanambarana iray [17] [pt] nanamafy ny maha ara-dalàna ny dingana sady nanitrikitrika fa nanaraka ny fitsipika an-tsakany sy andavany ilay fankatoavana:

Os critérios da CNIC são técnicos e jurídicos; assim, rejeitar um proponente pelo fato de ser famoso, ou não, configuraria óbvia e insustentável discriminação;

Ny mason-tsivana ao amin'ny CNIC [Comissão Nacional de Incentivo à Cultura – Vaomieram-Pirenena Momba ny FanohananaAra-bola ny Kolotsaina] dia resaka ara-teknika sy lalàna, noho izany ny fandàvana fangatahana iray satria hoe malaza izy na tsia, dia fametrahana fanvakavahana mivandravandra sy tsy azo ekena;

Antônio Mello, ao amin'ny bilaoginy, mamaly [18] [pt] ny fanontaniana mikasika ny mety haha-ara-dalàna ny famatsiam-bola:

Está. É a lei.

O que se deve discutir é se o governo deve abrir mão do poder de escolha de onde deve investir integralmente o dinheiro dos impostos.

Eny. Izany ny lalàna.

Ny tokony hiadiantsika hevitra dia ny hoe tokony ve ny governemanta hampiato ny fahafahana mifidy hoe aiza avy no azony ampiasana manontolo ny vola avy amin'ny hetra.

Inona araka izany no tena olana lehibe niteraka ity fifanjevoan-kevitra ity, nahatonga ny teny hoe “Maria Bethânia” handany andro maro tany anatin'ireo lohahevitra mafana teo amin'ny Twitter Breziliana? Ny bilaogy  Imprença manazava [19] [pt] fa::

[..] é preciso esclarecer que a questão não é o blog, nem a Bethânia. O problema maior é a “Lei Rouanet”.

Para quem não está familiarizado com a lei Rouanet, eu explico e é algo bastante simples. Todo ser humano {{ou empresa}} que tenha intenções culturais pode mandar um projeto para a lei Rouanet. Você (…) preenche os formulários (… e) o projeto é aprovado {ou volta para você corrigir, repetir o processo até que seja aprovado}. Lindo! E aí?!

Aí você pega o orçamento aprovado, vai até alguma empresa e diz: “Oi, eu sou Fulano, tenho um projeto cultural aprovado pela lei Rouanet e gostaria do seu patrocínio”.

[..] ilaintsika ny manipika fa tsy Bethânia na ny bilaogy akory no tena olana eto. Ny tena olana lehibe eto dia ny “Lalàna Rouanet”.

Ho an'ireo tsy mahalala tsara ny Lalàna Rouanet, hazavaiko, zavatra faran'izay tsotra io. Na iza na iza olon-tsotra (na orinasa) manana vinavina ara-kolotsaina dia afaka mamorona tetikasa atolotra araka ny Lalàna Rouanet. Mameno antontan-taratasy ianao […]  [ary] ankatoavina ny tetikasa (na averina aminao mba hasiam-panitsiana, ary dia mamerina ireo dingana samihafa ianao mandra-pahazon'izy io ny fankatoavana). Milay! Tsara, sa tsy izany?!

Avy eo mahazo fankatoavana ny  tetibolanao, dia mandeha any amin'ireny orinasa ka miteny hoe “Miarahaba, izaho no izatsy-sy-izatsy, ary manana tetikasa ara-kolotsaina nankatoavin'ny Lalàna Rouanet aho ka mba te-hahazo ny fanohanana ara-bola avy aminareo”.

“]Screenshot of the satyrical blog, "Blog da Bethânia, 1 milhão de motivos para você acessar" (Blog of Bethânia, 1 million reasons for you to access). [20]

Screenshot of the satyrical blog, "Blog da Bethânia, 1 milhão de motivos para você acessar" (Blog of Bethânia, 1 million reasons for you to access).

Ity dingana ity, giazan'ny tombontsoan'ireo  anarana goavana sy fehezin'ny tsena, dia nisedra fiovaovana goavananandritry ny taona maro nifandimby, nanome vahana ireo anarana efa fanta-bahoaka manoloana ireo izay vao manomboka, hoy i Mauricio Caleiro, mpitoraka bilaogy, mpanao gazety sady mpamokatra sarimihetsika manazava [21] [pt]:

(…) o imbroglio envolvendo a cantora baiana pôs a nu as vicissitudes da “Lei Rouanet”, instrumento que, logo após ser criado, desempenhou papel fundamental na sobrevivência de determinados setores artísticos durante o outono neoliberal, mas que, como o episódio em questão evidencia, acabou por gerar graves distorções nas relações entre economia, ideologia e produção cultural.

(…) ny fisavoritahan-dresaka mandrirotra ny mpihira baiana [avy any Bahia] dia ahitàna ny olana ateraky ny “Lalàna Rouanet”, fitaovana iray izay, fotoana fohy taorian'ny namoronana azy, dia nitana toerana fototra tamin'ny fahavelomana na tsia ho an'ny sehatra ara-kolotsaina sasany nandritra ny lohataona liberaly [sarinteny enti-milaza ny fianjeran'ny foto-pisainana kapitalista], saingy satria ny vanim-potoana resahana eto dia mampiseho, dia mety hitondra mankamina fifanolanana henjana amin'ny fifamatoran'ny toekarena, ny fotokevitra ary ny famokarana ara-kolotsaina.

Alfredo Manevy, tanatinà resadresaka nifanaovana tamin'ny vohikala  A Rede, manome sary an-tsaina [22] [pt] ny olana:

O Minc aprova 10 mil projetos por ano. Desses 10 mil, 20% captam recursos e 80% batem nas portas das estatais e de empresas privadas sem sucesso.

Ny Minc [Ministry of Culture / Ministeran'ny Kolotsaina] dia mankato tetikasa 10.000 isan-taona. Amin'ireny 10.000 ireny, ny  20% no manao famoriam-bola ary  80% mandom-baravarana an'ireo  orinasam-panjakana sy tsy miankina saingy tsy mahita rirany.

Conceição Oliveira, ao amin'ny bilaoginy, manampy [23] [pt]:

Os artistas que já estão inseridos na indústria cultural e que têm, devido a sua fama e visibilidade, muito mais chances de conseguir recursos que possibilitem desenvolver um produto profissional.

Ireo mpanakanto efa miasa eo amin'ny sehatry ny indostria ara-kolotsaina, noho ny lazany sy ny maha-fanta-bahoaka azy, dia manam-bintana kokoa hahazo loharanom-bola hampivelarana ny voka-pihariany.

Tena ilaina ny manamarika fa ny Ministeran'ny Kolotsaina, tarihan'ny Minisitra Ana de Hollanda, dia voapalapalan'ny fanakianana hatrany amin'ny fiandohan'nytaona, taorian'ny nanesorana ny fahazoan-dàlana  Creative Commons tao amin'ny vohikalan'ny Ministera, araka ny efa nitateran'ny [24] Global Voices azy tamin'ny Janoary 2011. Izy io ihany koa dia nandray fepetra samihafa heverin'ny ankamaroan'ireo mafàna fo ara-kolotsaina sy politika ho fihemorana.

Ho fanesoesoana amin'ity olana ity dia noforonin'i Raphael Quatroci ny bilaogy mahatsikaiky Bilaogin'i Bethania: antony 1 tapitrisa hitondra anao amin'ny fahombizana [20] [pt].

Lahatsoratra niaraha-nanoratra tamin'i Raphael Tsavkko Garcia [25].