Masedoana: fahatsiarovana ny demokrasia

Maneho hevitra mikasika ny fivoriana manokana nataon'ireo antoko politika goavana ho fametrahana indray ny fifanakalozan-kevitra demokratika andraisan'ny daholobe anjara ao anatin'ireo andrim-panjakana ny mpitoraka bilaogy.

Cockfight in Otavalo, Ecuador. Spikes fixed at cock's feet.  Photography by Superbass 10:09, 24 July 2005 (UTC)

Volan nanontany [MKD]:

Nahoana isika no mitady demokrasia modely eo amin'ny fitantanana? Taorian'ny faharavan'ny fanjakan'ny antoko tokana, dia niova ho fitondran'ny Solitàna {Sultan} (ilazana ireo mpitondra ambony arabo) roa na telo i Masedoana. Hamboarina hifanaraka amin'izay tian'ireo mpitondra roa ireo ny Lalàmpanorenana sy ny rafitra eo amin'ny andrim-panjakana. Ny fivoriana anio izay hihaon'ireo solitàna avy amin'ny antoko politika matanjaka indrindra any an-toerana no fivoriana manan-danja indrindra hanapahana zavatra maro. Avy eo manaraka ho azy fotsiny ireo rafi-panjakana ary manaiky – manomboka eo amin'ny parlemanta, izay mahamenatra indrindra satria izy ireo no mpihady ny fasana ho an'ny demokrasia any Masedoana. [Quoting Wikipedia:]

Voninahitra fotsiny ny Solitana (Arabo: سلطان‎ Sulṭān), miaraka amin'ny heviny ara-tantara. Tany amboalohany,teny Arabo sarotsarotra takarina midika hoe “hery”, “fahefana”, na “fifehezana”, avy amin'ny fotonteny hoe masdar سلطة sulṭah, midika hoe “fahefana” na “hery”. taty aoriana, dia nampiasaina izany teny izany hilazana ireo mpitarika sasany nitaky fahefana ampahany na feno araka ny dikany hitiavany azy…

Tiako raha hatao ara-dalàna ny rafitra antin'ny solitana amin'ny alalan'ny fanovana ny Lalàmpanorenana, izay farafaharatsiny hanairana ny olona hahafahany mahafantatra ny marina.

Prof. Mirjana Najchevska, manam-pahaizana manokana momba ny zon'olombelona, malahelo [MKD] tamin'ny fomba namonoana ny demokrasia:

Ny fivoriana omaly niarahan'i  Gruevski sy Crvenkovski [MKD] no fahatsiarovana natao teo amin'ny fasan'ny demokrasia taty Masedoana. Ny fitsetsefana fahefana nataon'ny andrim-panjakana rehetra ary indrindra ny mpanao lalàna – ny Parlemantera – niafara tamin'ny fihaonan'ny mpitarika ao amin'ny antoko politika roa matanjaka indrindra sy ny fifanarahana miafina nataon'izy ireo.

Ny tsy fahampian'ny fahazoan'ny olona ny tena dikan'izao zavatra miseho izao izay namindrana ny fahefana teny am-pelantanany (fahefana nisitrahan'ireo olona nofidiany izay tsy iza fa ny parlemantera) ho eo am-pelantanan'ny mpitondra roa (izay maka ny fahefana rehetra sady manapa-kevitra ao amin'ny mangingina) dia vokatry ny tsy fahafantarana lehibe eo amin'ny tena dikan'ny atao hoe demokrasia sy ny antony nanekena azy ho rafitra ao amin'ny haifomba ankehitriny.

Ny parlemantera, andrimpanjakana demokratika, mangarahara sady mpanavao, dia natsangana indrindra mba hampandre ny mpanjaka, ny mpiady fahefana, ary ireo akoholahy tsy aninon-tsy aninona rehetra handray fanapahan-kevitra momba ny fiainam-bahoaka tsy andraisan'ireto farany anjara, tsy hitsabahany ary koa tsy voafehiny izay mety ho vokany.

Hanafainganana ny fandraisana fanapahan-kevitra nandritra ny fivoriana notanterahan'ireo tompon'andraikitra (aty Masedoana, izay nampiakarin'ireo mpitarika ireo antoko politika Albaney ary avy eo nankatoavin'ny antoko politika aty Masedoana) no nanao hetsika amin'ny fanambarana fa tsy demokratika mihitsy ny fanjakana, fa fehezin'olon-tokana, na, amin'ny endrika tena ratsy indrindra, alamina ho tahaka ny foko.

Natsangana ny parlemanta ho toerana hiadiana hevitra, hifandresena lahatra sy hifanarahana amin'ny zavatra rehetra. Efa misy ny fandaminana manokana harahana amin'izany, manoloana ny mpanatrika, sy ireo solontena nofidian'ny vahoaka. Afaka aongana ny parlemanta rehefa tsy tiana, ka tsy maintsy asiana fifidianana indray, afaka esorina ny maha-olomboafidy, kanefa tsy afaka soloina amin'ny fanapahan-kevitra hafa izany. Ao amin'ny fanjakana demokratika iray, raha manapan-kevitra hanao fifanarahana ny antoko politika iray, dia hatao ao anatin'ny parlemanta izany, mandalo amin'ny solombavambahoaka, mandritra ny fivorian'ny parlemantera, ao anatin'ny fanarahana ny lamina rehetra mety amin'izany .

Raha tsy izany, nahoana isika no mila fifidianana, mandany vola, mandany andro sy hery, raha toa afaka hanana mpitarika anankiroa ihany isika izay afaka mivory sy manao fifanarahana? Na raha azo atao, tokony hanao fifaninanana ady totohondry isika hahafantarana izay matanjaka na izay afaka hitondra ny vahoaka? Sa tokony hiady any ivelany tahaka ny akoholahy (roosters)ve izy ireo? Mifanongo-bolo ao ivelany ao, ka izay mandresy hitsambikina eo an-tampon'ny zaoridira eo hihorakoraka ny fandreseny .

Maty ny demokrasia – ho ela velona ny adin'akoho!

(Sary “Adin'akoho tao Otavalo, Ekoatera. Tady mifatotra eo amin'ny togotry ny akoho.” avy amin'ny Wikipedia nampiasa Superbass. Navoaka 2005 nahazoana alàlana Creative Commons Attribution-Share Alike 3.0 Licence.)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.