The Baku Connection: Miray hina ireo mpanao gazety manerantany hanohana ny Abzas Media ao Azerbaijan

 Sary avy amin'i Arzu Geybullayeva

Tamin'ny 1 Febroary 2024, nanangana tetikasa fanadihadiana manerantany vaovao antsoina hoe “The Baku Connection” ny Forbidden Stories, tambajotran'ny mpanao gazety izay miantoka ny asan'ny mpanao gazety miatrika fandrahonana mitohy.
Araka ny voalazan'ny Forbidden Stories, maka ny asa natomboky ny mpanao gazety tao amin'ny Abzas Media, fampahalalam-baovao mahaleotena lasibatry ny fanjakana Azerbaijani tamin'ny volana Novambra 2023 ny tetikasa. Mpanao gazety sy tonian-dahatsoratry ny haino vaky jery Abzas maro no nosamborina tamin'ny Novambra noho ny fiampangana sandoka kolikoly ary mbola miandry fitsarana any Baku. Mpanao gazety 40 eo ho eo avy amin'ny fampahalalam-baovao 15 no nanatevin-daharana ny tetikasa hatramin'ny nanombohany, manohy ny fanadihadiana efa natomboky ny ekipan'ny Abzas Media.

Teraka ny fandraisana andraikitra rehefa nangataka ny hafa mba hanohy ny asan'izy ireo ny ekipan'ny Abzas Media. Tao anatin'ny taratasy niantefa tamin'ny ekipan'ny Abzas Media sy nanambara ny fanombohan'ny tetikasa, nanoratra i Laurent Richard, mpanorina sady tale mpanatanteraka ny Forbidden Stories, hoe:

Dear Elnara, Hafiz, Sevinc, Mahammad, Nergiz, Ulvi,

You will probably be reading these few lines from Azerbaijani jails, prey to the same conditions you tirelessly condemned in your investigations. The near-certainty that your work would one day land you in prison never made you back down.

We had no choice but to raise up to your determination, and your call to investigative journalists did not go unheard. Over the past two months, 40 reporters from 14 media outlets have joined forces with Forbidden Stories to pursue your investigations.

Beyond borders, we have written what you can no longer write. This regime that holds you prisoner is also the one that wields a great deal of influence around the world, thanks to gas.

Beyond borders, we have asked the questions you can no longer ask. Including to our politicians and multinationals who regularly pay a visit to your country, Azerbaijan.

Your arrests did not stop the stories.

In the hope that you will soon be released,

Laurent Richard

Ry Elnara, Hafiz, Sevinc, Mahammad, Nergiz, Ulvi,

Mety hamaky ireto andalana vitsivitsy ireto ianao any amin'ny fonja Azerbaijani, rembin'ny fepetra mitovy amin'izay nomelohinareo tsy sasatra tamin'ny fanadihadiana nataonareo. Tsy nampihemotra anareo mihitsy ny efa ahazoana antoka fa hampiditra anareo any am-ponja ny asanareo indray andro any.

Tsy nanan-tsafidy afa-tsy ny manandratra ny finiavanareo izahay, ary tsy nisy tsy nahare ny antsonareo mitaky mpanao gazety mpanao fanadihadiana. Tao anatin'ny roa volana izay, mpanao gazety 40 avy amin'ny fampahalalam-baovao 14 no niara-nisalahy tamin'ny Forbidden Stories (Tantara Voarara) hanohy ny fanadihadianareo.

Mihoatra ny sisintany, nanoratra izay tsy azonareo soratana intsony izahay. Manana hery lehibe eran-tany noho ny etona ananany io fitondrana mitana anareo ho gadra io.

Mihoatra ny sisintany, nametraka fanontaniana tsy azonareo apetraka intsony izahay. Anisan'izany ny mpanao politika sy ny firenena maro izay mitsidika tsy tapaka ny firenenareo, Azerbaijan.

Tsy nampitsahatra ny tantara ny fisamborana anareo.

Amin'ny fanantenana fa ho afaka tsy ho ela ianareo,

Laurent Richard

Nandritra izany fotoana izany, nahatonga ny Abzas Media hamindra ny efitrano fanoratany ho any ivelan'i Azerbaijan ny fanenjehana ny mpanao gazetiny. Araka ny filazan'i Leyla Mustafayeva, lehiben'ny tonian-dahatsoratra voatendry vao haingana, mpanao gazety mpanao fanadihadiana fanta-daza koa, dia hanohy ny tatitra tsy miankina ataony miaraka amin'ny ekipa vaovao miparitaka manerana an'i Eoropa ny fampahalalam-baovao. Tamin'ny fanambaràna iray navoakan'ny Abzas Media, milaza izy fa noho ny fiampangana heloka bevava mitohy nihatra tamin'ny mpiasan'ny famoahan-dahatsoratra iray manontolo, ny mpitantana sy ny mpiara-miasa amin'ny sehatra, “noho ny fangatahan'ny [ekipan'ny] fitantanana ny AbzasMedia, izay [eo] any am-ponja, dia  handray vonjimaika ny toeran'ny lehiben'ny tonian-dahatsoratra mandritra io vanim-potoana io i Leyla Mustafayeva. Izy no hanara-maso ny asan'ny ekipan'ny famoahan-dahatsoratra vaovao miparitaka any amin'ny firenena samihafa any Eoropa.” Nampanantena i Mustafayeva fa hanohy ny asa nandritra ny fanambarana fohy sy mazava, “hilaza ny teninay izahay amin'ny fanoratana.”

Anisan'ireo mpanao gazety iraika ambin'ny folo farafahakeliny nosamborina vao haingana tao Azerbaijan ireo mpanao gazetin'ny Abzas Media. Saingy miova haingana ny isa ary matetika noho ny sitrapon'ireo manampahefana manana tantara lava be amin'ny fanampenam-bava mpitsikera. Tao amin'ny tatitra vao haingana indrindra momba ny firenena, nanoratra ny Reporters Sans Frontières hoe: “Namafa ny endriky ny fahamaroana rehetra ny filoha Ilham Aliyev, ary nikasa tsy misy indra-fo hanampim-bava ireo mpitsikera sisa tavela izy nanomboka ny taona 2014.” Nametraka ny firenena ho laharana faha-151 amin'ny firenena 180 ny fikambanana tamin'ny taona 2023. Tao anatin'ny fanambarana manokana, nanameloka ny fisamborana ny fikambanana.

Volana vitsivitsy talohan'ny Fifidianana Filoham-pirenena mialoha nokasaina hatao ny 7 Febroary no nitrangan'ny fisamborana, izay tokony hahazoan'ny filoha am-perinasa Ilham Aliyev fe-potoam-piasana fito taona hafa noho ny tsy fisian'ny mpanohitra ara-politika ara-dalàna.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.