- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Yemen: Nitaky ny fametraha-pialàn'i Saleh ao Sanaa ireo vahoaka maro be

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Yemen, Fanoherana, Politika, Vaovao Mafana

Fitantarana manokana ataonay momba ny Fihetsiketsehana tao Yemena taona 2011 [1] ity lahatsoratra ity.

Vahoaka an'arivony no nanao fihetsiketsehana teo amin'ny kianjan'ny Fiovana, tao an-drenivohitra Yemenita Sanaa, mba hitaky ny fialan'ny Filoha Ali Abdulla. Nihamafy ny fihetsiketsehana araka izay voafaritra hoe   Zomàn'ny Fialana ary nitifi-danitra ny miaramila mba hanajanonana ny mpanao fihetsiketsehana  manohana ny fitondrana tsy hifandona amin'ny mpanao fihetsiketsehana manohana ny demokrasia.

Thousands of Yemenis in Change Square in Sanaa

Yemenita an-arivony tao amin'ny kianjan'ny Fiovana tao Sanaa

Andro nisiana rà mandrika [2] ny Zoma farany teo hatramin'ny nanombohan'ny fihetsiketseham-panoherana an'i Saleh tao Yemen , roa volana mahery izay.

Indreto fihetseham-po farany tao amin'ny Twitter:

#Mpanao fihetsikeketsehana [3] niditra tao amin'ny kianjan'ny Fiovana tao#Yemen [4] renivohitra http://ping.fm/p4Tel [5]

  • Tsy tao amin'ny kianjan'ny fiovana ny tifitra nataon'ny miaramila, fa teo amin'ny toerana manonodina  … #Sanaa [8] #Yemen [4] #yf [9] lavidavitra, mba hampitandrina fotsiny, tsy nisy zava-nitranga.

    Nefermaat [10]

  • Napetraky ny tafika ny tsipika. Raha tokony hitifi-doha (safidy 1) dia nisafidy ny hiara-dalana amin'ny vahoaka ny miaramila Yemenita mba ho tombontsoan'i #Yemen [4].

    fbess [12]

  • Tamin'ny fidiran'ny miaramila! Nampitandrina ireo mpomba ny fitondrana tsy hanafika ny vahoaka ny mpitandro ny filaminana Yemenita. #Yemen [4]

    fbess [12]

  • Tara loatra ny oran'ny fifanarahana. Niantso ny Filohany Saleh ny foko manohana azy mba hametra-pialàna noho ny fangatahan'ny vahoaka: MIALA. #Yemen [4]

    fbess [12]

  • Masaka. Mahita ireo mpanao fihetsiketsehana tao Sanaa aho namoaka boky momba ny kianja Tahrir aho, nametraka toeram-pisavàna ho an'ny mpanao fihetsiketseha ny olom-pirenena. #Yemen [4]

    fbess [12]

  • Naka tahaka ny bokin'i Gaddafi i Saleh, mody nilaza izy fa mpivarotra zava-mahadomelina ny mpanohitra. #Yemen [4]

    khadijapatel [17]

  • niezaka nijanona tao #Yemen [4] i Saleh: nilaza fa vitsy an'isa ireo mpanohitra, jiolahy, mpivarotra zava-mahadomelina http://goo.gl/XRRYY [19]Inona ny an'ny tsy mpisotro nescafe?

    sunnysingh_sw6 [20]

  • Niampanga ny mpanao fihetsiketsehana ho mpivarotra rongony ny Filoha Saleh ..izay efa mahazatra? #yemen [22] #libya [23] #egypt [24]#freedom [25] #world [26] @nytimes [27] #25jan [28]

    Dory_Eryani [29]

  • Nilaza ny fitondrana ao #Yemen [4] fa mpanohana an'i Hothi sady mpivarotra rongony ireo mpanao fihetsiketsehana .. Marina tokoa, tsy mahay mamorona angaha ianao?

    AhmadHKh [31]

  • Tongava aty #Yemen [4] ! 4000 taona ianao ka mendrika hahazo zavatra tsaratsara kokoa noho i Ali Abdullah Saleh

    youssefsalah [33]

  • Nahantona ny lalampanorenana, tsy ara-drariny ny fisamborana, ary voarara ny fanaovana fihetsiketsehana noho ny fametrahana ny firenena ho latsaka an-katerena.#Yemen [4]

    fbess [12]

  • Tsy mitady #ADY [36] IZAHAY, tsy mila an'i SALEH izahay, fa mila #filaminana [37] sy #demokratia [38]!!!!!mila#YEMEN [39]#fahalalana [25] tsara kokoa izahay.

    Dory_Eryani [29]

  • Ny Zoma teo (Fahamendrehana) dia faly sahirana i #Saleh [41] .Io zoma io (Fiaingana), faly nandany vola izy. #Yemen [4]#yf [9]

    alguneid [42]

    Ny Zoma farany tamin'ny volana Martsa, niandry ny fionganan'ny mpanao didi-jadona amin'ity volana ity izahay. Manana tantara amin'ny fandehanany amin'ny Zoma ry zareo #Yemen [4] [43]#Libya [44]
  • [45] [46]

    befroggled [47]

  • manaisotra ny fahatongavan'ny Filoha ao #Yemen ny kabariny omaly? rehefa hametra-pialàna ao #Libya [44] i Gaddafi?

    kxsar [49]